1Pēc tam viņš, aizgājis no Atēnām, nonāca Korintā.
1[Ny nahatongavan'i Paoly tao Korinto, sy ny nampianarany tao herintoana sy enim-bolana] Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto.
2Un viņš atrada kādu jūdu, vārdā Akvilu, kas cēlies no Pontas. Tas ar savu sievu Priskillu nupat kā bija atnācis no Itālijas (jo Klaudijs bija pavēlējis visiem jūdiem atstāt Romu). Tiem viņš piebiedrojās.
2Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin'izy mivady Paoly.
3Un tā kā viņam bija tas pats amats, viņš palika pie tiem un strādāja. (Viņiem bija telšu taisītāju amats.)
3Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany.
4Un viņš katru sabatu mācīja sinagogā un, runādams par Kunga Jēzus vārdu, pārliecināja jūdus un grieķus.
4Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa.
5Bet kad Sīls un Timotejs atnāca no Maķedonijas, Pāvils vēl centīgāk sludināja jūdiem, ka Jēzus ir Kristus.
5Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
6Bet kad tie runāja pretim un zaimoja, viņš, izkratījis savas drēbes, sacīja tiem: Jūsu asinis lai nāk pār jūsu galvām. No šī brīža es iešu pie pagāniem.
6Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho.
7Un viņš, no turienes aizgājis, nonāca kāda dievbijīga vīra namā, kam vārds bija Tits Justs. Tā nams bija savienots ar sinagogu.
7Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga.
8Bet Krisps, sinagogas priekšnieks, un viss viņa nams ticēja uz Kungu, un daudzi korintieši, dzirdēdami, kļuva ticīgi un kristījās.
8Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.
9Tad naktī Kungs parādībā sacīja Pāvilam: Nebīsties, bet runā un neklusē,
9Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina;
10Jo es esmu ar tevi, un neviens tevi neaiztiks, lai darītu tev ļaunu, jo man ir daudz ļaužu šinī pilsētā.
10fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho.
11Tad viņš tur palika gadu un sešus mēnešus, tiem mācīdams Dieva vārdu.
11Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo aminy.
12Bet kad Gallions bija prokonsuls Ahajā, jūdi vienprātīgi sacēlās pret Pāvilu un veda viņu tiesā,
12Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an'i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin'ny fitsarana,
13Sacīdami: Šis pierunā ļaudis kalpot Dievam pret likumu.
13ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin'Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna.
14Kad Pāvils sāka atvērt muti, Gallions sacīja jūdiem: Jūdu vīri, ja tas būtu kāds netaisns vai ļauns noziegums, es jūs, kā pienākas, uzklausītu,
14Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin'ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo.aho;
15Bet ja strīdi ir par mācību, vārdiem un jūsu bauslību, tad lūkojiet paši; es negribu tanīs būt tiesnesis.
15fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany.
16Un viņš tos noraidīja no tribunāla.
16Ary nandroaka azy hiala teo anoloan'ny fitsarana izy.
17Tad visi, notvēruši sinagogas priekšnieku Sostenu, sita to tribunāla priekšā, bet Gallions neraizējās par viņiem.
17Ary izy rehetra nisambotra an'i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan'ny fitsarana. Nefa tsy nahoan'i Galio izany zavatra izany.
18Bet Pāvils uzturējās tur vēl daudz dienas un, atvadījies no brāļiem, pārcēlās uz Sīriju, bet kopā ar viņu Priskilla un Akvila, kas Kenhrejā apcirpa savu galvu, jo tāds bija viņa solījums.
18[Ny niverenan'i Paoly nankany Antiokia, sy ny nandehanany indray namaky an'i Galatia sy Frygia, ary ny nahatongavany tao Efesosy sy ny nampianarany tao] Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy.
19Viņš nonāca Efezā un atstāja tos tur, bet pats, iegājis sinagogā, sarunājās ar jūdiem.
19Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitra tamin'ny Jiosy.
20Tie lūdza viņu palikt ilgāku laiku, bet viņš.nepiekrita,
20Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy,
21Bet atvadīdamies viņš teica: Ja tāds būs Dieva prāts, es atkal atgriezīšos pie jums. Tad viņš aizgāja no Efezas.
21fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha sitrapon'Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.
22Un viņš, nonācis Cēzarejā, aizgāja un apsveica draudzi, un devās uz Antiohiju.
22Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia.
23Un kādu laiku tur palicis, viņš aizgāja; pārstaigādams pēc kārtas Galatijas apgabalu un Frīģiju, viņš stiprināja visus mācekļus.
23Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.
24Bet Efezā nonāca kāds jūds, vārdā Apolls, dzimis aleksandrietis, labs Rakstu pazinējs un daiļrunīgs.
24Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin'ny Soratra Masina.
25Viņš bija mācīts Kunga ceļā un dedzīgs garā, runāja un cītīgi mācīja to, kas attiecas uz Jēzu, pats pazīdams tikai Jāņa kristību.
25Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan'ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany.
26Viņš droši sāka sludināt sinagogā. To dzirdējuši, Priskilla un Akvila paņēma viņu pie sevis un vēl rūpīgāk paskaidroja viņam Kunga ceļu.
26Ary izy niteny tamin'ny fahasahiana teo amin'ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin'ny lalan'Andriamanitra.
27Kad viņš gribēja iet uz Ahaju, brāļi viņu pamācīja un rakstīja mācekļiem, lai viņu uzņem. Tur nonācis, viņš kļuva noderīgs tiem, kas ticēja;
27Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.
28Jo viņš atklāti un stipri atspēkoja jūdus, pierādīdams ar Rakstiem, ka Jēzus ir Kristus.
28fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.