1Kad Vasarsvētku diena bija pienākusi, visi viņi bija kopā tanī pat vietā.
1[Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra.
2Un piepeši no debesīm nāca rūkoņa, it kā stipra vēja pūsma, un piepildīja visu māju, kur tie sēdēja.
2Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.
3Un viņiem parādījās mēles it kā no uguns, kas sadalījās un nolaidās uz ikviena no viņiem.
3Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany.
4Un visi tika Svētā Gara piepildīti un iesāka runāt dažādās valodās, kā Svētais Gars deva viņiem izrunāt.
4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
5Bet Jeruzalemē dzīvoja jūdi, dievbijīgi vīri no visām tautām zem debess.
5Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra.
6Kad šī balss atskanēja, daudzi sanāca kopā un apjuka, jo ikviens dzirdēja tos runājam savā valodā.
6Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.
7Un visi samulsa un brīnījās, sacīdami: Lūk, vai tie visi, kas runā, nav galilejieši?
7Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
8Un kā mēs ikviens dzirdējām savu valodu, kurā mēs dzimuši?
8Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
9Partieši un mēdieši, un elamitieši, un kas dzīvo Mezopotāmijā, Jūdejā un Kapadokijā, Pontā un Āzijā.
9- dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
10Frīģijā un Pamfīlijā, Ēģiptē un Lībijas daļā ap Kirēni un ienācēji no Romas,
10sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
11Tāpat jūdi un prozelīti, krētieši un arābi; mēs dzirdējām viņus mūsu valodās sludinām Dieva lielos darbus.
11Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra?
12Un visi pārsteigti brīnījās, viens otram sacīdami: Ko tas nozīmē?
12Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany?
13Bet citi izsmiedami sacīja: Tie ir salda vīna pilni.
13Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
14Bet Pēteris, nostājies ar tiem vienpadsmit, paceltā balsī sacīja viņiem: Jūdejas vīri un visi, kas dzīvojat Jeruzalemē, lai tas jums zināms, un savām ausīm uzmaniet manus vārdus:
14Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
15Viņi nav iereibuši, kā jūs domājat, jo ir tikai dienas trešā stunda;
15Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
16Bet tas ir, ko pravietis Joēls sacīja:
16Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe:
17Tas būs pēdējās dienās, saka Kungs, es izliešu no sava Gara pār ikvienu miesu, un jūsu dēli un jūsu meitas pravietos, un jūsu jaunieši redzēs parādības, un jūsu sirmgalvji sapņos sapņus.
17Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
18Un arī pār saviem kalpiem un savām kalponēm es tanīs dienās izliešu no sava Gara, un viņi pravietos.
18Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy;
19Un es došu brīnumzīmes augšā pie debesīm un apakšā virs zemes: asinis un uguni, un dūmu kvēpus;
19Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon'ny setroka;
20Saule pārvērtīsies tumsā un mēness asinīs, iekams nāks Kunga lielā un redzamā diena.
20Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
21Un notiks, ka ikviens, kas Kunga vārdu piesauks, kļūs pestīts. (Jl.2,28-31)
21Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena (Joela 3. 1-5).
22Izraēliešu vīri! Uzklausiet šos vārdus: Jēzu no Nācaretes, šo Vīru, ko Dievs jums apliecinājis spēkā un brīnumos, un zīmēs, ko Dievs caur Viņu darījis jūsu vidū, kā arī jūs to zināt,
22Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
23To jūs pēc Dieva noteiktā lēmuma un paredzes nodevāt un ar noziedznieku rokām piekalāt krustā, un nonāvējāt.
23Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona tsy tan-dalàna;
24Dievs Viņu, atbrīvodams no miroņu valsts ciešanām, uzmodināja, jo tai bija neiespējami Viņu paturēt.
24fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana, satria tsy laitr'izany hohazonina Izy.
25Jo Dāvids par Viņu saka: Es vienmēr redzēju Kungu savu acu priekšā, jo Viņš ir man pa labi, lai es nešaubītos.
25Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an'i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
26Tāpēc mana sirds priecājās, un mana mēle gavilēja, un arī mana miesa dusēs cerībā.
26Dia izany no nifalian'ny foko sy niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin'ny fanantenana;
27Jo Tu neatstāsi manu dvēseli mirušo valstī, nedz dosi savam Svētajam redzēt satrūdēšanu.
27Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; [Gr. Hadesy]
28Tu man esi zināmus darījis dzīves ceļus, un ar līksmību Tu mani piepildīsi sava vaiga priekšā.
28Nampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao (Sal. 16. 8-11).
29Brāļi, es uzdrošinos ar jums vaļsirdīgi runāt par patriarhu Dāvidu, ka viņš ir nomiris un aprakts, un viņa kaps pie mums ir līdz šai dienai.
29Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.
30Viņš bija pravietis un zināja, ka Dievs viņam zvērēdams apsolīja sēdināt viņa tronī vienu no tā miesas atvasēm. (Ps.131,11)
30Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany, [Na: hapetrany]
31Viņš, to paredzēdams, sacīja par Kristus augšāmcelšanos, jo Viņš netika atstāts mirušo valstī, nedz Viņa miesa redzēja satrūdēšanu. (Ps.15,10)
31koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. [Gr. Hadesy]
32Šo Jēzu Dievs cēla augšām, tam mēs visi esam liecinieki.
32Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra.
33Dieva labās rokas paaugstināts un no Tēva saņēmis Svētā Gara apsolījumu, Viņš izlēja to, ko jūs redzat un dzirdat.
33Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. [ Na: ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra]
34Jo Dāvids neuzgāja debesīs, bet pats sacīja: Kungs sacīja manam Kungam: sēdies pie manas labās rokas,
34Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
35Iekams es Tavus ienaidniekus lieku par paklāju Tavām kājām. (Ps.109,1)
35Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
36Tāpēc lai viss Izraēļa nams visnoteiktāk zina, ka Dievs padarīja Viņu par Kungu un Kristu, šo Jēzu, ko jūs sitāt krustā.
36Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
37Bet viņi, to dzirdot, satriektu sirdi, sacīja Pēterim un pārējiem apustuļiem: Brāļi, ko mums darīt?
37Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
38Un Pēteris viņiem sacīja: Gandariet par saviem grēkiem, un ikviens no jums lai kristās Jēzus Kristus vārdā jūsu grēku piedošanai, un jūs saņemsiet Svētā Gara dāvanu.
38Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
39Jo solījums pieder jums un jūsu bērniem, un visiem, kas tālu ir, kurus Kungs, mūsu Dievs, vēl aicinās.
39fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
40Vēl daudz citos vārdos viņš apliecināja un mācīja tos, sacīdams: Glābieties no šīs samaitātās cilts!
40Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo.
41Kas viņa vārdus pieņēma, tie kristījās; un tanī dienā pievienojās ap trīs tūkstoši dvēseļu.
41Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany.
42Un viņi pastāvēja apustuļu mācībā, maizes laušanas sadraudzībā un lūgšanā.
42Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
43Un ikvienai dvēselei bija bailes, jo apustuļi Jeruzalemē darīja daudzus brīnumus un zīmes, un lielas bailes pārņēma visus.
43Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly.
44Bet visi, kas ticēja, turējās kopā, un viss viņiem bija kopīgs.
44Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
45Viņi pārdeva savus īpašumus un mantu un izdalīja visiem, kā kuram vajadzēja.
45ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.
46Viņi ik dienas vienprātīgi sanāca svētnīcā un mājās lauza maizi, un gavilējot ar vientiesīgu sirdi pieņēma barību,
46Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.
47Godinādami Dievu un iegūdami žēlastību visā tautā. Bet Kungs ik dienas pievienoja viņiem tos, kam vajadzēja kļūt pestītiem.
47nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.