Latvian: New Testament

Malagasy

Acts

17

1Izgājuši cauri Amfipolei un Apollonijai, viņi nonāca Tesalonīkē, kur bija jūdu sinagoga.
1[Ny nankanesan'i Paoly sy Silasy tany Tesalonika sy Beria] Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao.
2Pēc savas ieražas Pāvils iegāja pie viņiem un trīs sabatus skaidroja tiem Rakstus,
2Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao.
3Atklādams un izskaidrodams tiem, ka Kristum vajadzēja ciest un augšāmcelties no miroņiem; un ka tas ir Jēzus Kristus, ko es jums sludinu.
3Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.
4Un daži no tiem ticēja un piebiedrojās Pāvilam un Sīlam un arī liels daudzums dievbijīgo un pagānu, kā arī ne mazums dižciltīgo sieviešu.
4Ary ny sasany tamin'ireo dia nino ka nanampy ho isan'ny mpianatr'i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin'ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy nanan-kaja. [ Gr. Grika]
5Tad jūdi, būdami skaudīgi, paņēma no pūļa dažus ļaunus vīrus, sagāja barā, uztrauca pilsētu un, apstājuši Jazona namu, meklēja viņus, lai vestu tautas priekšā.
5Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon'i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin'ny olona.
6Un tie, viņus neatraduši, vilka Jazonu un dažus brāļus pie pilsētas priekšniekiem, kliegdami, ka tie, kas uztrauc pilsētu, arī šurp atnākuši;
6Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an'i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin'ny lehiben'ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;
7Tos uzņēmis Jazons, un tie visi rīkojas pret ķeizara pavēlēm, sacīdami, ka ir cits ķēniņš - Jēzus.
7ary efa nampandrosoin'i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin'i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.
8Tā viņi kūdīja tautu un pilsētas priekšniekus, kas to dzirdēja.
8Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben'ny tanàna, raha nahare izany.
9Bet viņi, saņēmuši no Jazona un pārējiem galvojumu, tos atlaida.
9Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy.
10Bet brāļi tādēļ naktī aizsūtīja Pāvilu un Sīlu uz Beroju. Tur nonākuši, viņi iegāja jūdu sinagogā.
10Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.
11Šie bija cildenāki nekā tesalonīķieši. Viņi visai labprātīgi uzņēma vārdu, pētīdami ik dienas Rakstus, vai tas tā ir.
11Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia.
12Un daudzi no viņiem, kā arī ne mazums cienītu pagānu, kļuva ticīgi.
12Koa maro tamin'ireo no nino, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy jentilisa nanan-kaja sy ny lehilahy. [Gr. Grika]
13Kad Tesalonīkes jūdi uzzināja, ka Pāvils Berojā sludina Dieva vārdu, tie nāca arī uz turieni, uzbudinādami un uztraukdami ļaudis.
13Fa raha ren'ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin'Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.
14Tad brāļi tūdaļ sūtīja Pāvilu, lai viņš iet līdz jūrai, bet Sīla un Timotejs palika tur.
14Ary niaraka tamin'izay dia nasain'ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany.
15Bet tie, kas pavadīja Pāvilu, aizveda viņu līdz Atēnām un aizgāja, saņēmuši no viņa pavēli Sīlam un Timotejam, lai tie drīz nāktu pie viņa.
15Ary izay nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin'i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan'izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.
16Kamēr Pāvils Atēnās tos gaidīja, tā gars viņā iedegās, redzēdams elkdievībai atdotu pilsētu.
16[Ny nataon'i Paoly tany Atena] Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy.
17Un viņš sarunājās ar jūdiem un Dieva atzinējiem sinagogā, bet ik dienas tirgus laukumā ar tiem, kas bija klāt.
17Ary izy niady hevitra tamin'ny Jiosy sy ny proselyta tao amin'ny synagoga sy tamin'izay tafavory tany an-tsena isan'andro.
18Tad daži epikūriešu un stoiķu filozofi strīdējās ar viņu; bet daži sacīja: Ko šis pļāpa grib teikt? Bet citi: Šķiet, viņš ir jaunu dievu sludinātājs, jo viņš tiem sludināja Jēzu un augšāmcelšanos.
18Ary ny olon-kendry sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian'io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny. [ Gr. mpitsindroka]
19Un tie, saņēmuši viņu, veda uz areopagu, sacīdami: Mēs taču varam dabūt zināt, kas tā par jaunu mācību, ko tu sludini?
19Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?
20Jo tu sniedz mūsu ausīm kaut ko jaunu. Tāpēc mēs gribam zināt, kas tas ir.
20Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr'izany zavatra izany.
21Jo visiem atēniešiem un atnācējiem, svešiniekiem, nekas cits nerūpēja, kā vienīgi kaut ko jaunu runāt vai klausīties.
21(Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.)
22Tad Pāvils, stāvēdams areopaga vidū, sacīja: Atēnieši, es redzu jūs visās lietās pārāk reliģiozus!
22Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo.
23Jo es, apstaigādams un aplūkodams jūsu dievekļus, atradu arī altāri, uz kura bija rakstīts: "Nepazīstamajam Dievam". Ko jūs nepazīdami godinājat, to es jums sludinu.
23Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
24Dievs, kas radījis pasauli un visu, kas tanī ir, būdams debess un zemes Kungs, nemājo rokām celtos tempļos,
24dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana,
25Un Viņu neapkalpo cilvēku rokas, it kā Viņam kā vajadzētu; Viņš pats dod visiem dzīvību un elpu, un visu.
25sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra;
26Viņš padarīja to, ka no viena visu cilvēku cilts apdzīvotu visu zemes virsu, nosprauzdams noteiktus laikus un robežas to dzīvošanai.
26ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany,
27Lai tie meklētu Dievu vai tie varētu Viņu nojaust un atrast, lai gan Viņš nav tālu no mums katra:
27mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
28Jo Viņā mēs dzīvojam un kustamies, un esam, kā arī daži jūsu dzejnieki sacījuši: Mēs arī esam Viņa cilts.
28fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
29Tāpēc mums, kas esam Dieva cilts, nevajag domāt, ka dievība līdzīga zeltam vai akmenim, vai cilvēka mākslas skulptūrai un izdomājumam.
29Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona.
30Bet Dievs, skatīdamies pār šiem nezināšanas laikiem, tagad pasludina cilvēkiem, lai visi un visur gandara par grēkiem,
30Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,
31Jo Viņš nolicis dienu, kurā taisnīgi tiesās pasauli caur Vīru, ko Viņš izredzējis un visiem to ticamu padarījis, uzmodinādams Viņu no miroņiem.
31satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.
32Dzirdēdami par mirušo augšāmcelšanos, daži zobojās, bet daži sacīja: Par to mēs tevi klausīsimies citu reizi.
32Ary raha nahare ny amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany.
33Tā Pāvils aizgāja no viņu vidus.
33Ary Paoly dia niala teo aminy.Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.
34Bet daži vīrieši piebiedrojās viņam un kļuva ticīgi, starp tiem Dionīzijs, areopaga loceklis, un sieviete, vārdā Damara, un citi līdz ar viņiem.
34Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.