1Bet zini, ka pēdējās dienās iestāsies baigi laiki,
1[Ny amin'ny fihemorana any am-parany,] Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
2Jo cilvēki būs patmīlīgi, mantkārīgi, iedomīgi, augstprātīgi, zaimotāji, nepaklausīgi vecākiem, nepateicīgi, netikumīgi,
2Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
3Nežēlīgi, nesamierināmi, apmelotāji, nesavaldīgi, bargi, nesaudzīgi.
3tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,
4Nodevēji, nekaunīgi, uzpūtīgi, kas vairāk mīlēs baudas nekā Dievu,
4mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,
5Ārēji liekuļodami dievbijību, bet tās spēku noliegdami. Arī no tādiem izvairies!
5manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
6Jo tie ir tādi, kas ielavās namos un valdzina vājās sievietes, kuras, grēkos iegrimušas, padodas dažādām kārībām.
6Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro,
7Tās vienmēr mācās, bet pie patiesības atziņas nekad nenonāk.
7mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
8Bet kā Janness un Jambress pretojās Mozum, tā šie cilvēki, samaitāti savā prātā un nepastāvīgi ticībā, pretojas patiesībai.
8Ary tahaka ny nanoheran'i Jana sy Jambra an'i Mosesy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
9Bet viņi tālu netiks, jo to ārprāts kļūs visiem zināms, kā tas bija arī ar citiem.
9Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo koa.
10Bet tu esi sekojis manai mācībai, dzīves veidam, nodomiem, ticībai, augstsirdībai, mīlestībai, pacietībai,
10[Famporisihana an'i Timoty handroso tsara araka ny efa nataony ihany] Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,
11Vajāšanās, ciešanās, kas man gadījās Antiohijā, Ikonijā un Listrā. Kādas tik vajāšanas es neesmu cietis, bet Kungs no visām mani izglāba.
11ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany.
12Vajāti tiks arī visi tie, kas grib dievbijīgi Kristū Jēzū dzīvot.
12Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.
13Bet ļaunie cilvēki un krāpnieki grims dziļāk savā ļaunumā, paši maldīdamies un citus maldinādami.
13Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.
14Tu tomēr paliec pie tā, ko esi mācījies un kas tev uzticēts, jo tu zini, no kā mācījies.
14Fa ianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany;
15Bet tu taču no bērnības zini Svētos Rakstus: tie spēj tevi pamācīt pestīšanai caur ticību uz Kristu Jēzu.
15fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
16Katrs Dieva iedvesmots raksts noderīgs mācīšanai, atspēkošanai, labošanai, audzināšanai taisnībā,
16Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
17Lai Dieva cilvēks būtu pilnīgs un katram labam darbam sagatavots.
17mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.