Latvian: New Testament

Malagasy

Ephesians

6

1Bērni, klausiet saviem vecākiem Kunga vārdā, jo tas ir taisnīgi!
1Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany.
2Godā savu tēvu un savu māti, tas ir pirmais bauslis ar apsolījumu:
2Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
3Lai tev klātos un tu ilgi dzīvotu virs zemes.
3mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16).
4Arī jūs, tēvi, nekaitiniet savus bērnus, bet audziniet viņus Kunga kārtībā un mācībā!
4Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.
5Kalpi, savā sirds vienkāršībā paklausiet laicīgajiem kungiem bijībā un bailēs, tāpat kā Kristum!
5Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,
6Nekalpojiet tikai acu priekšā, it kā cilvēkiem izpatikdami, bet kā Kristus kalpi, kas no sirds izpilda Dieva prātu!
6tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo,
7Kalpojiet labprātīgi tā, kā Kungam, bet ne cilvēkiem,
7amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona,
8Zinādami, ka izkviens, kas ko labu darījis, to saņems no Kunga, vai viņš būtu vergs, vai brīvais.
8satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.
9Arī jūs, kungi, dariet to pašu viņiem! Atmetiet draudus, zinādami, ka viņu un jūsu Kungs ir debesīs, un Viņš neievēro personu stāvokli.
9Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.
10Beidzot, brāļi, esiet stipri Kungā un viņa varenības spēkā!
10[Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
11Tērpieties Dieva bruņās, lai jūs varētu pretī stāties velna viltībām!
11Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
12Jo ne pret miesu un asinīm mums jācīnās, bet pret valdībām un varām, šīs tumsības pasaules valdniekiem, pret ļaunajiem gariem zem debess.
12Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. [ Gr. lanitra]
13Tāpēc tveriet Dieva bruņas, lai jūs ļaunajā dienā spētu pretoties un pastāvēt visā pilnībā!
13Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
14Tātad stāviet, apjozuši savus gurnus patiesībā, tērpušies taisnības bruņās,
14Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
15Un kājas apāvuši miera evaņģēlija sludināšanai!
15ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;
16Pie visa tā tveriet ticības vairogu, ar kuru jūs spēsiet apdzēst visas ļaunā ugunīgās bultas!
16ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
17Ņemiet arī pestīšanas bruņu cepuri un gara zobenu (tas ir, Dieva vārdu)
17Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
18Un garā lūdziet Dievu katrā laikā, visādi Viņu pielūdzot un piesaucot! Bez tam esiet modri un visā neatlaidībā aizlūdziet par visiem svētajiem,
18ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra,
19Arī par mani, lai man tiktu doti vārdi, kad atdarīsies mana mute, un es drošsirdīgi sludinātu evaņģēlija noslēpumu!
19ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara
20Tā labad es pildu savu sūtību važās, lai tanī rastu drosmi tā runāt, kā man tas pienākas.
20(iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [ Gr. ambasadôra]
21Bet lai arī jūs zinātu, kā man klājas un ko es daru, tad par to visu jums pastāstīs Tihiks, mīļais brālis un uzticamais kalps Kungā.
21Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin'ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
22Es tāpēc sūtīju viņu pie jums, lai jums būtu ziņas par mūsu stāvokli un lai iepriecinātu jūsu sirdis.
22izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.
23Miers lai ir brāļiem un mīlestība līdz ar ticību no Dieva Tēva un Kunga Jēzus Kristus!
23Fiadanana anie ho an'ny rahalahy ary fitiavana mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena.
24Žēlastība ar visiem, kas mīl mūsu Kungu Jēzu Viņa neiznīcībā. Amen.
24Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena.