1Sekojiet Dievam kā mīļi bērni!
1Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;
2Un dzīvojiet mīlestībā, kā arī Kristus mūs mīlējis un mūsu dēļ sevi atdevis Dievam par dāvanu un upuri jaukai smaržai.
2ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. [ Gr. fanatitra alatsa-drà]
3Bet netiklība un visāda veida nekrietnība vai mantkārība lai pat netiek pieminētas starp jums, kā tas pieklājas svētajiem!
3Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,
4Arī bezkaunība, muļķīgas un tukšas runas, kas nepiedienas, bet vairāk pateicības.
4na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
5Jo tas jums jāzina un jāsaprot, ka nevienam izvirtulim vai nešķīstam, vai mantrausim, jo tā ir kalpošana elkiem, nav mantojuma Kristus un Dieva valstībā.
5Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).
6Neviens lai jūs nepieviļ tukšiem vārdiem, jo to dēļ Dieva dusmas nāk pār netaisnības bērniem.
6Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana.
7Nekļūstiet par viņu līdzdalībniekiem!
7Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
8Jo reiz jūs bijāt tumsa, bet tagad gaisma Kungā. Dzīvojiet kā gaismas bērni!
8Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
9Gaismas augļi ir labums un taisnība, un patiesība.
9(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
10Pārbaudiet, kas Dievam patīk!
10mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo.
11Nepiedalieties neauglīgajos tumsības darbos, bet labāk nopeliet tos!
11Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
12Jo ko viņi slepenībā dara, par to pat kauns runāt.
12Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
13Visu, kas peļams, gaisma atklās, bet viss, kas gaismā celts, ir gaisma.
13Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.
14Tāpēc tiek sacīts: Uzmosties, kas guli un celies augšām no miroņiem, un Kristus tevi apgaismos.
14Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.
15Tāpēc, brāļi, pielūkojiet, ka jūs apdomīgi dzīvotu, - nevis kā negudri,
15Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
16Bet kā gudri! Izmantojiet laiku, jo šīs dienas ir ļaunas!
16ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
17Nekļūstiet neprātīgi, bet izprotiet Dieva gribu!
17Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.
18Neapreibinieties ar vīnu, jo tanī slēpjas izvirtība, bet pildiet sevi ar Svēto Garu!
18Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
19Dziedādami un gavilēdami skandiniet savās sirdīs Kungam psalmus un slavas dziesmas, un garīgās dziesmas,
19ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo,
20Pateikdamies vienmēr par visu Dievam un Tēvam mūsu Kunga Jēzus Kristus vārdā!
20misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika,
21Kristus bijībā esiet viens otram padevīgi!
21sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy,
22Sievas lai ir paklausīgas saviem vīriem kā Kungam,
22Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
23Jo vīrs ir sievas galva, tāpat kā Kristus - Baznīcas galva, būdams savas miesas Pestītājs.
23Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. [ Gr. eklesia]
24Bet kā Baznīca Kristum, tā sievas visā padotas saviem vīriem.
24Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [ Gr. eklesia]
25Vīri, mīliet savas sievas, tāpat kā arī Kristus mīlējis Baznīcu un sevi atdevis par viņu.
25Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [ Gr. eklesia]
26Lai viņu darītu svētu, šķīstot to ūdens kristībā un dzīvības vārdiem.
26mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny;
27Sagatavodams sev krāšņu Baznīcu, kurai nav ne traipa, ne grumbas, ne cita kā tamlīdzīga, bet lai tā būtu svēta un bez vainas.
27mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [ Gr. hatolony] [ Gr. eklesia]
28Tā arī vīriem jāmīl savas sievas kā sava miesa. Kas savu sievu mīl, tas mīl pats sevi,
28Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
29Jo neviens vēl nekad nav ienīdis savu miesu, bet to kopj un saudzē tāpat kā Kristus - Baznīcu.
29Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana; [ Gr. eklesia]
30Jo mēs esam Viņa miesas locekļi: no Viņa miesas un no Viņa kauliem.
30fa momba ny tenany isika.
31Tāpēc cilvēks atstās tēvu un savu māti un pievienosies savai sievai, un abi būs viena miesa.
31Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
32Šis noslēpums ir liels, bet es saku: Kristū un Baznīcā.
32Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana aho. [ Gr. eklesia]Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. [ Gr. hatahotra]
33Tiešām, arī katram no jums jāmīl sava sieva, tāpat kā mīl pats sevi, bet sieva lai jūt bijību pret savu vīru!
33Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy. [ Gr. hatahotra]