1Tad viņš nonāca Derbē un Listrā. Lūk, un tur bija kāds māceklis, vārdā Timotejs, ticīgas jūdu sievietes dēls, bet tēvs bija pagāns.
1Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty - zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy - [ Gr. Grika]
2Brāļi, kas bija Listrā un Ikonijā, liecināja par viņu labu.
2ary tsara laza teo amin'ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
3Pāvils vēlējās, lai tas viņam ietu līdz, un, paņēmis, apgraizīja to jūdu dēļ, jo visi zināja, ka viņa tēvs ir pagāns.
3Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa rainy. [ Gr. Grika]
4Pārstaigādami pilsētas, viņi nodeva pildīšanai noteikumus, ko apustuļi un vecākie Jeruzalemē bija lēmuši.
4Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema. [Gr.presbytera]
5Un tā draudzes tika stiprinātas ticībā un ik dienas pavairojās skaitā.
5Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro.
6Bet kad viņi gāja caur Frīģiju un Galatijas apvidu, Svētais Gars aizliedza viņiem sludināt Dieva vārdu Āzijā.
6[Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Paoly hankany Makedonia, sy ny nataon'i Paoly tao Filipy] Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
7Nonākuši Mīzijā, viņi mēģināja iet uz Bitīniju, bet Jēzus Gars viņiem to neļāva.
7ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy.
8Tad viņi, pagājuši garām Mīzijai, nonāca Troadā.
8Ary rehefa nandalo an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
9Un naktī Pāvils redzēja parādību: kāds vīrietis, maķedonietis, stāvēja un lūdza viņu, sacīdams: Nāc uz Maķedoniju un palīdzi mums!
9Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
10Bet kad viņš parādību bija redzējis, mēs tūdaļ taisījāmies iet uz Maķedoniju, būdami pārliecināti, ka Dievs mūs sauc sludināt viņiem evaņģēliju.
10Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any.
11No Troadas aizbraukuši, mēs tiešā ceļā nonācām Samotrākē un nākošajā dienā Neapolē,
11Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
12Un to turienes Filipos, kas ir pirmā vienas Maķedonijas daļas pilsēta un kolonija. Šinī pilsētā mēs pavadījām dažas dienas pārrunās.
12Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay. [ Gr. kolonia]
13Tad sabata dienā mēs izgājām ārpus vārtiem pie upes, kur, šķiet, notika lūgšana; un apsēdušies mēs runājām ar sievietēm, kas tur bija sapulcējušās.
13Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo.
14Klausījās arī kāda sieviete, vārdā Līdija, kas godināja Dievu un bija purpura pārdevēja Tiatiras pilsētā. Kungs atvēra viņas sirdi, lai ievērotu to, ko runāja Pāvils.
14Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly.
15Kad viņa un viņas nams bija kristīti, tā mūs lūdza, sacīdama: Ja jūs domājat, ka es esmu Kungam uzticīga, nāciet manā namā un palieciet! Un viņa mūs ļoti lūdza.
15Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
16Bet notika, ka, mums uz lūgšanu ejot, sastapa mūs kāda meitenei, kurai bija gaišreģes gars, un pareģodama tā deva saviem kungiem lielu peļņu.
16Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be.
17Viņa sekoja Pāvilam un mums un sauca, sacīdama: Šie cilvēki ir Visaugstā Dieva kalpi, kas sludina jums pestīšanas ceļu.
17Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
18To viņa darīja daudzās dienās. Tad Pāvils saskaities pagriezās apakaļ un sacīja garam: Jēzus Kristus vārdā es tev pavēlu iziet no viņas. Un tas izgāja tanī pat stundā.
18Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.
19Bet tās kungi, redzēdami, ka zudusi viņu peļņas cerība, satvēra Pāvilu un Sīlu un veda tos tirgus laukumā pie priekšniekiem.
19Ary nony hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an'i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin'ny lehibe;
20Un tie sacīja, nododami viņus pilsētas pārvaldniekiem: Šie cilvēki, jūdi būdami, uztrauc mūsu pilsētu.
20ary rehefa nentiny tany amin'ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
21Un viņi sludina ieražas, ko mums, romiešiem, nepieklājas ne pieņemt, ne pildīt.
21ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
22Un arī tauta sacēlās pret viņiem, un pilsētas pārvaldnieki, tiem drēbes noplēsuši, lika tos rīkstēm šaustīt.
22Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy.
23Un kad tie viņiem daudz sitienu bija devuši, tie iemeta viņus cietumā un pavēlēja sargiem, lai stingri tos apsargā.
23Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
24Tādu pavēli saņēmis, viņš tos ieslodzīja iekšējā cietumā, bet kājas ieslēdza siekstā.
24Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.
25Bet pusnaktī Pāvils un Sīls lūdza un godināja Dievu; un apcietinātie klausījās viņos.
25Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
26Piepeši notika liela zemestrīce, tā ka cietuma pamati sakustējās; un tūdaļ visas durvis atvērās, un visu važas atraisījās.
26Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra.
27Bet cietuma sargs, uzmodies un redzēdams, ka cietuma durvis atvērtas, izvilka zobenu un gribēja sevi nonāvēt, domādams, ka ieslodzītie aizbēguši.
27Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
28Tad Pāvils sauca stiprā balsī, sacīdams: Nedari sev nekā ļauna, jo mēs visi šeit esam.
28Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
29Paprasījis ugunu, viņš iegāja iekšā un trīcēdams krita Pāvilam un Sīlam pie kājām.
29Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy.
30Un viņš, izvedis tos ārā, sacīja: Kungi, kas man jādara, lai es kļūtu pestīts?
30Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
31Bet viņi atbildēja: Tici uz Kungu Jēzu, tad tu un tavs nams tiks pestīti.
31Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
32Un tie runāja Kunga vārdu viņam un visiem, kas bija viņa namā.
32Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony.
33Un tanī pat nakts stundā viņš ņēma tos un mazgāja viņu brūces; un tūdaļ viņš un viss tā nams tika kristīti.
33Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra.
34Un viņš atveda tos savā mājā, sēdināja pie galda un priecājās kopā ar visu savu namu, ticēdams Dievam.
34Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra.
35Un kad uzausa diena, pilsētas pārvaldnieki sūtīja tiesas kalpotājus, lai atbrīvo šos cilvēkus.
35Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
36Tad cietuma sargs paziņoja Pāvilam šos vārdus: Pilsētas pārvaldnieki sūtīja, lai jūs atbrīvotu. Tad tagad izejiet un staigājiet mierā!
36Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
37Bet Pāvils tiem sacīja: Tie mūs, romiešus, nenotiesātus, publiski šaustīja un ieslodzīja cietumā, bet tagad slepeni mūs izmet. Tā ne, bet lai nāk
37Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin'ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
38Un paši mūs izved! Tad tiesas kalpotāji paziņoja šos vārdus pilsētas pārvaldniekiem. Un tie nobijās, dzirdēdami, ka viņi romieši.
38Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin'ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
39Un tie atnāca, atvainojās viņu priekšā un izveduši lūdza aiziet no pilsētas.
39Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
40Tad viņi, izgājuši no cietuma, aizgāja pie Līdijas un, apmeklējuši un iepriecinājuši brāļus, devās ceļā.
40Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.