Latvian: New Testament

Malagasy

Acts

12

1Tanī pat laikā ķēniņš Herods pielika rokas, lai mocītu dažus no Baznīcas.
1[Ny amin'ny nanenjehana ny fiangonana, sy ny nanafahana an'i Petera tao an-tranomaizina] Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin'ny fiangonana.
2Viņš ar zobenu nonāvēja Jēkabu, Jāņa brāli.
2Ary izy namono an'i Jakoba, rahalahin'i Jaona, tamin'ny sabatra.
3Bet viņš, redzēdams, ka tas patika jūdiem, lika apcietināt arī Pēteri. Bija neraudzētās maizes dienas.
3Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy. (Efa mby tamin'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany.)
4To saņēmis un cietumā ielicis, viņš nodeva to sargāšanai četrkārtējai sardzei, ik pa četri kareivji, gribēdams viņu pēc Lieldienām vest tautas priekšā.
4Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila enina ambin'ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. [ Gr. miaramila efatra katernia; ny katernia iray dia miaramila efa-dahy]
5Un Pēteris tika turēts cietumā, bet Baznīca lūdza Dievu par viņu bez mitēšanās.
5Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin'Andriamanitra ho azy.
6Bet tanī pat naktī, kad Herods gribēja viņu aizvest, Pēteris divām važām sasiets, gulēja starp diviem kareivjiem, un sargi pie durvīm sargāja cietumu.
6Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera tamin'iny alina iny, sady voafatotra tamin'ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.
7Un, lūk, Kunga eņģelis piestājās, un gaisma atspīdēja telpā. Viņš sita Pēterim sānos, uzmodināja to un sacīja: Celies žigli! Un važas nokrita no viņa rokām.
7Ary, indro, nisy anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny gadra.
8Tad eņģelis viņam sacīja: Apjozies un apaun savas kurpes! Un viņš tā izdarīja. Un viņš tam sacīja: Ietērpies savā mētelī un seko man!
8Ary hoy ilay anjely taminy: Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
9Un izgājis viņš tam sekoja un nezināja, ka tas, ko eņģelis darīja, ir īstenība, bet domāja, ka viņš redz parādību.
9Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy.
10Bet viņi, pagājuši garām pirmajai un otrajai sardzei, nonāca pie dzelzs vārtiem, kas veda pilsētā. Tie atvērās paši no sevis. Un izgājuši viņi nogāja vienu ielu, un eņģelis tūdaļ aizgāja no viņa.
10Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy i]ay anjely.
11Un Pēteris atjēdzies sacīja: Tagad es tiešām zinu, ka Kungs sūtījis savu eņģeli un izglābis mani no Heroda rokām un no visa, ko jūdu tauta gaidīja.
11Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin'ny tànan'i Heroda sy ny fanantenan'ny Jiosy rehetra.
12Un apskatījies viņš aizgāja Jāņa, tā sauktā Marka, mātes Marijas namā. Tur daudzi bija sapulcējušies un lūdza Dievu.
12Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.
13Kad Pēteris pieklauvēja pie sētas vārtiem, tad kalpone, vārdā Rode, iznāca klausīties;
13Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.
14Un viņa, Pētera balsi pazinusi, priekā neatvēra durvis, bet ieskrēja iekšā, lai paziņotu, ka Pēteris stāv aiz durvīm.
14Ary rehefa nahalala ny feon'i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
15Bet tie sacīja viņai: Tu esi neprātīga. Bet viņa apgalvoja, ka tas tā ir. Tad viņi sacīja: Tas ir viņa eņģelis.
15Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.
16Pēteris tomēr turpināja klaudzināt. Kad atvēra, tie viņu redzēja un brīnījās.
16Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.
17Pamājis viņiem ar roku, lai tie klusētu, viņš pastāstīja, kā Kungs izvedis viņu no cietuma, un sacīja: Paziņojiet to Jēkabam un brāļiem! Un viņš izgājis devās uz citu vietu.
17Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin'ny fitoerana hafa.
18Dienai iestājoties, kareivjos radās liels uztraukums: kas gan noticis ar Pēteri.
18Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
19Tad Herods meklēja viņu, bet neatrada; un viņš, nopratinājis sargus, pavēlēja tos aizvest. Tad viņš parcēlās no Jūdejas uz Cēzareju un uzturējās tur.
19Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.
20Bet viņš bija naidā ar tiriešiem un sidoniešiem. Tie vienprātīgi nāca pie viņa un, pārliecinājuši ķēniņa kambarkungu Blastu, lūdza mieru, jo to zemes pārtika no viņa.
20Ary Heroda tezitra loatra tamin'ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an'i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin'ny tanin'i Heroda. [ Gr. ny mpanjaka]
21Tad noteiktā dienā Herods, tērpies ķēniņa tērpā, apsēdās tronī un uzrunāja viņus.
21Ary tamin'ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin'ny vahoaka.
22Bet tauta sauca: Tā ir Dieva balss, bet ne cilvēka!
22Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon'Andriamanitra izany, fa tsy an'olona!
23Kunga eņģelis viņu tūdaļ sita, jo viņš nedeva Dievam godu; un viņš, tārpu saēsts, nomira.
23Ary niaraka tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy; ka dia nohanin'ny kankana izy ka maty.
24Bet Kunga vārds auga un izplatījās.
24Ary nandroso sy niely ny tenin'Andriamanitra.Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. [ Na: niverina tany]
25Savu uzdevumu izpildījuši, Barnaba un Sauls atgriezās no Jeruzalemes, ņemdami līdz Jāni, kas tika saukts Marks.
25Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. [ Na: niverina tany]