Latvian: New Testament

Malagasy

Matthew

2

1Kad Jēzus ķēniņa Heroda laikā bija dzimis jūdu Betlēmē, gudrie no austrumiem aizgāja uz Jeruzalemi,
1Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:[Magy = olon-kendry]
2Sacīdami: Kur ir piedzimušais jūdu Ķēniņš? Jo mēs redzējām Viņa zvaigzni austrumos un atnācām Viņu pielūgt.
2Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
3Ķēniņš Herods, izdzirdis to, izbijās, un visa Jeruzaleme līdz ar viņu.
3Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra.
4Un viņš, sapulcinājis visus augstos priesterus un tautas rakstu mācītājus, iztaujāja tos, kur Kristum bija jāpiedzimst.
4Dia namory ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan'i Kristy?
5Un viņi tam sacīja: Jūdu Betlēmē, jo tā pravietis rakstījis:
5Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an'i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
6Un tu, Betlēme, jūdu zeme, necik neesi mazāka par Jūdas lielpilsētām, jo no tevis izies Vadonis, kas valdīs pār manu Izraēļa tautu.
6Ary ianao, ry Betlehema, tanin'ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin'ny andrianan'ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan'izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko (Mik. 5.1).
7Tad Herods, slepeni pieaicinājis gudros, rūpīgi iztaujāja viņus par zvaigznes laiku, kas bija parādījusies tiem.
7Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana.
8Un, sūtīdams viņus uz Betlēmi, sacīja: Ejiet un rūpīgi iztaujājiet par Bērnu, un, kad jūs atradīsiet, ziņojiet man, lai arī es aizgājis pielūdzu Viņu!
8Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
9Šie, uzklausījuši ķēniņu, aizgāja. Un, lūk, zvaigzne, ko viņi redzēja austrumos, gāja tiem pa priekšu, līdz atnākusi apstājās augšā, kur atradās Bērns.
9Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely.
10Bet viņi, ieraudzījuši zvaigzni, priecājās lielā priekā.
10Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.
11Un tie, iegājuši mājā, atrada Bērnu un Viņa māti Mariju; un Viņu, zemē nometušies, pielūdza; un tie, atvēruši savas mantas, upurēja Viņam zeltu, vīraku un mirres.
11Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.
12Un viņi, sapnī saņēmuši atbildi neatgriezties pie Heroda, pa citu ceļu aizgāja savā zemē.
12Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy tsy hiverina any amin'i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany.
13Kad viņi bija aizgājuši, lūk, tā Kunga eņģelis parādījās Jāzepam sapnī, sacīdams: Celies un ņem Bērnu un Viņa Māti, un bēdz uz Ēģipti, un paliec tur, kamēr es tev sacīšu, jo notiks, ka Herods meklēs Bērnu nonāvēšanai!
13Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.
14Viņš, uzcēlies naktī, paņēma Bērnu un Viņa māti un aizgāja uz Ēģipti.
14Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta;
15Un viņš bija tur līdz Heroda nāvei, lai izpildītos, ko Kungs ir sacījis caur pravieti, kas priekšsludināja: No Ēģiptes es aicināju savu Dēlu.
15ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain'i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako (Hos. 11. 1).
16Tad Herods, redzēdams, ka viņu gudrie izsmējuši, ļoti dusmojās, aizsūtīja un nogalināja visus bērnus, kuri bija Betlēmē un visā tās apkārtnē, sākot ar diviem gadiem un jaunākus, saskaņā ar laiku, kādu viņš iztaujāja gudrajiem.
16Ary nony efa fantatr'i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin'ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin'ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin'ny Magy.
17Tad izpildījās, ko bija teicis pravietis Jeremijs, kas sacīja:
17Dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe:
18Raudu un vaimanu balss bija dzirdama Ramā; Rahele apraud savus bērnus un nav iepriecināma, jo viņu vairs nav.
18Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny (Jer. 31. 15).
19Bet pēc Heroda nāves, lūk, Kunga eņģelis Ēģiptē parādījās Jāzepam sapnī un sacīja:
19Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tany Egypta tamin'ny nofy ka nanao hoe:
20Celies un ņem Bērnu un Viņa māti, un ej uz Izraēļa zemi, jo miruši ir tie, kas tiecās pēc Bērna dvēseles.
20Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin'ny tanin'ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain'ny Zazakely.
21Un viņš piecēlās, ņēma Bērnu un Viņa māti un iegāja Izraēļa zemē.
21Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin'ny tanin'ny Isiraely.
22Bet izdzirdis, ka Arhelaus valda Jūdejā, sava tēva Heroda vietā, viņš baidījās tur iet un, sapnī pamācīts, aizgāja Galilejas daļā.
22Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy, dia lasa nankany amin'ny tany Galilia.Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin'ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.
23Un nogājis Viņš dzīvoja pilsētā, kura saucās Nācarete, lai izpildītos, ko pravietis bija sacījis: Viņš tiks saukts Nācarietis.
23Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin'ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.