1Un es dzirdēju stipru balsi no svētnīcas sakām septiņiem eņģeļiem: Ejiet un izlejiet septiņus Dieva dusmu kausus pāri zemei!
1Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.
2Un pirmais aizgāja un izlēja savu kausu pāri zemei, un piemetās riebīgi un visļaunākie augoņi cilvēkiem, kam bija zvēra zīme, un pār tiem, kas pielūdza tā tēlu.
2Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny.
3Un otrs eņģelis izlēja savu kausu jūrā; un tā kļuva it kā miroņa asinis; un visa radība jūrā nobeidzās.
3Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao aminy.
4Un trešais eņģelis izlēja savu kausu pār upēm un pār ūdens avotiem, un tie pārvērtās asinīs.
4Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny.
5Un es dzirdēju ūdens eņģeli sakām: Taisnīgs Tu esi, Kungs, kas Tu esi un kas biji svēts, un kas tā tiesāji.
5Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao;
6Jo tie izlējuši svēto un praviešu asinis, tādēļ tu tiem devi asinis dzert; viņi tā cienīgi!
6fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany.
7Un es dzirdēju citu no altāra sakām: Tiešām, Kungs Dievs visvarenais, patiesi un taisnīgi ir Tavi lēmumi.
7Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.
8Un ceturtais eņģelis izlēja savu kausu uz sauli, un tai bija dots spēks dedzināt cilvēkus karstumā un ugunī.
8Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy.
9Un cilvēki dega lielā karstumā; un tie zaimoja Dieva vārdu, kam vara pār šīm mocībām, bet negandarīja, lai dotu Viņam godu.
9Ary main'ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin'ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy. [ Gr. nanao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
10Un piektais eņģelis izlēja savu kausu pār zvēra troni. Viņa valstība kļuva tumša, un tie sāpēs sakoda savas mēles.
10Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana,
11Un zaimoja debess Dievu savu sāpju un augoņu dēļ, bet negandarīja par saviem darbiem.
11dia niteny ratsy an'Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin'ny asany. [ Gr. nanao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
12Un sestais eņģelis izlēja savu kausu lielajā Eifratas upē, un tās ūdens izsīka, lai būtu sagatavots ceļš austrumu ķēniņam.
12Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan'ireny mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro.
13Un es redzēju iznākam no pūķa mutes un no zvēra mutes, un no viltus pravieša mutes trīs nešķīstus garus kā vardes.
13Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin'ny vavan'ilay dragona sy tamin'ny vavan'ilay bibi-dia ary tamin'ny vavan'ilay mpaminany sandoka.
14Un tie ir ļaunie gari, kas dara brīnumus; un tie iziet pie visas zemes ķēniņiem, lai tos sapulcinātu cīņai visvarenā Dieva lielajā dienā.
14Fa fanahin'ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin'ny mpanjaka amin'izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin'ny adin'ilay andro lehiben'Andriamanitra Tsitoha.
15Lūk, es nāku kā zaglis. Svētīgs, kas nomodā un kas savas drēbes glabā, lai tam nebūtu jāstaigā kailam un neredzētu viņa kaunu.
15(Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.) [ Gr. miari-tory]
16Un viņš tos sapulcinās kādā vietā, ko ebrejiski sauc Armagedona.
16Ary nangoniny ho any amin'ny tany atao amin'ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.
17Un septītais eņģelis izlēja savu kausu gaisā; un no svētnīcas troņa nāca stipra balss, kas sacīja: Ir noticis!
17Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.
18Un radās zibeņi un balsis, un pērkoni, un notika liela zemestrīce, kāda nekad nav bijusi, kamēr cilvēki dzīvo virs zemes. Tāda zemestrīce, tik liela!
18Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tetỳ ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany.
19Un lielā pilsēta sadalījās trijās daļās, un pagānu pilsētas sagruva, un lielā Babilona tika pieminēta Dieva priekšā, lai tai pasniegtu Viņa dusmības vīna niknuma kausu.
19Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany.
20Tad visas salas nozuda, un kalni vairs nebija atrodami.
20Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.
21Un krusa, liela kā talenti, krita no debesīm uz cilvēkiem, bet cilvēki zaimoja Dievu krusas mocības dēļ, jo tā bija ļoti liela.
21Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.