1Tāpēc, atstājuši Kristus mācības sākumu, pāriesim uz pilnīgāku; un neliksim atkal pamatu atgriešanai no mirušajiem darbiem un ticībai uz Dievu,
1Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra,
2Mācībai par kristību un roku uzlikšanu, un mirušo augšāmcelšanos, un mūžīgo tiesu.
2ary fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.
3Arī to mēs darīsim, ja tikai Dievs atļaus.
3Ary izany no hataontsika, raha avelan'Andriamanitra.
4Jo neiespējami tos, kas reiz apgaismoti, baudījuši arī debess dāvanas un kļuvuši Svētā Gara dalībnieki,
4Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina
5Bez tam baudījuši labo Dieva vārdu un nākamā mūža spēku,
5ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy,
6Bet atkrituši, vest atkal pie atgriešanās; tie Dieva Dēlu, no jauna izzobodami, sit sev krustā.
6nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
7Jo zeme, kas uzsūc sevī bieži līstošo lietu un audzē stādus, noderīgus tiem, kas to apstrādā, saņem Dieva svētību;
7Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra;
8Bet ja audzē ērkšķus un dadžus, tad tā nederīga un lāstam tuvu, tās gals ir izdegšana.
8fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.
9Bet lai gan tā jums runājam, vismīļie, mums ir labāka un pestīšanai tuvāka pārliecība.
9Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.
10Jo Dievs nav netaisnīgs. Viņš neaizmirsīs jūsu darbus un mīlestību, ko jūs parādījāt Viņa vārdā, kalpojuši un kalpodami svētajiem.
10Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
11Bet mēs vēlamies, lai katrs no jums parādītu to pašu centību cerības piepildīšanā līdz galam.
11Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin'ny fanantenana hatramin'ny farany;
12Lai jūs nekļūtu kūtri, bet būtu sekotāji tiem, kas ticībā un pacietībā iemantos apsolījumus.
12mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny faharetana.
13Jo Dievs, dodams Ābrahamam solījumus, zvērēja pats sev, kad Viņam nebija neviena lielāka, kam zvērēt,
13Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin'i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin'ny tenany Izy
14Sacīdams: Tiešām, svētīdams es tevi svētīšu un vairodams tevi vairošu. (1 Moz 22,16-17)
14ka nanao hoe: "Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao" (Gen. 22.17).
15Un tā, pacietīgi gaidīdams, viņš saņēma apsolīto.
15Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
16Jo cilvēki zvēr lielākam par sevi, un apstiprinājums ar zvērestu ir gals katrai viņu pretrunai.
16Fa ny olona dia mianiana amin'izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
17Un tā kā Dievs gribēja vēl vairāk parādīt apsolījuma mantiniekiem sava lēmuma negrozāmību, Viņš lietoja zvērestu,
17Ary amin'izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana izany,
18Lai šinīs divās negrozāmajās lietās, kurās Dievs maldināt nevar, būtu stiprs iepriecinājums mums, kas steidzamies saņemt piedāvāto cerību.
18mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain'Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika,
19Tā dvēselei ir drošs un stiprs enkurs, kas sniedzas aiz priekškara iekšpusē,
19izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin'ny efitra lamba;tany no nidiran'i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka" Izy.
20Kur Jēzus kā priekšgājējs iegājis par mums, mūžam būdams augstais priesteris saskaņā ar Melhizedeka iekārtu.
20tany no nidiran'i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka" Izy.