1Un daži, atnākuši no Jūdejas, mācīja brāļus: Ja jūs neapgraiza pēc Mozus ieraduma, jūs nevarat tikt pestīti.
1[Ny nifandiran'ny sasany ny amin'ny famorana, sy ny nataon'ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema tamin'izany] Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.
2Pāvilam un Barnabam izcēlās ar viņiem ne mazums strīdu; un viņi nolēma, lai Pāvils un Barnaba, un daži no pārējiem aizietu šinī jautājumā uz Jeruzalemi pie apustuļiem un prezbiteriem.
2Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin'ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran'izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin'ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany. [ Gr. presbytera]
3Tad viņi, draudzes pavadīti, gāja caur Feniķiju un Samariju, stāstīdami par pagānu atgriešanos, un sagādāja brāļiem lielu prieku.
3Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an'i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan'ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
4Kad viņi nonāca Jeruzalemē, tos uzņēma draudze un apustuļi, un vecākie, un viņi stāstīja, ko lielu Dievs ar tiem darījis.
4Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin'ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy. [ Gr. presbytera]
5Tad daži no farizeju sektas, kas bija ticīgi, cēlās, sacīdami: Vajag viņus apgraizīt un pavēlēt tiem pildīt Mozus likumu.
5Fa ny mino sasany, izay isan'ny antokon'ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn'i Mosesy.
6Apustuļi un vecākie sapulcējās, lai apspriestu šo jautājumu.
6Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany. [ Gr. presbytera]
7Bet kad izcēlās liels strīds, Pēteris piecēlies sacīja viņiem: Brāļi, jūs zināt, ka Dievs kopš sendienām izvēlējies starp mums, ka pagāni no manas mutes dzirdētu evaņģēlija vārdu un ticētu.
7Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin'ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin'ny vavako no handrenesan'ny jentilisa ny tenin'ny filazantsara ka hinoany.
8Un Dievs, kas pazīst sirdis, apliecināja, dodams tiem Svēto Garu, tāpat kā mums;
8Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
9Ticībā šķīstīdams to sirdis, Viņš nešķiroja mūs un viņus.
9fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony.
10Bet ko jūs tagad Dievu kārdināt, likdami mācekļu kaklā jūgu, ko ne mūsu tēvi, ne mēs nespējam nest?
10Koa nahoana ianareo no maka fanahy an'Andriamanitra amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny razantsika na isika ho entina?
11Bet mēs ticam, ka caur Kunga Jēzus Kristus žēlastību tiksim pestīti tāpat kā viņi.
11Fa mino isika fa ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
12Tad viss pulks klusēja un klausījās, kad Barnaba un Pāvils stāstīja, cik lielas zīmes un brīnumus Dievs darījis caur viņiem pagānu vidū.
12Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an'i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa.
13Un kad viņi apklusa, Jēkabs atbildēja, sacīdams: Vīri, brāļi, uzklausiet mani!
13Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:
14Sīmanis stāstīja, kā Dievs pirmo reizi apžēlojies, lai no pagāniem veidotu tautu savam vārdam.
14Simeona efa nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra ny jentilisa tamin'ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
15Un ar to saskan praviešu vārdi, kā rakstīts:
15Ary mifanaraka amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
16Pēc tam es atgriezīšos un atkal uzcelšu Dāvida sagruvušo telti, un to, kas tanī sagrauts, es atjaunošu un uzcelšu.
16Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray;
17Lai Kungu meklētu pārējie ļaudis un visas tautas, pār kurām mans vārds piesaukts, saka Kungs, kas to dara. (Am.9,11-12)
17Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,
18No mūžības Kungam zināms Viņa darbs.
18Izay manao izany zavatra fantatra hatramin'ny voalohany indrindra izany (Amo. 9. 11, 12).
19Tāpēc es spriežu, ka nav apgrūtināmi tie, kas no pagāniem atgriežas pie Dieva.
19Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa izay miverina ho amin'Andriamanitra;
20Bet jāraksta viņiem, lai tie sargās no apgānīšanās ar elkiem un no netiklības, un no nožņaugtiem, un no asinīm.
20fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà.
21Jo Mozum no senlaikiem visās pilsētās ir savi sludinātāji sinagogās, kur katru sabatu viņi lasa.
