1Tanīs dienās nāca Jānis Kristītājs, mācīdams Jūdejas tuksnesī
1Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr'i Jodia nanao hoe:
2Un sacīdams: Gandariet par grēkiem, jo debesvalstība tuvu!
2Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
3Šis ir tas, par ko min pravietis Isajs, sacīdams: Saucēja balss tuksnesī: sagatavojiet Kunga ceļu, dariet taisnas Viņa tekas!
3Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3).
4Bet pašam Jānim bija uzvalks no kamieļu spalvām un ādas josta ap viņa gurniem; viņa ēdiens sastāvēja no siseņiem un meža medus.
4Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
5Tad izgāja pie viņa Jeruzaleme, visa Jūdeja un viss apgabals ap Jordānu;
5Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona,
6Un viņi, atzinuši savus grēkus, pieņēma no viņa kristību Jordānā.
6ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
7Bet viņš, redzēdams daudz farizeju un saduceju nākot pie kristības, sacīja tiem: čūsku izdzimums, kas norādīja jums bēgt no nākamām dusmām?
7Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
8Tad dariet gandarījuma cienīgus augļus!
8Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;
9Un nesakiet: Ābrahams ir mūsu tēvs, jo es jums saku, ka Dieva varā ir no šiem akmeņiem radīt Ābrahama dēlus;
9ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
10Jo cirvis jau pielikts pie koku saknēm. Tātad katrs koks, kas nenes labus augļus, tiks nocirsts un ugunī iemests.
10Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
11Jo es kristīju jūs ar ūdeni grēku nožēlošanai, bet kas pēc manis nāks, ir varenāks par mani. Es neesmu cienīgs Viņam kurpes nest; Viņš jūs kristīs Svētajā Garā un ar uguni.
11Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
12Vēteklis ir Viņa rokā: un Viņš iztīrīs savu klonu, un Viņš sakrās kviešus savā šķūnī, bet pelavas sadedzinās neizdzēšamā ugunī.
12eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty.
13Tad atnāca Jēzus no Galilejas uz Jordānu pie Jāņa, lai tas Viņu kristītu.
13Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa.
14Bet Jānis atturēja Viņu, sacīdams: Man jāsaņem kristību no Tevis, bet Tu nāc pie manis?
14Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?
15Bet Jēzus atbildēdams sacīja viņam: Lai tas tā notiek! Tā taču mums pienākas izpildīt visu taisnību! Tad viņš to pieļāva.
15Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
16Pēc kristības Jēzus tūliņ izkāpa no ūdens, un, lūk, debess atvērās, un Viņš redzēja Dieva Garu baloža veidā nolaižamies uz sevi.
16Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
17Un, lūk, balss no debesīm sacīja: Šis ir mans mīļais Dēls, kurš man labpatīk.
17Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.