1Agripa sacīja Pāvilam: Tev atļauts runāt par sevi. Tad Pāvils izstiepa roku un iesāka aizstāvēšanos.
1Ary hoy Agripa tamin'i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe:
2Es jūtos laimīgs, ķēniņ Agripa, ka es šodien varu aizstāvēties tavā priekšā pret visu, par ko jūdi mani apsūdz.
2Ny amin'ny zavatra rehetra iampangan'ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio,
3Jo vairāk tāpēc, ka tu zini visas jūdu paražas un strīdus jautājumus; tāpēc es tevi lūdzu pacietīgi mani uzkausīt.
3indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin'ny Jiosy; koa trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy.
4Manu dzīvi no pat jaunības, kāda tā bijusi no sākuma manas tautas vidū Jeruzalemē, zina visi jūdi.
4Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondran-tenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin'ny fireneko tany Jerosalema hatramin'ny voalohany;
5Viņi pazīst mani no sākuma (ja tie gribētu liecināt), ka es esmu dzīvojis pēc mūsu reliģijas visstingrākā novirziena, būdams farizejs.
5eny, fantany hatramin'ny voalohany aho (raha mety milaza izy), fa efa Fariseo aho araka ny antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin'ny fivavahantsika.
6Un tagad es stāvu tiesas priekšā par cerību uz apsolījumu, ko Dievs devis mūsu tēviem;
6Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon'Andriamanitra tamin'ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto,
7To mūsu divpadsmit ciltis, dienām un naktīm kalpodamas, cer sasniegt. Šīs cerības dēļ, ķēniņ, jūdi mani apsūdz.
7dia ilay fanantenana andrasan'ny firenentsika roa ambin'ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra andro aman'alina. Izany fanantenana izany no iampangan'ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.
8Kāpēc jums šķiet neticami, ka Dievs uzmodina mirušos?
8Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty?
9Arī es domāju, ka man vajag Nācarieša Jēzus vārdam daudz pretoties.
9Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran'i Jesosy avy any Nazareta,
10To es arī darīju Jeruzalemē. Saņēmis pilnvaras no augstajiem priesteriem, es daudzus no svētajiem ieslēdzu cietumos un viņu nonāvēšanai devu savu piekrišanu.
10sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
11Visās sinagogās, daudzkārt tos sodīdams, es piespiedu zaimot un, pārāk pret tiem trakodams, vajāju tos pat svešās pilsētās.
11Ary nampijaly azy matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza. [ Gr. hanao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
12Ar augsto priesteru pilnvaru un atļauju iedams šinī nolūkā uz Damasku,
12Ary tamin'izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny lohan'ny mpisorona,
13Ceļā dienas vidū, ķēniņ, es redzēju gaismu no debesīm, kas bija spožāka par sauli, apspīdam mani un tos, kas bija kopā ar mani.
13koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
14Kad mēs visi nokritām zemē, es dzrdēju balsi ebreju valodā man sakām: Saul, Saul, kāpēc tu mani vajā? Grūti tev spert dzenulim pretim.
14Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.
15Tad es sacīju: Kungs, kas Tu esi? Kungs teica: Es esmu Jēzus, ko tu vajā.
15Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao.
16Bet celies un nostājies uz savām kājām, jo es tāpēc tev parādījos, lai ieceltu tevi par kalpu un liecinieku tam, ko es tev atklāšu,
16Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao, [Na: (izay efa hitanao)]
17Izraudzīdamies tevi no tautas un pagāniem, pie kuriem es tevi tagad sūtu
17hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,
18Atvērt viņu acis, lai tie no tumsas atgrieztos gaismā un no sātana varas pie Dieva, lai tie ticībā uz mani saņemtu grēku piedošanu un mantojumu svēto pulkā.
18hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.
19Tāpēc, ķēniņ Agripa, es šai debesu parādībai nebiju nepaklausīgs,
19Ary amin'izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho;
20Bet es sludināju vispirms tiem, kas Damaskā un Jeruzalemē, un visā jūdu zemē, kā arī pagāniem, lai nožēlo grēkus un atgriežas pie Dieva, un dara darbus, kas ir grēku nožēlas cienīgi.
20fa nambarako voalohany tamin'izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin'ny tany Jodia rehetra ary tany amin'ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana.
21Šī iemesla dēļ, kad biju svētnīcā, jūdi mani sagrāba un mēģināja nonāvēt.
21Ary izany no nisamboran'ny Jiosy ahy teo an-kianjan'ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
22Bet Dieva palīdzības sargāts, es stāvu līdz šai dienai kā liecinieks maziem un lieliem, neko citu nesacīdams, kā vien to, ko pravieši un Mozus runājuši par to, kas notiks.
22Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy,
23Ka Kristum jācieš, ka Viņš pirmais no miroņiem augšāmcelsies, lai sludinātu gaismu savai tautai un pagāniem.
23fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.
24Kad viņš tā runāja un aizstāvējās, Fēsts sacīja skaļā balsī: Neprātīgais Pāvil, daudzās mācības noved tevi līdz ārprātam!
24Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin'ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao.
25Tad Pāvils sacīja: Viscienīgākais Fēst, es neesmu ārprātīgs, bet es runāju patiesus un pādomātus vārdus,
25Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin'ny fahamarinana sy ny fahononana.
26Jo to visu zina arī ķēniņš, uz kuru es vaļsirdīgi runāju. Es domāju, ka nekas no tā viņam nav apslēpts, jo tas nav noticis kādā nebūt kaktā.
26Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin'ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin'ny takona izany.
27Ķēniņ Agripa, vai tu tici pravoešiem? Es zinu, ka tu tici.
27Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.
28Tad Agripa sacīja Pāvilam: Tu gandrīz mani pārliecini kļūt par kristīgo.
28Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.
29Un Pāvils sacīja: Lai Dievs dod, ka ne tikai gandrīz, bet pilnīgi nevien tu, bet arī visi, kas dzird, šodien kļūtu tādi, kāds es esmu, tikai bez šīm važām.
29Ary hoy Paoly: Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin'ireto gadra ireto ihany.
30Tad piecēlās ķēniņš un zemes pārvaldnieks, un Berenīke, un tie, kas kopā ar viņiem sēdēja.
30Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin'izay niara-nipetraka teo aminy;
31Aizgājuši tie sarunājās savā starpā, sacīdami: Šis cilvēks neko tādu nav darījis, ar ko būtu pelnījis nāvi vai važas.
31ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany.Ary hoy Agripa tamin'i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara izy.
32Bet Agripa sacīja Fēstam: Šo cilvēku varētu atbrīvot, ja viņš nebūtu pārsūdzējis ķeizaram.
32Ary hoy Agripa tamin'i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara izy.