1Es redzēju izkāpjam no jūras zvēru, kam bija septiņas galvas un desmit ragu, un uz viņa ragiem bija desmit kroņu, bet uz viņa galvām zaimu vārdi.
1[Ny amin'ny biby roa izay mpanompon'ny dragona] Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy. [ Gr. blasfemia; izahao Mat. IX, 3]
2Šis zvērs, ko es redzēju, bija līdzīgs panterai. Viņa kājas bija kā lāča kājas, bet viņa mute kā lauvas mute. Un pūķis deva tam savu spēku un lielu varu.
2Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.
3Un es redzēju vienu no viņa galvām it kā nāvīgi ievainotu; bet viņa nāvīgā brūce sadzija, un visa zeme brīnīdamās sekoja zvēram.
3Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.
4Un viņi pielūdza pūķi, kas deva zvēram varu, un arī pielūdza zvēru, sacīdami: Kas līdzīgs šim zvēram? Un kas var ar to cīnīties?
4Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy?
5Tam tika dota mute, lai runātu lielas lietas un zaimus, un vara to darīt četrdesmit divus mēnešus.
5Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana. [ Gr. vava] [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] [ Na: haharitra]
6Un tas atvēra savu muti, lai zaimotu Dievu, lai zaimotu Viņa vārdu un Viņa mājokli, un tos, kas dzīvo debesīs.
6Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra. [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
7Un tam deva iespēju karot ar svētajiem un tos uzvarēt. Un tam deva varu pār visām ciltīm un tautām, un valodām, un tautībām.
7Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.
8Un to pielūdza visi, kas dzīvo virs zemes, kuru vārdi nav rakstīti nokautā Jēra dzīvības grāmatā no pasaules sākuma.
8Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.
9Jo kam ausis, tas lai dzird!
9Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
10Kas ved gūstā, tas ies gūstā; kas nokauj ar zobenu, tas krīt no zobena. Šeit ir svēto izturība un ticība.
10Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina. [ Na: Raha misy ho amin'ny fahababoana, dia ho amin'ny fahababoana izy]
11Tad es redzēju citu zvēru izkāpjam no zemes; un tam bija divi ragi, līdzīgi jēram, un tas runāja kā pūķis.
11Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin'ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.
12Un tas rīkojās viņa priekšā ar visu pirmā zvēra varu un piespieda zemi un tās iedzīvotājus pielūgt pirmo zvēru, kura nāvīgā brūce tika izdziedināta.
12Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan'ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy.
13Un tas darīja lielus brīnumus, tā ka pat ugunij lika nonākt no debesīm zemē cilvēku priekšā.
13Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza.
14Un tas pievīla zemes iedzīvotājus brīnumu dēļ, kurus viņam bija dots darīt zvēra priekšā, aicinādams zemes iedzīvotājus celt tēlu zvēram, kam zobena brūce un kas atdzīvojas.
14Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason'ny bibi-dia, sady milaza amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibi-dia, izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany.
15Un tam bija dots, lai viņš dotu dzīvību zvēra tēlam un lai zvēra tēls runātu un darītu tā, ka tiktu nogalināti visi, kas nepielūdz zvēra tēlu.
15Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia.
16Un tas panāks to, ka visiem mazajiem un lielajiem, un bagātajiem, un nabadzīgajiem, un dzīvajiem, un vergiem būs zīme uz viņu labās rokas vai viņu pierēs.
16Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa,
17Lai neviens, kam nav šīs zīmes vai zvēra vārda, vai viņa vārda skaitļa, nevarētu ne pirkt, ne pārdot.
17mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibi-dia, na ny isan'ny anarany.Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.
18Šeit ir gudrība. Kam saprāts, tas lai izdibina zvēra skaitli, jo tas ir cilvēka skaitlis, un viņa skaitlis ir seši simti sešdesmit seši.
18Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibi-dia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.