1Kamēr viņi runāja tautai, pienāca priesteri, svētnīcas pārvalde un saduceji,
1[Ny namatorana an'i Petera sy Jaona, sy ny nataon'ny Synedriona taminy] Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo;
2Kas bija sarūgtināti par to, ka viņi mācīja tautu un sludināja augšāmcelšanos no miroņiem caur Jēzu.
2fa sosotra izy noho ny nampianaran'ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin'ny alalan'i Jesosy ny fitsanganana amin'ny maty.
3Un tie satvēra viņus un nodeva sardzei līdz rītam, jo bija jau vakars.
3Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain'ny andro; fa efa hariva ny andro tamin'izay.
4Bet daudzi, kas šos vārdus bija dzirdējuši, ticēja; un šo vīriešu skaits bija pieci tūkstoši.
4Kanefa maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.
5Bet nākošajā dienā notika, ka Jeruzalemē sapulcējās viņu priekšnieki un vecākie, un rakstu mācītāji,
5Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna
6Un augstais priesteris Anna, un Kaifa, un Jānis, un Aleksandrs, un cik to bija no priesteru kārtas.
6sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe.
7Un tie, novietojuši viņus vidū, jautāja: Ar kā spēku vai kā vārdā jūs to darījāt?
7Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
8Tad Pēteris, Svētā Gara piepildīts, sacīja viņiem: Tautas priekšnieki un vecākie, klausieties:
8Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
9Ja mūs šodien pratina labā darba dēļ, kas slimo cilvēku darīja veselu.
9raha adinina izahay anin'ny amin'ny asa tsara natao tamin'ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,
10Tad lai jums visiem un visai Izraēļa tautai ir zināms, ka mūsu Kunga Jēzus Kristus Nācarieša vārdā, kuru jūs krustā sitāt, kuru Dievs augšāmcēla no miroņiem, šis stāv jūsu priekšā vesels.
10dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo.
11Viņš ir akmens, ko jūs, cēlāji, atmetāt, bet kas kļuvis par stūrakmeni; (Ps.117,22; Is.28,16; Mt.21,42; Mk.12,10; Lk.20,17; Rom.9,33)
11Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22).
12Un nevienā citā nav pestīšanas, jo zem debess cilvēkiem nav dots neviens cits vārds, kurā viņi varētu kļūt pestīti.
12Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.
13Bet tie, redzēdami Pētera un Jāņa patstāvību un nopratuši, ka viņi ir nemācīti un vienkārši cilvēki, brīnījās un uzzināja, ka viņi bijuši kopā ar Jēzu.
13Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy.
14Un tie, redzot izdziedināto cilvēku ar viņiem kopā stāvam, nevarēja nekā pretim runāt.
14Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny.
15Bet tie lika viņiem atstāt augsto tiesu un apspriedās savā starpā,
15Ary rehefa nasainy niala teo amin'ny Synedriona izy roa lahy, dia niara-nisaina izy
16Sacīdami: Ko lai darām ar šiem cilvēkiem? Jo, ka brīnums caur viņiem noticis, tas zināms visiem Jeruzalemes iedzīvotājiem. Tas zināms, un mēs to nevaram noliegt.
16ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
17Bet lai tas tālāk tautā neizpaustos, mēs viņiem piedraudēsim, lai tie Viņa vārdā vairs nevienam cilvēkam nekā nerunā.
17Fa mba tsy hielezan'izany intsony amin'ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy mba tsy hiteny amin'izany anarana izany intsony na amin'iza na amin'iza.
18Un tie, pasaukuši viņus, pavēlēja vairs nerunāt un nemācīt Jēzus vārdā.
18Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony.
19Tad Pēteris un Jānis tiem atbildēja, sacīdami: Spriediet, vai Dieva priekšā ir taisnīgi jūs vairāk klausīt nekā Dievu?
19Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.
20Jo mēs nevaram nerunāt par to, ko esam redzējuši un dzirdējuši.
20Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
21Un viņi piedraudēdami atlaida tos, neatrazdami iemesla tautas dēļ tos sodīt, jo visi teica, kas bija darīts un kas bija noticis;
21Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra efa natao.
22Jo cilvēkam, pie kā šis izdziedināšanas brīnums notika, bija vairāk nekā četrdesmit gadu.
22Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.
23Kad viņus atlaida, tie aizgāja pie savējiem un stāstīja viņiem, ko augstie priesteri un vecākie tiem sacījuši.
23Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy.
24To noklausījušies, viņi vienprātīgi pacēla savas balsis uz Dievu, sacīdami: Kungs, kas esi radījis debesis un zemi, jūru un visu, kas tanī ir,
24Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,
25Kas caur Svēto Garu ar sava kalpa Dāvida, mūsu tēva, muti esi sacījis: Kāpēc pagāni trako un ļaudis izdomā nelietības?
25ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena?
26Zemes ķēniņi saceļas un valdnieki apvienojas pret Kungu un Viņa Svaidīto? (Ps.2,1-2)
26Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2).
27Jo patiesi šinī pilsētā Herods un Poncijs Pilāts apvienojušies ar pagāniem un ar Izraēļa ļaudīm pret Tavu svēto kalpu Jēzu, ko Tu esi svaidījis,
27Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [Na: ny Zanakao]
28Lai darītu to, ko Tava roka un Tavs padoms nolēmis, ka tam jānotiek.
28mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.
29Bet tagad, Kungs, skaties viņu draudos un dod saviem kalpiem pilnā paļāvībā runāt Tavu vārdu!
29Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra,
30Izstiep savu roku dziedināšanai un zīmju un brīnumu darīšanai sava svētā Dēla Jēzus vārdā!
30omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao Masina. [: Na: Zanakao]
31Pēc lūgšanas nodrebēja vieta, kur viņi bija sapulcējušies; un viņi visi kļuva svētā Gara pilni un drošsirdīgi runāja Dieva vārdu.
31Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
32Un daudzie ticīgie bija viena sirds un viena dvēsele; un neviens no viņiem nekā no tā, kas viņiem bija, nesauca par savu, bet viss viņiem bija kopīgs.
32[Ny nifankatiavan'ny mpianatra sy ny fahazotoany] Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
33Un apustuļi lielā spēkā deva liecību par mūsu Kunga Jēzus Kristus augšāmcelšanos; un liela žēlastība bija viņos visos.
33Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra.
34Un neviena trūcīga nebija viņu starpā, jo tie, kam bija tīrumi un nami, pārdeva tos un atnesa maksu par pārdoto,
34Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo,
35Un nolika apustuļiem pie kājam. Un katram tika dalīts, kā tam bja vajadzīgs.
35ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy
36Arī levīts Jāzeps, dzimis kiprietis, ko apustuļi sauca par Barnabu, kas nozīmē: iepriecināšanas dēls,
36Ary Josefa, izay nataon'ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
37Pārdeva tīrumu, kas tam piederēja, un naudu atnesa un nolika pie apustuļu kājām.
37dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.