Latvian: New Testament

Malagasy

Acts

11

1Bet apustuļi un brāļi, kas bija Jūdejā, dzirdēja, ka arī pagāni pieņēmuši Dieva vārdu.
1[Ny namalian'i Petera ny olona izay nanome tsiny azy] Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin'Andriamanitra.
2Kad Pēteris nonāca Jeruzalemē, apgraizītie pārmeta viņam,
2Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan'ny voafora
3Sacīdami: Kāpēc tu gāji pie neapgraizītajiem un ēdi kopā ar viņiem?
3ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin'ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
4Tad Pēteris iesāka un attēloja viņiem pēc kārtas, sacīdams:
4Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin'ny niandohany ka nanao hoe:
5Jopes pilsētā būdams, es lūdzu Dievu un, garā aizrauts, redzēju parādību: kāds trauks nonāca it kā liels palags aiz četriem stūriem no debesīm, nolaidās, un tas nonāca pie manis.
5Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
6Tanī ieskatījies, es redzēju zemes četrkājaiņus un zvērus, un rāpuļus, un debess putnus.
6ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
7Bet es dzirdēju arī balsi man sakām: Celies, Pēteri, nokauj un ēd!
7Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.
8Bet es sacīju: Nekad nē, Kungs, jo nekas nešķīsts vai netīrs nekad nav nācis manā mutē.
8Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy madio.
9Tad balss no debesīm otrreiz man atbildēja: Ko Dievs šķīstījis, to nesauc par nešķīstu!
9Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza ataonao ho fady.
10Tas notika trīskārt, un viss tika paņemts atpakaļ debesīs.
10Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.
11Un, lūk, trīs vīri no Cēzarejas, kas bija sūtīti pie manis, tūdaļ nostājās pie nama, kurā es biju.
11Ary tamin'izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
12Un Gars man sacīja, lai es, nemaz nešaubīdamies, eju tiem līdz. Bet arī šie brāļi nāca kopā ar mani, un mēs iegājām tā vīra namā.
12Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
13Bet tas mums stāstīja, ka viņš savā namā redzējis stāvam eņģeli un viņam sakām: Sūti uz Jopi un liec ataicināt Sīmani, kas tiek saukts Pēteris,
13Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
14Viņš tev pateiks vārdus, ar kuriem tu un viss tavs nams tiks atpestīti.
14izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
15Bet kad es sāku runāt, Svētais Gars nāca pār viņiem tāpat kā sākumā pār mums.
15Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.
16Tad es atminējos Kunga vārdu, ko Viņš sacījis: Jānis kristīja ar ūdeni, bet jūs tiksiet kristīti Svētajā Garā. (Apd.1,5; Mt.3,11; Mk.1,8; Lk.3,16)
16Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.
17Ja tad Dievs to pašu žēlastību devis viņiem, kā arī jums, kas esam ticējuši uz Kungu Jēzu Kristu, kas tad es esmu, ka spētu pretoties Dievam?
17Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra?
18To dzirdējuši, tie apklusa un godināja Dievu, sacīdami: Tātad arī pagāniem Dievs devis atgriešanos no grēkiem dzīvībā.
18Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
19Bet tie, kas tika izklīdināti vajāšanās, kuras notika Stefana dēļ, aizgāja līdz Feniķijai un Kiprai, un Antiohijai, nesludinādami šo vārdu nevienam kā tikai jūdiem.
19[Ny nandrosoan'ny tenin'Andriamanitra tao Antiokia, sy ny nampianaran'i Barnabasy sy Saoly tao] Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin'i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin'ny olona izy, afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany.
20Bet daži no tiem bija vīri no Kipras un Kirēnes, kas, nonākuši Antiohijā, runāja grieķiem, sludinādami Kungu Jēzu.
20Ary ny sasany tamin'ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin'ny jentilisa koa ka nitory an'i Jesosy Tompo. [ Gr. Grika; na Helenista]
21Un Kunga roka bija ar viņiem; liels skaits ticēja un atgriezās pie Kunga.
21Ary ny tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo.
22Tad šī vēsts nonāca Jeruzalemes baznīcas ausīs, un viņi sūtīja Barnabu uz Antiohiju.
22Ary ren'ny sofin'ny fiangonana tany Jerosalema ny amin'ireo, dia naniraka an'i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
23Viņš, atnācis un Dieva žēlastību redzējis, priecājās un pamudināja visus turēties pie Kunga ar patiesu sirdi.
23Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan'Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin'ny Tompo amin'ny fo minia fatratra.
24Jo viņš bija labs cilvēks un Svētā.Gara un ticības pilns. Un daudz ļaužu pievienojās Kungam.
24Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an'ny Tompo.
25Tad Barnaba aizgāja uz Tarsu uzmeklēt Saulu. Un atradis to, atveda uz Antiohiju.
25Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an'i Saoly.
26Un veselu gadu viņi tur darbojās baznīcā un mācīja daudz ļaužu, un Antiohijas mācekļi pirmo reizi sāka saukties par kristīgajiem.
26Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin'ny fiangonana hatramin'ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran'ny mpianatra hoe.
27Tanīs dienās no Jeruzalemes uz Antiohiju atnāca pravieši.
27[Ny naminanian'i Agabo fa hisy mosary] Ary tamin'izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
28Un viens no tiem, vārdā Agabs, cēlās un Garā norādīja, ka liels bads nāks pār visu zemeslodi. Tas notika Klaudija laikā.
28Ary nitsangana ny anankiray tamin'ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin'ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin'ny andron'i Klaodio.
29Bet visi mācekļi apņēmās, kā kurš varēdams, sūtīt pabalstu brāļiem, kas dzīvoja Jūdejā.
29Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.Dia nataony izany, ary ny tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin'ny loholona. [ Gr. presbytera]
30To viņi arī izdarīja. Caur Barnabas un Saula rokām viņi sūtīja vecākajiem.
30Dia nataony izany, ary ny tànan'i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin'ny loholona. [ Gr. presbytera]