1Bet tu, mans dēls, stiprinies Kristus Jēzus žēlastībā!
1[Famporisihana an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
2Un ko tu daudzu liecinieku klātbūtnē no manis dzirdēji, to nodod uzticamajiem cilvēkiem, kas būtu spējīgi arī citus mācīt!
2Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.
3Strādā kā labs Jēzus Kristus kareivis!
3Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy.
4Neviens Dieva kareivis neiesaista sevi pasaulīgās darīšanās, lai izpatiktu tam, kam saistījies ar pienākumu.
4Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.
5Un ja arī sacīkstēs cīnās, viņš laurus saņem tad, ja likumīgi cīnījies.
5Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.
6Zemkopim, kas strādā, pirmajam jāsaņem sava daļa no augļiem.
6Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
7Saproti, ko es tev saku: Kungs dos tev saprašanu visās lietās.
7Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.
8Atminies, ka Kungs Jēzus Kristus, kas cēlies no Dāvida cilts, ir uzcēlies no miroņiem saskaņā ar manu evaņģēliju;
8Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako,
9Tā labad es strādāju līdz pat važām it kā ļaundaris; bet Dieva vārds nav saistīts.
9izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
10Tāpēc es visu paciešu izredzēto dēļ, lai arī viņi sasniegtu pestīšanu, kas ir Kristū Jēzū, kopā ar debesu godību.
10Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay.
11Tie ir patiesi vārdi: Ja mēs kopā ar Viņu miruši, tad mēs kopā ar Viņu dzīvosim.
11Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
12Ja mēs pacietīsim, tad kopā ar Viņu valdīsim; ja noliegsim, tad arī Viņš mūs noliegs.
12raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
13Ja mēs neuzticīgi, Viņš paliek uzticīgs, jo Viņš nevar pats sevi noliegt.
13fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.
14To atgādini, liecinādams Dieva priekšā! Neielaidies strīdos, jo tas nekalpo labumam, bet gan sabojā klausītājus!
14[Ny mety hataon'i Timoty noho ny fisian'ny mpampianatra sandoka] Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,
15Rūpīgi centies parādīties Dievam, ka tu esi uzticams strādnieks, kam bailes ir svešas un kas pareizi māca patiesības vārdus!
15Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana. [ Na: mamoaka tsara; na: mizotra mahitsy amin']
16Bet izvairies no nederīgām un tukšām runām, jo tās daudz kalpo bezdievībai,
16Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,
17Un viņu runa izplatās kā vēzis. Tādi ir Himenejs un Filēts,
17ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto, [ Gr. gangrena]
18Kas atkrituši no patiesības, sacīdami, ka augšāmcelšanās jau esot notikusi, un tā sagrozot dažos ticību.
18izay nania tamin'ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan'ny maty, dia mamadika ny finoan'ny sasany.
19Bet stiprais Dieva pamats pastāv, kam šāds zīmogs: Kungs pazīst savējos; un: ikkatrs, kas piesauc Kunga vārdu, lai atturas no netaisnības!
19Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy."
20Bet lielajā namā ir ne tikai zelta un sudraba trauki, bet arī koka un māla: daži godam, daži negodam.
20Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.
21Un tātad, kas būs tīrs no viņiem, tas būs godam svētīts un Kungam derīgs trauks, sagatavots katram labam darbam.
21Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an'ny Tompo, voavoatra ho amin'ny asa tsara rehetra.
22Bēdz no jaunekļu kārībām, bet centies pēc taisnības, ticības, cerības, mīlestības un miera ar tiem, kas Kungu piesauc skaidrā sirdī!
22Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
23Izvairies no neprātīgām un aplamām prātošanām, zinādams, ka tās izraisa strīdus.
23Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.
24Bet Kunga kalpam nepieklājas strīdēties; viņam jābūt lēnprātīgam pret visiem, mācīt spējīgam, pacietīgam,
24Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
25Tādam, kas laipni pamāca tos, kas pretojas patiesībai; varbūt Dievs dos tiem atgriezties, lai pazītu patiesību,
25mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony. [ Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]
26Lai atjēgtos no velna valgiem, kas tos pēc sava prāta turēja gūstā.
26ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony. [ Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon'Andriamanitra; na: fa ataon'ny mpanompon'ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon'Andriamanitra]