Latvian: New Testament

Malagasy

Acts

27

1Kad bija nolemts, ka Pāvilam jāpārceļas uz Itāliju, viņu kopā ar citiem cietumniekiem nodeva ķeizara karaspēka vienības simtniekam, vārdā Jūlijam.
1[Ny nitondrana an'i Paoly nankany Roma, sy ny zavatra nanjo azy teny an-dalana] Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin'ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin'ny antokon'i Aogosto.
2Iekāpuši kādā Andrumetijas kuģī, mēs aizbraucām, sākdami ceļojumu gar Āzijas piekrasti. Maķedonietis Aristarhs no Tesalonīkes bija pie mums.
2Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin'i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.
3Nākošajā dienā mēs nonācām Sidonā. Jūlijs apgājās ar Pāvilu cilvēcīgi un atļāva aiziet pie draugiem, lai tie viņu apgādātu.
3Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran'i Jolio an'i Paoly, fa navelany hankany amin'ny sakaizany izay hiahy azy izy.
4No turienes aizbraukuši, mēs braucām lejpus Kiprai, jo bija pretvējš.
4Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an'i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.
5Pārbraukuši jūru gar Kilikiju un Pamfīliju, mēs nonācām Listrā, kas atrodas Likijā.
5Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.
6Tur simtnieks, atradis kādu kuģi no Aleksandrijas, kas brauca uz Itāliju, pārvietoja mūs tanī.
6Ary tao no nahitan'ny kapiteny sambon'Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay.
7Daudzas dienas lēni braukdami, mēs tikko nonācām iepretim Knidai, tāpēc ka vējš mums traucēja, un braucām gar Krētu netālu no Salmones.
7Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin'i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin'i Salmona izahay;
8Ar grūtībām, garām braukdami, mēs nonācām kādā vieta, ko sauc par Labo ostu. Tās tuvumā atradās Talasas pilsēta.
8ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin'ny tany anankiray atao hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin'izany ny tanàna Lasea.
9Bet bija pagājis ilgs laiks, un kuģošana vairs nebija droša, jo arī gavēnis jau bija pagājis, un Pāvils brīdinājā tos,
9Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana, dia nananatra azy Paoly [ Ny Andro Fanavotana izany]
10Sacīdams viņiem: Vīri, es redzu, ka kuģošana sāk izvērsties briesmās un lielā postā ne tikai kravai un kuģim, bet arī mūsu dzīvībām.
10ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin'ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.
11Bet virsnieks vairāk ticēja stūrmanim un kuģa īpašniekam nekā tam, ko sacīja Pāvils.
11Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain'i Paoly.
12Tā kā osta nebija piemērota pārziemošanai, daudzi nāca pie atziņas aizbraukt no turienes un, ja iespējams, nokļūt Foinīkā, lai tur pārziemotu. Tā ir Krētas osta, kas atvērta pret dienvidvakariem un ziemeļvakariem.
12Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin'ny ririnina, dia nataon'ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana. [Na: mianavaratra-atsinanana sy mianatsimo-atsinanana]
13Dienvidu vējam pūšot, viņi domāja sasniegt savu nodomu, un pacēluši enkurus, brauca gar Krētu.
13Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin'i Kreta.
14Bet neilgi pēc tam sacēlās pret to viesuļvētra, ko sauc par ziemeļrīteni.
14Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.
15Kuģis tika aizrauts, un tas nespēja pretoties vējam. Nododot kuģi vētras varā, mēs tikām aiznesti.
15Ary raha nopaohin'ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny izy.
16Mēs braucām gar kādu salu, kas saucās Kauda, un mēs tikko spējām valdīt laivu.
16Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy; [ Na: (Klaoda)]
17To izvilkuši, viņi pielietoja glābšanas līdzekļus un apsēja kuģi. Bīdamies nokļūt Sirtē, viņi nolaida buras un ļāvās nest.
17ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin'ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo. [ Gr. Syrtisy]
18Kad mūs vētra ļoti svaidīja, otrā dienā viņi nometa daļu kravas.
18Ary raha nasian'ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso;
19Bet trešajā dienā viņi savām rokām izmeta kuģa rīkus.
19ary nony ampitso'io indray dia narian'ny tànany ihany ny fanaka teo amin'ny sambo;
20Kad vairākas dienas nebija redzama ne saule, ne zvaigznes un trakoja liela vētra, mums zuda katra cerība izglābties.
20fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.
21Tā kā viņi ilgi nebija ēduši, Pāvils nostājās viņu vidū un sacīja: Vīri, jums vajadzēja mani paklausīt un neatstāt Krētu. Tad jūs izsargātos no šīm grūtībām un zaudējumiem.
21Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.
