Latvian: New Testament

Malagasy

Revelation

12

1Tad pie debesīm parādījas liela zīme: saulē tērpta sieviete un mēness zem viņas kājām, bet tai galvā divpadsmit zvaigžņu kronis.
1[Ny amin'ny vehivavy mitafy ny masoandro, izay nenjehin'ny dragona] Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,
2Tā bija grūta un kliedza savās sāpēs un dzemdību mokās.
2sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.
3Un vēl cita zīme parādījas pie debesīm: un, lūk, liels ugunīgs pūķis, kam bija septiņas galvas un desmit ragi, un viņa galvās septiņi kroņi.
3Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.
4Un viņa aste norāva trešo daļu zvaigžņu no debesīm un nometa tās zemē. Tad pūķis stāvēja sievietes priekšā, kurai bija jādzemdē, lai, kad tā būs dzemdējusi, aprītu viņas bērniņu.
4Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;
5Un viņa dzemdēja vīriešu kārtas bērniņu, kam būs jāvalda visas tautas ar dzelzs zizli. Un viņas bērns tika aizrauts pie Dieva un Viņa troņa.
5ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany. [ Gr. handry]
6Tad sieviete bēga tuksnesī, kur tai bija Dieva sagatavota vieta, lai viņu tur uzturētu tūkstoš divi simti sešdesmit dienas.
6Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
7Un debesīs izcēlās liela cīņa: Miķelis un viņa eņģeļi cīnījās ar pūķi, un pūķis un tā eņģeļi cīnījās pretī,
7Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady,
8Bet tie neuzvarēja, un viņu vieta vairs nebija atrodama debesīs.
8nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.
9Un nogāza to lielo pūķi, veco čūsku, kas saucas velns un sātans, kas pieviļ visu pasauli, un nogāza to zemē, bet viņa eņģeļus aizsūtīja kopā ar viņu.
9Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.
10Tad es dzirdēju stipru balsi debesīs saucam: Tagad notikusi pestīšana, un mūsu Dieva spēks, un valstība, un Viņa Svaidītā vara, jo nogāzts mūsu brāļu apsūdzētājs, kas dienām un naktīm tos apsūdzēja mūsu dieva vaiga priekšā.
10Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.
11Un viņi to uzvarēja Jēra asins dēļ, kas tanīs dzīvo! Bēdas zemei un jūrai, jo velns nokāpis pie jums lielās dusmās, zinādams, ka tam maz laika.
11Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza.
12Kad pūķis redzēja, ka tas nomests zemē, tad sāka vajāt sievieti, kas bija dzemdējusi puisēnu.
12Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.
13Bet sievietei bija doti divi lieli ērgļa spārni, lai tā lidotu tuksnesī savā vietā, kur viņa, būdama projām no čūskas acīm, tiktu uzturēta laiku un laikus un puslaiku.
13Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.
14Un čūska izlaida no savas mutes ūdeni it kā upi sievietei pakaļ, lai upe to aizrauj.
14Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho hitan'ilay menarana izy.
15Bet zeme palīdzēja sievietei, un zeme atvēra savu muti un aprija no pūķa mutes izlaisto upi.
15Ary ilay menarana namoaka rano tamin'ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin'ny riaka iry.
16Tad pūķis sadusmojās uz sievieti un izgāja cīnīties ar pārējiem viņas pēcnācējiem, kas pilda Dieva baušļus un kam ir Jēzus Kristus liecība.
16Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin'ny vavany.Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.
18Un viņš nostājās jūras krastā.
17Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.