Lithuanian

Malagasy

1 Chronicles

28

1Dovydas sušaukė į Jeruzalę visus Izraelio ir giminių kunigaikščius, būrių viršininkus, tūkstantininkus, šimtininkus, karaliaus bei jo sūnų nuosavybės ir gyvulių vyriausiuosius prievaizdus, rūmų valdininkus, narsius vyrus ir karžygius.
1[Ny hafatra nataon'i Davida ny amin'ny hanaovana ny tempoly sy ny amin'ny fivavahana] Ary novorin'i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely, dia ny lohan'ny firenena sy ny komandin'ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin'ny fananana rehetra an'ny mpanjaka sy ny zanany mbamin'ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra.[Heb. ionoka]
2Karalius atsistojęs tarė: “Paklausykite, mano broliai, mano tauta. Aš norėjau statyti namus Viešpaties Sandoros skryniai, pakojį mūsų Dievui ir buvau pasiruošęs statybai,
2Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ho an'ny fitoeran-tongotr'Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;
3bet Dievas man tarė: ‘Tu nestatysi namų mano vardui, nes tu esi karys ir praliejai kraują’.
3nefa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an'ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-drà.
4Tačiau Viešpats, Izraelio Dievas, pasirinko mane iš visų mano tėvo namų, kad būčiau karalius viso Izraelio. Jis išrinko iš Judo giminės mano tėvo namus ir iš mano tėvo sūnų mane panorėjo paskirti viso Izraelio karaliumi.
4Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin'ny ankohonan'ny raiko rehetra ho mpanjakan'ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin'ny taranak'i Joda indray dia ny ankohonan'ny raiko no nofidiny; ary tamin'ny ankohonan'ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin'ny Isiraely rehetra.
5Viešpats davė man daug sūnų ir iš visų Jis pasirinko Saliamoną, kad jis sėdėtų Viešpaties karalystės soste ir valdytų Izraelį.
5Ary tamin'ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen'i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Jehovah hanjaka amin'ny Isiraely.
6Jis man pasakė: ‘Tavo sūnus Saliamonas pastatys mano namus ir mano kiemus; Aš jį išsirinkau savo sūnumi ir Aš būsiu jam tėvas.
6Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.
7Be to, Aš įtvirtinsiu jo karalystę per amžius, jei jis vykdys mano įsakymus ir nurodymus kaip iki šiolei’.
7Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin'izao anio izao.
8Taigi dabar viso Izraelio ir mūsų Dievo akivaizdoje jums sakau: klausykite ir vykdykite visus Viešpaties, savo Dievo, įsakymus, kad gyventumėte šioje geroje žemėje ir ji liktų jūsų vaikams per amžius.
8Ary ankehitriny, eto anatrehan'ny Isiraely rehetra, fiangonan'i Jehovah, sy eto anatrehan'Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy.
9O tu, mano sūnau Saliamonai, pažink savo tėvo Dievą ir Jam tarnauk tobula širdimi ir su tikru noru, nes Viešpats ištiria visų širdis ir siekius. Jei Jo ieškosi, rasi Jį, o jei Jį paliksi, Jis atmes tave amžiams.
9Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
10Dabar įsidėmėk! Viešpats tave išsirinko, kad pastatytum namus šventyklai. Būk stiprus ir daryk tai”.
10Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.
11Dovydas davė savo sūnui Saliamonui šventyklos planą: prieangių, pastatų, sandėlių, aukštutinių ir vidinių patalpų ir Švenčiausiosios;
11Ary Davida nanome an'i Solomona zanany ny sarin'ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,
12taip pat ir kitus brėžinius, kurie buvo jo širdyje: Viešpaties namų kiemo, visų aplinkui esančių patalpų, Dievo namų turtų saugyklos ir pašvęstų daiktų saugyklos,
12ary ny sarin'izay rehetra efa niseho tamin'ny fanahiny; dia ny amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,
13patalpų kunigų bei levitų padaliniams ir įvairiems šventyklos darbams, ir visų Viešpaties namų tarnystės indų.
13sy ho an'ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita koa, ary ho an'ny fanompoana rehetra ao an-tranon'i Jehovah sy ho an'ny fanaka rehetra ho enti-manompo ao an-tranon'i Jehovah,
14Jis davė Saliamonui aukso ir sidabro auksiniams ir sidabriniams indams nulieti, nustatydamas atskirų indų svorį:
14ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ny fanaka volamena samy hafa rehetra, ary ny lanjan'ny volafotsy koa hanaovana ny fanaka volafotsy samy hafa rehetra,
15auksinėms žvakidėms ir jų lempoms nustatė kiekvienos žvakidės ir lempos svorį, taip pat sidabrinėms žvakidėms ir jų lempoms nustatė kiekvienos žvakidės ir lempos svorį pagal jų paskirtį.
15ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony araka ny lanjany avy, ary ny lanjan'ny volafotsy hanaovana ny fanaovan-jiro volafotsy sy ny lela fanaovan-jirony araka ny fombany avy,
16Taip pat davė aukso padėtinės duonos stalams iš aukso ir sidabro sidabriniams stalams,
16ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo aseho, ary ny amin'ny volafotsy ho amin'ny latabatra volafotsy,
17gryno aukso šakutėms, puodams, taurėms ir auksiniams dubenims, kiekvienam pagal svorį, sidabriniams dubenims, kiekvienam sidabro pagal svorį;
17ary ny amin'ny fitrebika sy ny lovia famafazana ary ny fitoeran-divay, izay samy volamena tsara, ary ny amin'ny kapoaka misarona, na ny volamena, na ny volafotsy, araka ny lanjany avy,
18smilkomajam aukurui gryniausio aukso pagal svorį ir cherubams, kurie laikė išskleidę sparnus ir dengė Viešpaties Sandoros skrynią.
18ary ny lanjan'ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin'ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.
19Visa tai buvo užrašyta pagal Viešpaties duotą apreiškimą, kaip Jis nurodė atlikti darbus.
19Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin'i Jehovah ahy tamin'ny soratra avy tamin'ny tànany, izay atỳ amiko.
20Dovydas tarė savo sūnui Saliamonui: “Būk stiprus ir drąsus bei imkis darbo! Nebijok ir nenusigąsk, nes Viešpats Dievas, mano Dievas, bus su tavimi. Jis nepaliks tavęs, kol baigsi visus Viešpaties namų statybos darbus.
20Ary hoy koa Davida tamin'i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon'i Jehovah.Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.
21Kunigai ir levitai yra pasiruošę bet kokiai Dievo namų tarnystei; kiekviename darbe tau padės patyrę meistrai ir visa tauta bei kunigaikščiai vykdys tavo įsakymus”.
21Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.