22Tagad es jums atgādinu: nezaudējiet drosmi, jo neviens no jums bojā neies, tikai kuģis.
22Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very.
23Jo šinī naktī man piestājās Dieva eņģelis, kam es piederu un kam kalpoju,
23Fa nisy anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina
24Sacīdams: Nebīsties, Pāvil, tev jāstājas ķeizara priekšā un, lūk, Dievs tev dāvājis visus, kas kopā ar tevi brauc.
24ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen'Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.
25Tāpēc, vīri, nezaudējiet drosmi, jo es ticu Dievam, ka tā notiks, kā man tika sacīts.
25Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.
26Bet mums jānokļūst kādā salā.
26Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin'ny nosy anankiray isika.
27Bet pēc tam iestājās četrpadsmitā nakts, un mēs ap pusnakti braucām pa Adrijas jūru. Tad jūrnieki nojauta, ka tuvojamies zemei.
27Ary tamin'ny alina fahefatra ambin'ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon'ny matilo fa efa manakaiky tany izy;
28Nolaiduši lodi, tie atrada divdesmit asis, bet nedaudz tālāk tie izmērīja piecpadsmit.
28dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin'ny folo refy.
29Baidīdamies uzskriet klintīm, tie kuģa pakaļgalā izmeta četrus enkurus un gaidīja dienu austam.
29Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin'ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina.
30Bet jūrnieki, nolaižot laivu jūrā, mēģināja aizbēgt no kuģa, izlikdamies, it kā viņi gribētu priekšgalā nolaist enkurus.
30Fa raha nitady handositra hiala tamin'ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin'ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,
31Tad Pāvils sacīja virsniekiem un kareivjiem: Ja šie kuģī nepaliek, jūs nevarat tikt izglābti.
31dia hoy Paoly tamin'ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo.
32Tad kareivji pārcirta laivas virves un ļāva tai nokrist.
32Dia notapahin'ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin'ny salopy, ka navelany ho latsaka.
33Gaismai austot, Pāvils lūdza visus pieņemt barību, sacīdams: Šodien ir četrpadsmitā diena, kamēr jūs, nekā neēduši, gaidāt un neko neesat baudījušī.
33Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin'ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin'ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.
34Tāpēc es jūs lūdzu pieņemt barību jūsu veselības dēļ, jo nevienam no jums ne mats no galvas nezudīs.
34Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan'ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.
35To pateicis, viņš paņēma maizi, visu priekšā pateicās Dievam un, to pārlauzis, sāka ēst.
35Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an'Andriamanitra teo anatrehan'ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.
36Tad visi kļuva drošāki un sāka ēst.
36Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.
37Pavisam kuģī mēs bijām divsimt septiņdesmit sešas dvēseles.
37Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.
38Paēduši līdz sātam, viņi izmeta kviešus jūrā, lai atvieglotu kuģi.
38Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina mba hanamaivana ny sambo. [Na: ny vary tritika]
39Kad iestājās diena, viņi zemi nepazina, bet saskatīja kādu līci ar lēzenu krastu. Tanī viņi domāja, ja tas iespējams, izmest kuģi.
39Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.
40Atbrīvojuši enkurus, viņi ļāvās jūrai. Tad tie, atraisījuši stūres un pacēluši priekšējās buras pa vējam, stūrēja uz krastu.
40Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin'ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon'ny rivotra ka nanatona ny tany.
41Mēs nokļuvām joslā starp jūras ietekām, un viņi tur uzvadīja kuģi. Tā priekšgals palika nekustīgs, bet pakaļgalu jūras viļņi sadauzīja.
41Ary raha tonga tamin'izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin'ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon'ny herin'ny onja.
42Tad kareivjiem radās nodoms apcietinātos nonāvēt, lai kāds neaizpeldētu un neizbēgtu.
42Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.
43Bet virsnieks, gribēdams glābt Pāvilu, neļāva tam notikt. Viņš pavēlēja tiem, kas prata peldēt, pirmajiem mesties ārā un, zemi sasniedzot, glābties.
43Fa ny kapiteny ta-hamonjy an'i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin'ny tany,ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
44Pārējos viņi novietoja: citus uz dēļiem, citus uz kuģa atliekām. Un tā notika, ka visi ļaudis nokļuva uz sauzemes.
44ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin'ny hazo fisaka, na amin'ny zavatra avy amin'ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.