21Fa hatramin'ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin'ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
22Tad apustuļi un vecākie kopā ar draudzi nolēma izvēlēt no sava vidus starp brāļiem cienījamus vīrus: Jūdu, kas saucās Barsaba, un Sīlu, lai sūtītu tos kopā ar Pāvilu un Barnabu uz Antiohiju.
22Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin'ny rahalahy; [ Gr. presbytera]
23Viņu rokām rakstīdami: Apustuļi un vecākie brāļi sūta sveicienu tiem brāļiem no pagāniem, kas Antiohijā, Sīrijā un Kilikijā.
23ary nanoratra taratasy izy ho entin'ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin'ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia. [ Gr. presbytera]
24Tā kā mēs dzirdējām, ka daži, kas nākuši no mums, kam mēs neesam pavēlējuši, nogājuši uztrauca jūs vārdiem, samulsinādami jūsu dvēseles,
24Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,
25Tad mēs, kopā sapulcējušies, nolēmām izvēlēt vīrus un sūtīt pie jums tos kopā ar mums dārgajiem - Barnabu un Pāvilu.
25dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo hiaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay,
26Cilvēkiem, kas savas dzīvības devuši par mūsu Kunga Jēzus Kristus vārdu.
26lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.
27Mēs nosūtījām Jūdu un Saulu, kas jums to pašu vārdiem pasacīs.
27Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy.
28Jo Svētajam Garam un mums paticis neuzlikt jums nekādu citu nastu, kā vien šo nepieciešamo:
28Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
29Lai jūs sargātos no elku upuriem un asinīm, un nožņaugtā, un netiklības. No tā sargādamies, jūs labi darīsiet. Palieciet veseli!
29dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.
30Tad tie tika atlaisti, un viņi nonāca Antiohijā. Draudzi sapulcinājuši, tie atdeva vēstuli.
30Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily.
31Kad tie to izlasīja, viņi priecājās par šo mierinājumu.
31Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.
32Bet Jūda un Sīla, paši pravieši būdami, daudz vārdiem pamācīja un stiprināja brāļus.
32Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka nampahery azy.
33Kad viņi kādu laiku tur bija palikuši, brāļi tos atlaida mierā pie tiem, kas viņus bija sūtījuši.
33Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehanin'ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin'izay naniraka azy.
34Tomēr Sīla nolēma palikt tur, bet Jūda aizgāja viens uz Jeruzalemi.
34[ Ampio hoe: 34 Nefa mbola sitrak'i Silasy ny hitoetra ao]
35Pāvils un Barnaba uzturējās Antiohijā un kopā ar daudz citiem mācīja un sludināja Kunga vārdu.
35Ary Paoly sy Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin'ny Tompo izy roa lahy mbamin'ny maro koa.
36Pēc dažām dienām Pāvils sacīja Barnabam: Atgriezīsimies un apmeklēsim brāļus visās pilsētās, kur sludinājām Kunga vārdu, kā viņiem klājās.
36[Ny niaingan'i Paoly fanindroany hitety vohitra tany Asia Minora] Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin'i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin'ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin'ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.
37Barnaba gribēja ņemt līdz arī Jāni, kas saucās Marks.
37Ary tian'i Barnabasy ny hitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
38Bet Pāvils lūdza viņu, ka nevajag ņemt, jo tas Pamfilijā nošķīrās no viņiem un negāja līdzi darbā.
38Nefa nataon'i Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin'ny raharaha.
39Tad radās nesaskaņas, tā ka viņi šķīrās viens no otra: un Barnaba, paņēmis līdz Marku, pārcēlās uz Kipru.
39Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an'i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy.
40Bet Pāvils, izvēlējies sev Sīlu, devās ceļā, un brāļi to novēlēja Dieva žēlastībai.
40Fa Paoly kosa nifidy an'i Silasy, dia niainga, rehefa natolotry ny rahalahy ho amin'ny fahasoavan'ny Tompo izy.Dia nandeha namaky an'i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.
41Viņš pārstaigāja Sīriju un Kilikiju, stiprinādams draudzes un pavēlēdams izpildīt visas apustuļu un vecāko pavēles.
41Dia nandeha namaky an'i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.