Latvian: New Testament

Malagasy

Revelation

11

1Man deva niedri, līdzīgu spieķim, un sacīja: Celies un mēri dievnamu un altāri, un dievlūdzējus, kas tanī,
1[Ny nandrefesana ny tempoly, sy ny amin'ny vavolombelona roa] Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.
2Bet ārējo pagalmu, kas ir ārpus dievnama, atstāj un nemērī to, jo tas dots pagāniem; un viņi mīdīs svēto pilsētu četrdesmit divus mēnešus.
2Fa ny kianja eo ivelan'ny tempoly dia avelao ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efa-polo volana izy. [ Gr. atsipazo eny ivelany]
3Un es likšu saviem diviem lieciniekiem, ka viņi, maisos tērpti, pravietos tūkstoš divi simti sešdesmit dienas.
3Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.
4Viņi ir tie divi eļļas koki un tie divi svečturi, kas stāv zemes kunga priekšā.
4Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany.
5Un ja kāds gribētu viņiem kaitēt, tad uguns izies no to mutes un aprīs viņu ienaidniekus; ja kāds tos gribētu aizskart, tam jāiet bojā.
5Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin'ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary rana misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy.
6Viņiem vara aizslēgt debesis, lai nelītu viņu pravietošanas laikā; tiem vara ūdeņus pārvērst asinīs un sist zemi visādām mocībām, kad vien viņi gribēs.
6Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin'ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely ny tany amin'ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.
7Un kad viņi beigs savu liecību, tad zvērs, kas izkāpj no bezdibeņa, karos pret tiem, tos uzvarēs un tos nonāvēs.
7Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.
8Un viņu līķi gulēs ielās, lielajā pilsētā, ko garīgi sauc par Sodomu un Ēģipti, kur arī viņu Kungs krustā sists.
8Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin'ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana.
9Un cilšu, un tautu, un valodu, un tautību ļaudis redzēs viņu līķus trīs ar pus dienas un neļaus viņu līķus likt kapā.
9Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan'andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny fatiny.
10Tad zemes iedzīvotāji par to priecāsies un līksmosies, un sūtīs dāvanas cits citam, jo šie divi pravieši mocīja tos, kas dzīvoja virs zemes.
10Ary ny mponina ambonin'ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo.
11Un pēc trīs ar pus dienām dzīvības gars no Dieva iegāja viņos. Un viņi cēlās savās kājās; un lielas bailes uznāca tiem, kas viņus redzēja.
11Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy tapany, dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo, ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.
12Un viņi dzirdēja stipru balsi no debesīm tiem sakām: Nāciet šurp augšā! Un viņi mākonī uzgāja debesīs; un to ienaidnieki redzēja viņus.
12Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara atỳ. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony.
13Un tanī stundā notika liela zemestrīce un desmitā pilsētas daļa sagruva. Šinī zemestrīcē gāja bojā septiņi tūkstoši cilvēku vārdu, bet pārējos pārņēma bailes; un viņi deva godu debesu Dievam.
13Ary tamin'izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty tamin'izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra.
14Otras bēdas pagāja. Un, lūk, trešās bēdas drīz nāks.
14Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.
15Septītais eņģelis bazūnēja, un stipras balsis atskanēja debesīs, vēstīdamas: Šīs pasaules valdīšana pieder mūsu Kungam un Viņa Svaidītajam, un Viņš valdīs mūžīgi mūžos! Amen.
15[Ny nitsofana ny trompetra fahafito, sy ny nahatongavan'ny Joza fahatelo] Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.
16Un tie divdesmit četri sentēvi, kas sēž Dieva priekšā savos troņos, krita uz saviem vaigiem un pielūdza Dievu, sacīdami:
16Ary ny loholona fatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin'Andriamanitra [ presbytera]
17Mēs Tev pateicamies, Kungs, visvarenais Dievs, kas esi, un kas biji, un kas nāksi, ka Tu saņēmi savu lielo varu un valdīji.
17nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao.
18Un tautas iedegās dusmās: un nāca Tava bardzība un laiks tiesāt mirušos un dot algu Taviem kalpiem, praviešiem un svētajiem, un tiem, kas Tavu vārdu bīstas, mazajiem un lielajiem, un iznīcināt tos, kas zemi veda postā.
18Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
19Tad atvērās Dieva svētnīca debesīs, un Viņa svētnīcā bija redzams Viņa derības šķirsts, un parādījās zibeņi, un liela krusa.
19Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.