Latvian: New Testament

Malagasy

Acts

1

1Es pirmajos nostāstos, Teofil, runāju par visu, ko Jēzus darīja un mācīja no sākuma
1[Fitarihan-teny sy filazana ny nanafaran'i Jesosy ny mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra ho any an-danitra] Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay nataon'i Jesosy sy nampianariny,
2Līdz tai dienai, kurā Viņš pacēlās debesīs, pavēlēdams caur Svēto Garu apustuļiem, kurus Viņš izredzēja.
2hatramin'ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny,
3Tiem Viņš arī pēc savām ciešanām, daudzos pierādījumos apliecināja, ka Viņš ir dzīvs, un, četrdesmit dienas parādīdamies, runāja par Dieva valstību.
3sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
4Un Viņš ēda kopā ar tiem un pavēlēja viņiem neaiziet no Jeruzalemes, bet gaidīt Tēva apsolījumu, ko jūs (tā Viņš sacīja) no manas mutes dzirdējāt.
4Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [Na: niara-nihinana]
5Jo Jānis gan kristīja ar ūdeni, bet jūs pēc nedaudz dienām tiksiet kristīti Svētajā Garā.
5fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.
6Tad tie, kas bija sapulcējušies, jautāja Viņam, sacīdami: Kungs, vai Tu šinī laikā atjaunosi Izraēļa valsti?
6Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely?
7Bet Viņš tiem sacīja: Nav jūsu daļa zināt laiku vai brīžus, ko Tēvs atstājis savā varā.
7Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany. [Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany]
8Bet kad nāks pār jums Svētais Gars, tad jūs saņemsiet Viņa spēku; un jūs būsiet mani liecinieki Jeruzalemē un visā Jūdejā, un Samarijā, un visā zemē.
8Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
9Un to sacījis, tiem redzot, Viņš tika pacelts, un padebess paņēma Viņu no to acīm.
9Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.
10Kad tie, Viņam debesīs uzejot, skatījās, lūk, divi vīri baltās drēbēs piestājās tiem
10Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
11Un sacīja: Galilejas vīri, ko jūs stāvat, skatīdamies debesīs? Šis Jēzus, kas no jums tika paņemts debesīs, tāpat atnāks, kā jūs redzējāt Viņu debesīs aizejam.
11izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
12Tad viņi atgriezās atpakaļ Jeruzalemē no kalna, ko sauc par Olīvkalnu, kas ir tuvu Jeruzalemei, sabata gājiena attālumā.
12Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata).
13Un viņi atnākuši uzgāja Vakariņu telpā, kur uzturējās Pēteris un Jānis, Jēkabs un Andrejs, Fīlips un Toms, Bērtulis un Matejs, Jēkabs, Alfeja dēls, un Sīmanis Centīgais, un Jūda, Jēkaba brālis.
13Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak'i Jakoba. [ Na: rahalahin']
14Viņi visi vienprātīgi palika lūgšanā kopā ar sievietēm un Mariju, Jēzus Māti, un Viņa brāļiem.
14Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.
15Tanīs dienās Pēteris, nostājies brāļu vidū, (bet tie bija kopā ap simts divdesmit cilvēku) sacīja:
15[Ny nifidianan'ny Apostoly ny anankiray ho namany hisolo an'i Jodasy] Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona vory teo) ka nanao hoe: [Gr. anarana]
16Brāļi, vajag izpildīt Rakstus, ko Svētais Gars pasludināja ar Dāvida muti par Jūdasu, kas bija vadonis tiem, kas apcietināja Jēzu.
16Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an'i Jesosy;
17Tas bija pieskaitīts mums, un viņš piedalījās šinī kalpošanā.
17fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin'izao fanompoana izao koa.
18Tas ieguva tīrumu par netaisnības algu un, pakāries, vidū pārsprāga, un visas viņa iekšas izgāzās.
18Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin'ny tambin'ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
19Tas kļuva zināms visiem Jeruzalemes iedzīvotājiem, tā ka tas tīrums viņu valodā tika nosaukts Hakeldama, tas ir, asins tīrums.
19Ary fantatr'izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran'izany saha izany amin'ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.
20Jo psalmu grāmatā rakstīts: Lai viņu mājvieta paliek tukša un lai neviens tanī nedzīvo; un viņa bīskapa pilnvaras lai saņem cits. (Ps 68; 108)
20Fa voasoratra eo amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao (Sal. 69. 25); ary koa: Aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara-raharahany (Sal. 109. 8).
21Tāpēc vienam no tiem vīriem, kas ar mums bija vienoti visu laiku, kad Kungs Jēzus pie mums nāca un gāja,
21Koa amin'ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo,
22Sākot ar Jāņa kristību, līdz tai dienai, kad Viņš no mums tika uzņemts debesīs, jākļūst līdz ar mums par Viņa augšāmcelšanās liecinieku.
22hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon'ny nitsanganany.
23Un viņi izraudzīja divus: Jāzepu, ko sauca par Barsabu, kas iesaukts Taisnīgais, un Matiju.
23Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
24Un viņi, Dievu pielūgdami, sacīja: Tu, Kungs, pazīsti visu sirdis, parādi, kuru no šiem diviem Tu esi izvēlējies,
24Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto,
25Lai tas saņemtu kalpošanas un apustuļa pienākumus, ko Jūdass atstāja, lai aizietu savā vietā.
25mba hahazoany anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany.Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.
26Un tie deva viņiem lozes, un loze krita Matijam, un viņš tika pieskaitīts vienpadsmit apustuļiem.
26Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.