Latvian: New Testament

Malagasy

Revelation

1

1Jēzus Kristus atklāsme, ko Viņam devis Dievs, lai rādītu saviem kalpiem, kam jānotiek drīzumā un ko Viņš, sūtīdams savu eņģeli, darījis zināmu savam kalpam Jānim,
1[Fitarihan-teny] Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony,
2Kas apliecinājis Dieva vārdu un Jēzus Kristus liecību, un ko vien viņš redzējis.
2Izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
3Svētīgs tas, kas lasa un klausās šī pravietojuma vārdos, un glabā to, kas tanī rakstīts, jo laiks ir tuvu.
3Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
4Jānis septiņām draudzēm, kas atrodas Āzijā: Žēlastība jums un miers no tā, kas ir, kas bija un kas nāks, un no tiem septiņiem gariem, kas atrodas Viņa troņa priekšā,
4Jaona mamangy ny fiangonana fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin'ny Fanahy fito izay eo anoloan'ny seza fiandrianany; [ Gr. eklesia]
5Un no Jēzus Kristus, kas ir uzticīgs liecinieks, mirušo pirmdzimtais un valdnieks pār zemes ķēniņiem, kas mūs mīlējis un savām asinīm nomazgājis mūsu grēkus,
5ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny, [ Gr. nanasa]
6Un kas mūs darījis par ķēniņiem un priesteriem Dievam, savam Tēvam; Viņam lai ir gods un valdīšana mūžīgi mūžos! Amen.
6sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an'Andriamanitra Ray,- ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
7Lūk, Viņš nāk padebešos, un Viņu redzēs katra acs un tie, kas Viņu caurdūruši. Par Viņu vaimanās visas zemes ciltis. Tiešām! Amen.
7Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
8Es esmu alfa un omega, sākums un beigas, saka Kungs Dievs, kas ir, kas bija un kas nāks, Visvarenais.
8Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
9Es, Jānis, jūsu brālis un līdzdalībnieks bēdās, valstībā un izturībā Jēzū Kristū; es biju salā, ko sauc par Patmosu, Dieva vārda un Jēzus liecības dēļ.
9[Ny fisehoan'ny voninahitr'i Kristy] Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy.
10Kunga dienā es tapu aizrauts garā un dzirdēju aiz sevis stipru balsi kā bazūni
10Voatsindrin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon'ny trompetra,
11Sakām: To, ko tu redzi, raksti grāmatā un sūti septiņām Āzijas baznīcām: Efezā, Smirnā, Pergamā, Tiatirā, Sardā, Filadelfijā un Lāodikejā.
11nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin'ny boky, ka ampitondray ho any amin'ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.[Gr. eklesia]
12Es atgriezos, lai vērotu balsi, kas runāja ar mani; un atgriezies es redzēju septiņus zelta svečturus,
12Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;
13Un septiņu zelta svečturu vidū kādu Cilvēka Dēlam līdzīgu, apģērbtu garos svārkos un apjoztu ar zelta jostu ap krūtīm.
13ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.[Na: toa zanak'olona]
14Bet Viņa galva un mati bija balti kā balta vilna un kā sniegs, un Viņa acis kā uguns liesma,
14Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;
15Un viņa kājas līdzīgas zelta rūdai, it kā krāsnī kausētai, un Viņa balss kā lielu ūdeņu krākšana.
15ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be.
16Viņam bija labajā rokā septiņas zvaigznes; no Viņa mutes izgāja abpusēji ass zobens un Viņa vaigs kā saule, kas staro savā spēkā.
16Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny.
17Un kad es redzēju Viņu, es nokritu pie Viņa kājām kā miris, bet Viņš man uzlika savu labo roku, sacīdams: Nebīsties! Es esmu pirmais un pēdējais,
17Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,
18Un dzīvais; un es biju miris, un, lūk, esmu dzīvs mūžīgi mūžam, un man ir nāves un elles atslēgas.
18dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. [ Gr. Hades]
19Tātad raksti, ko tu redzēji un kas ir, un kam jānotiek pēc tam.
19Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito. [ Gr. eklesia]
20Noslēpums par septiņām zvaigznēm, ko tu redzēji manā labajā rokā, un par septiņiem zelta svečturiem: septiņas zvaigznes ir septiņu baznīcu eņģeļi, un septiņi svečturi ir septiņas baznīcas.
20dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito. [ Gr. eklesia]