1Pēteris un Jānis gāja svētnīcā ap devīto lūgšanas stundu.
1[Ny nahasitranan'i Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona] Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.
2Tad atnesa kādu vīru, kas bija tizls no mātes miesām. Viņu ik dienas nolika pie tā sauktajām greznajām durvīm, lai viņš lūgtu dāvanas no tiem, kas ieiet svētnīcā.
2Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly;
3Viņš, redzēdams Pēteri un Jāni pirms ieiešanas dievnamā, lūdza no tiem kādu dāvanu.
3nony nahita an'i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.
4Bet Pēteris ar Jāni, uzlūkodami viņu, sacīja: Paskaties uz mums!
4Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
5Un viņš uzlūkoja tos, cerēdams kaut ko no viņiem saņemt.
5Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
6Bet Pēteris sacīja: Sudraba un zelta man nav; bet kas man ir, to es tev dodu: Nācarieša Jēzus Kristus vārdā celies un staigā!
6Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
7Un viņš, paņēmis aiz labās rokas, to piecēla; un tūdaļ tā kājas un pēdas nostiprinājās
7Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
8Un tas uzlēcis nostājās un sāka iet, un kopā ar viņiem iegāja svētnīcā, un lēkāja, un godināja Dievu.
8Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.
9Un visa tauta redzēja viņu staigājam un Dievu godinām.
9Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra.
10Un viņi pazina to, ka viņš bija tas, kas, dāvanas lūgdams, sēdēja pie greznajām svētnīcas durvīm; un tos pārņēma izbrīns un bailes par to, kas viņam bija noticis.
10Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
11Bet kad viņš turējās kopā ar Pēteri un Jāni, tad visa tauta brīnīdamās saskrēja ap viņiem tā sauktajā Salomona priekštelpā.
11Ary raha nihazona an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka talanjona.
12To redzēdams, Pēteris sacīja tautai: Izraēliešu vīri, ko jūs brīnāties par to, vai ko skatāties uz mums it kā mēs ar savu spēku un varu būtu padarījuši to, ka šis staigā?
12Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
13Ābrahama Dievs un Īzāka Dievs, un Jēkaba Dievs, mūsu tēvu Dievs pagodināja savu Dēlu Jēzu, ko jūs nodevāt un noliedzāt Pilāta priekšā, kad tas nolēma Viņu atbrīvot.
13Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. [ Na: Zanany]
14Svēto un Taisnīgo jūs noliedzāt un lūdzāt, lai jums dod slepkavu.
14Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
15Un dzīvības devēju jūs nonāvējāt, bet Dievs Viņu uzmodināja no miroņiem. Tam mēs esam liecinieki.
15fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay.
16Un ticības dēļ Viņa vārdam šo, kuru jūs redzat un pazīstat, Viņa vārds stiprināja; un ticība, kas no Viņa ir, dāvāja tam pilnīgu veselību visu jūsu priekšā.
16Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
17Bet tagad brāļi, es zinu, ka jūs tāpat kā jūsu priekšnieki nezināšanas dēļ to padarījāt.
17Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa.
18Jo Dievs to tā izpildīja, kā ar visu praviešu mutēm priekšsludinājis, ka Kristum jācieš.
18Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny.
19Tāpēc nožēlojiet grēkus un atgriezieties, lai jūsu grēki tiktu izdeldēti!
19Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo,
20Un lai Kungs dotu atspirgšanas laikus, lai sūtītu To, ko Viņš jums priekšsludinājis, Jēzu Kristu.
20ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
21Ko debesīm vajag uzņemt līdz tam laikam, kad viss būs piepildīts, ko Dievs runājis no mūžības ar savu svēto praviešu muti.
21Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra.
22Jo Mozus sacīja: Kungs, jūsu Dievs, iecels jums pravieti no jūsu brāļiem tāpat kā mani; Viņu jūs klausīsiet visās lietās, ko vien Viņš jums runās. (5.Moz.18,15)
22Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo.
23Un notiks, ka ikviena dvēsele, kas šo pravieti neklausīs, tiks no tautas vidus izskausta. (5.Moz.18,19)
23Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo. 18. 15, 19).
24Un visi pravieši, kas runājuši, sākot ar Samuēlu un turpmāk, pasludināja šīs dienas.
24Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
25Jūs esat praviešu un derības, ko Dievs slēdzis ar mūsu tēviem, bērni, jo Viņš sacīja Ābrahamam: Un tavos pēcnācējos tiks svētītas visas zemes ciltis.
25Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Gen. 22. 18).Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona. [Na: ny Zanany]
26Dievs dodams savu Dēlu, vispirms sūtīja Viņu pie jums, lai Viņš jūs svētītu, lai ikviens atgrieztos no saviem ļaunajiem darbiem.
26Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona. [Na: ny Zanany]