1Un viens no tiem septiņiem eņģeļiem, kam bija septiņi kausi, nāca un runāja man, sacīdams: Nāc, es tev rādīšu lielās netikles notiesāšanu, kas sēž pie lielajiem ūdeņiem.
1[Ny amin'ilay vehivavy janga (dia Babylona), izay nitaingina ny bibi-dia nivolon-jaky] Ary tonga ny anjely anankiray tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro,
2Ar ko netiklību piekopuši zemes ķēniņi, un zemes iedzīvotāji apreibinājās ar tās netiklības vīnu.
2dia ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany.
3Un viņš garā aiznesa mani tuksnesī. Tur es redzēju sievieti, sēžot sarkanā zvērā, pilnu zaimu vārdiem, kam bija septiņas galvas un desmit ragu.
3Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an'efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.
4Un sieviete bij tērpta purpurā un sarkanās drēbēs, greznojusies zeltā, dārgiem akmeņiem un pērlēm, un tai rokā bija zelta kauss, pilns negantību un viņas netiklības netīrumu.
4Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany;
5Tai uz pieres bija rakstīts vārds: Noslēpums, lielā Babilona, visas zemes netiklības un netīrības māte.
5ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY.
6Es redzēju, ka šī sieviete piedzērusies no svēto asinīm un no Jēzus mocekļu asinīm. To redzējis, es brīnījos lielā izbrīnā.
6Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.
7Un eņģelis man sacīja: Kāpēc tu brīnies? Es tev teikšu sievietes un zvēra, kas viņu nes un kam ir septiņas galvas un desmit ragu, noslēpumu:
7Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo.
8Zvērs, ko tu redzēji, bija un vairs nav; bet tas izkāps no bezdibeņa un ies pazušanā. Tad zemes iedzīvotāji (kuru vārdi nav ierakstīti dzīvības grāmatā) brīnīsies, redzēdami zvēru, kas bijis, bet kura nav.
8Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin'ny fandringanana; ary ny monina ambonin'ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.
9Kam ir gudrība, tas to saprot. Septiņas galvas ir septiņi kalni, kuros sēž sieviete, un ķēniņi ir septiņi.
9Indro ny hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy.
10Pieci krituši, viens ir, bet otrs vēl nav atnācis. Bet kad tas atnāks, tam būs jāpaliek īsu laiku.
10Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.
11Un zvērs, kas bija un vairs nav, ies pazušanā. Viņš ir astotais no septiņiem.
11Ary ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo ary ka lasa ho amin'ny fandringanana.
12Un desmit ragu, ko tu redzēji, ir desmit ķēniņu, kas valdīšanu vēl nav saņēmuši, bet saņems varu kā ķēniņi vienai stundai kopā ar zvēru.
12Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin'ny bibi-dia izy.
13Viņiem ir vienas domas, un tie nodos savu spēku un varu zvēram.
13Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibi-dia.
14Tie karos ar Jēru, bet Jērs tos uzvarēs, jo Viņš ir kungu Kungs un ķēniņu Ķēniņš; un tie, kas ar Viņu, ir aicinātie, izredzētie un uzticīgie.
14Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
15Un viņš man sacīja: Ūdeņi, kurus tu redzēji, kur sēd netikle, ir tautas, ciltis un valodas.
15Ary hoy izy tamiko: Ny rano ela hitanao, izay ipetrahan'ilay vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny.
16Un desmit ragi, kurus tu redzēji zvēram, ienīdīs netikli, to atstās vienu un kailu un tās miesas apēdīs un sadedzinās ugunī,
16Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin'ny afo.
17Jo Dievs pamudinājis viņu sirdis, lai tie izpildītu to, kas Viņam labpatīk, nododot savu valdību zvēram, kamēr piepildīsies Dieva vārdi.
17Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an'ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra.Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.
18Un sieviete, ko tu redzēji, ir lielā pilsēta, kam pieder valdība pār zemes ķēniņiem.
18Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.