1Efezas baznīcas eņģelim raksti: Tā saka Tas, kas tur labajā rokā septiņas zvaigznes un kas staigā starp septiņiem zelta svečturiem:
1[Ny Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia] [Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [ Gr. eklesia]
2Es zinu tavus darbus un pūles, un tavu pacietību, un ka tu nevari paciest ļaunos un pārbaudīji tos, kas saucas par apustuļiem, bet tādi nav, un esi atradis tos par meļiem.
2Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy;
3Tev ir pacietība, un tu esi mana vārda dēļ daudz cietis un neesi paguris.
3ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.
4Bet man ir pret tevi tas, ka tu esi pazaudējis savu pirmo mīlestību.
4Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao.
5Tāpēc atminies, no kurienes tu nokriti, gandari un dari agrākos darbus! Bet ja ne, tad es nākšu pie tevis un nostumšu tavu svečturi no tā vietas, ja tu negandarīsi.
5Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.
6Bet tas tev ir, ka tu ienīsti nikolajiešu darbus, kurus arī es ienīstu.
6Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa. [ Gr. anananao]
7Kam ausis, tas dzird, ko Gars saka baznīcām: uzvarētājam es došu ēst no dzīvības koka, kas ir mana Dieva paradīzē.
7Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [ Gr. eklesia]
8Un Smirnas baznīcas eņģelim raksti: Tā saka pirmais un pēdējais, kas bija miris un atkal dzīvo:
8[Smyrna] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: [ Gr. eklesia]
9Es zinu tavas apspiešanas un tavu nabadzību, bet tomēr tu esi bagāts, un ka tevi zaimo tie, kas saucas par jūdiem un nav tādi, bet ir sātana sinagoga.
9Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [ Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3)
10Nebīsties no tā, kas tev vēl būs jācieš! Lūk, velns metīs kādus no jums cietumā, lai jūs tiktu pārbaudīti un jums būs bēdas desmit dienas. Esi uzticīgs līdz nāvei, un es tev došu dzīvības kroni.
10Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.
11Kam ausis, tas lai dzird, ko Gars saka baznīcām: Kas uzvarēs, tas otrā nāvē necietīs.
11Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa. [ Gr. eklesia]
12Un Pergamas baznīcas eņģelim saki: Tā saka Tas, kam zobens abpusēji ass:
12[Pergamosy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain'ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: [ Gr. eklesia]
13Es zinu, kur tu dzīvo, ņ tur, kur sātana tronis; un tu turi manu vārdu un nenoliedz manu ticību arī tanīs dienās, kad manu uzticīgo liecinieku Antipu nonāvēja pie jums, kur mājo sātans.
13Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana.
14Bet man ir tas pret tevi, ka tev tur ir Balaama mācības atzinēji, kas mācīja Balaku dot Izraēļa bērniem apgrēcību: ēst un piekopt netiklību.
14Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga.
15Tāpat tev tur ir nikolajiešu mācības atzinēji.
15Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny.
16Tātad arī tu gandari! Bet ja ne, tad es drīz nākšu pie tevis un cīnīšos pret viņiem ar savu mutes zobenu.
16Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako.
17Kam ausis, tas lai dzird, ko Gars saka baznīcām: Uzvarētājam es došu apslēptu mannu un došu viņam baltu akmeni, un akmenī būs rakstīts jauns vārds, ko neviens nezina, kā tikai tas, kas saņem.
17Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany. [ Gr. eklesia]
18Un Tiatiras baznīcas eņģelim raksti: Tā saka Dieva Dēls, kam acis kā uguns liesma un kājas kā zelta rūda:
18[Tyatira] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: [ Gr. eklesia]
19Es zinu tavus darbus un tavu ticību, un tavu mīlestību, un kalpošanu, un tavu pacietību, un tavus pēdējos darbus, kas pārāki par pirmajiem.
19Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.
20Bet man ir pret tevi tas, ka tu atļauj sievietei Jezabelei, kas saucas praviete, mācīt un pievilt manus kalpus, piekopt netiklību un ēst elkupurus.
20Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy.
21Es devu viņai laiku gandarīšanai, bet viņa negrib atgriezties no savas netiklības.
21Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy.
22Un es likšu viņu slimības gultā, bet netiklības piekopējiem ar viņu būs vislielākās bēdas, ja viņi negandarīs par saviem darbiem.
22Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy.
23Un viņas bērnus nonāvēšu, un visas baznīcas zinās, ka es tas esmu, kas pārbauda nieres un sirdis; un es došu jums katram saskaņā ar jūsu darbiem. Bet es saku jums
23Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. [ Gr. eklesia]
24Un citiem, kas atrodas Tiatirā: nevienam, kam nav šīs mācības, un kas, kā viņi saka, sātana dziļumus nav pazinuši, es neuzvelšu nekādas citas nastas.
24Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo;
25Tomēr to, kas jums ir, turiet, kamēr es atnākšu!
25kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.
26Un tam, kas uzvarēs, un manus darbus pildīs līdz galam, es došu varu pār pagāniem.
26Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa;
27Un viņš pār tiem valdīs ar dzelzs zizli un tos salauzīs kā māla traukus.
27ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko.
28Un es došu viņam rīta zvaigzni, tāpat kā es saņēmu no sava Tēva.
28Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]
29Kam ausis, lai dzird, ko Gars saka baznīcām!
29Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]