Latvian: New Testament

Malagasy

Hebrews

7

1Šis Melhizedeks, Salemas ķēniņš, visaugstākā Dieva priesteris izgāja pretim Ābrahamam, kad tas, satriecis ķēniņus, atgriezās atpakaļ, un svētīja viņu:
1[Fampitahana an'i Kristy sy Melkizedeka] Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,
2Viņam arī Ābrahams piešķīra desmito daļu no visa; tulkojumā viņš vispirms ir taisnības ķēniņš, bet tad Salemas ķēniņš, tas ir, miera ķēniņš,
2sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;
3Bez tēva, bez mātes, bez cilts grāmatas; viņam nav ne dienu sākuma, ne dzīves gala. Tā viņš pielīdzināms Dieva Dēlam un paliek priesteris uz mūžiem.
3tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
4Tāpēc skatieties, cik liels ir tas, kam pat patriarhs Ābrahams deva desmito daļu no labākā!
4Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina.
5Arī tiem Levi pēcnācējiem, kas saņem priesterību, ir pavēle saskaņā ar bauslību ņemt desmito daļu no tautas, tas ir, no saviem brāļiem, lai gan tie arī cēlušies no Ābrahama gurniem.
5Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny;
6Tā tas, kas neskaitās pie viņu cilts, ir ņēmis desmito daļu no Ābrahama un svētīja to, kam bija apsolījumi.
6nefa izay tsy isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana.
7Bez kādas pretrunas pārākais svētī mazāko.
7Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany.
8Jo šeit desmito daļu saņem mirstīgi cilvēki, bet tur tas, par kuru liecina, ka viņš dzīvs.
8Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona.
9Un (tā sakot) arī Levi, kas saņem desmito daļu, caur Ābrahamu bija aplikts ar desmito daļu,
9Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama,
10Jo viņš vēl atradās tēva gurnos, kad Melhizedeks to satika.
10satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama.
11Ja jau Levi priesterība (jo tauta tās laikā saņēma likumu) būtu nesusi pilnību, kāda vēl bija vajadzība celties citam priesterim saskaņā ar Melhizedeka iekārtu un nesaukties pēc Ārona iekārtas?
11Koa raha nisy fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona?
12Priesterībai mainoties, nepieciešami jāmainās arī likumam.
12Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
13Jo Tas, par ko šis tiek runāts, ir no citas cilts, no kuras neviens vēl nav kalpojis pie altāra.
13Fa Izay nolazaina amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin'ny alitara.
14Jo zināms, ka mūsu Kungs cēlies no Jūdas cilts, kurai Mozus nekā nav norādījis par priesterību.
14Fa hita marimarina fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona.
15Un tas kļūst vēl skaidrāk ar to, ka celsies cits priesteris, Melhizedekam līdzīgs,
15Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an'i Melkizedeka,
16Kas tāds kļuvis ne miesīgā likuma un pavēles dēļ, bet neiznīcīgās dzīves spēkā.
16izay natao tsy araka ny lalàn'izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy manam-pahataperana.
17Jo apliecināts: Tu esi mūžam priesteris saskaņā ar Melhizedeka iekārtu.
17Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).
18Tā iekšējais likums tik atcelts tā nespēka un nederības dēļ.
18Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
19Jo likums neko nav vedis pie pilnības, turpretī tiek ievesta lielāka cerība, ar kuru mēs tuvojamies Dievam.
19(fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra.
20Un tas nenotiek bez zvēresta (jo citi kļuvuši priesteri bez zvēresta,
20Ary tahaka an'i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin'ny fianianana
21Bet šis ar zvērestu caur To, kas Viņam teicis: Kungs zvērējis un nenožēlos, Tu esi priesteris mūžam).
21- fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin'ny fianianana, fa Ity tamin'ny fianianana nataon'ilay nilaza taminy hoe: "Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay" (Sal. 110. 4)
22Tāpēc Jēzus kļuvis par daudz augstākas derības galvinieku.
22- dia tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
23Un viņi gan daudzi kļuvuši priesteri, jo tiem nāve neatļāva pastāvīgi palikt,
23Fa natao maro ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy;
24Bet Viņam priesterība neiznīcīga, tāpēc ka paliek mūžīgi.
24fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy;
25Tāpēc arī Viņš visos laikos spēj izglābt tos, kas caur Viņu tuvojas Dievam, vienmēr dzīvs būdams, lai mūs aizstāvētu.
25koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. [Na: hatramin'ny farany]
26Jo vajadzēja, lai mums būtu tāds augstais priesteris: svēts, nevainīgs, neaptraipīts, atšķirts no grēciniekiem un augstāks par debesīm;
26Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,
27Kam nevajag kā tiem priesteriem ik dienas upurēt dāvanas vispirms par saviem, pēc tam par tautas grēkiem; jo to Viņš darīja vienreiz, pats sevi upurēdams.
27Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.
28Jo bauslība ieceļ par priesteriem cilvēkus, kam savas vājības, bet zvēresta vārds, kas nāca pēc bauslības, - mūžam pilnīgo Dēlu.
28Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.