Lithuanian

Malagasy

1 Chronicles

29

1Karalius Dovydas tarė izraelitams: “Mano sūnus Saliamonas, kurį Dievas išsirinko, dar jaunas ir nepatyręs, o darbas­didelis, nes rūmai ne žmogui, bet Viešpačiui Dievui.
1[Ny zavatra naterin'ny lehibe amin'ny Isiraely ho enti-manao ny tempoly] Ary hoy Davida mpanjaka tamin'ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin'Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an'olona, fa ho an'i Jehovah Andriamanitra.
2Iš visų jėgų paruošiau aukso Dievo namų auksiniams reikmenims, sidabro­sidabriniams, vario­variniams, geležies­geležiniams, medžio­mediniams; taip pat onikso ir spalvotų akmenų mozaikai, įvairių brangių akmenų ir gausybę marmuro.
2Ary tamin'ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon'Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.[Na: beryla mbamin'ny tranontranony][Na: tenona samy hafa soratra][marmora fotsy]
3Be to, Dievo namams aš pridedu iš savo nuosavybės aukso ir sidabro:
3Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon'Andriamanitro dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitra, ho fanampin'ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,
4tris tūkstančius talentų Ofyro aukso, septynis tūkstančius talentų valyto sidabro sienoms aptraukti,
4dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any Ofira, ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin'ny rindrin'ny isan-efi-trano,
5aukso auksiniams ir sidabro sidabriniams dirbiniams, kuriuos padarys meistrai. Kas iš jūsų šiandien laisva valia norėtų aukoti Viešpačiui?”
5ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon'ny tanan'ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an'i Jehovah anio?
6Izraelio giminių ir šeimų vadai, tūkstantininkai, šimtininkai bei karaliaus darbų vyriausieji prievaizdai aukojo dosniai
6Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan'ny fianakaviana sy ny lehiben'ny firenen'Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin'ny mpitandrina ny raharahan'ny mpanjaka
7ir davė Dievo namų statybai penkis tūkstančius talentų aukso ir dešimt tūkstančių auksinių monetų; dešimt tūkstančių talentų sidabro, aštuoniolika tūkstančių talentų vario ir šimtą tūkstančių talentų geležies.
7ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin'ny tranon'Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo amby iray alina ary talenta vy iray hetsy.[Ny darika dia anaran'ny farantsakely volamena, ary tokony ho ariary dimy sy loso no heviny]
8Kas turėjo brangių akmenų, atidavė juos Viešpaties namų iždui, geršono Jehielio globon.
8Ary izay nanana vato soa dia nanome azy no amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah, hotehirizin'i Jehiela Gersonita.
9Tauta džiaugėsi, nes jie aukojo Viešpačiui dosniai ir tobula širdimi, ir karalius Dovydas tuo taip pat labai džiaugėsi.
9Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan'ireo, fa tamin'ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an'i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.
10Dovydas garbino Viešpatį susirinkusiųjų akivaizdoje ir tarė: “Garbė Tau per amžius, Viešpatie, mūsų tėvo Izraelio Dieve!
10[Ny nisaoran'i Davida an'Andriamanitra sy ny fara-teniny tamin'ny Isiraely, sy ny nanendrena an'i Solomona, ary ny nahafatesan'i Davida] Koa dia nisaotra an'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr'Isiraely razanay, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
11Tavo, Viešpatie, yra didybė ir galybė, ir pergalė, ir šlovė, ir išaukštinimas, nes Tau priklauso visa danguje ir žemėje. Viešpatie, Tavo yra karalystė ir Tu esi valdovas virš visko.
11Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
12Iš Tavęs ateina turtai ir garbė, Tu viskam karaliauji. Tavo rankoje yra jėga ir galybė, Tu gali išaukštinti ir suteikti stiprybės.
12Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.
13Mūsų Dieve, mes dėkojame Tau ir giriame Tavo šlovingą vardą.
13Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.
14Kas esu aš ir kas mano tauta, kad mes galėtume taip dosniai aukoti Tau? Juk iš Tavęs ateina viskas, o mes tik atiduodame, ką gavome iš Tavęs.
14Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
15Mes esame svetimi ir ateiviai Tavo akivaizdoje, kaip buvo ir mūsų tėvai. Mūsų dienos žemėje kaip šešėlis ir nė vienas nepasiliekame.
15Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana.
16Viešpatie, mūsų Dieve, visa, ką mes šiandien aukojame Tavo namams, Tavo šventajam vardui, ateina iš Tavęs ir yra Tavo!
16Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an'ny anaranao masina ireto dia avy tamin'ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.
17Mano Dieve, žinau, kad Tu ištiri žmonių širdis ir mėgsti nuoširdumą. Aš visa tai paaukojau iš tyros širdies ir matau, kad čia esanti tauta aukoja Tau su džiaugsmu ir noriai.
17Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin'ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin'ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
18Viešpatie, mūsų tėvų Abraomo, Izaoko ir Jokūbo Dieve, išlaikyk savo tautos širdžių nusistatymą tokį, koks jis šiandien, kad jie liktų Tau ištikimi.
18Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon'ny olonao mandrakizay izany fikasan'ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony;
19O mano sūnui Saliamonui duok tobulą širdį, kad jis laikytųsi Tavo įsakymų, nuostatų bei paliepimų ir pastatytų šventyklą, kuriai paruošiau reikalingų medžiagų”.
19ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy.
20Tuomet Dovydas tarė susirinkusiems: “Garbinkite Viešpatį, savo Dievą”. Susirinkusieji parpuolė ant žemės prieš Viešpatį bei karalių ir garbino Viešpatį, savo tėvų Dievą.
20Ary hoy Davida tamin'ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah sy ny mpanjaka.
21Kitą dieną jie aukojo Viešpačiui deginamąsias aukas: tūkstantį jaučių, tūkstantį avinų, tūkstantį ėriukų su priklausančiomis geriamosiomis ir padėkos aukomis, kad maisto užtektų visiems izraelitams.
21Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah nony ampitson'iny, dia vantotr'ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak'ondry arivo mbamin'ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an'ny Isiraely rehetra.
22Tą dieną jie valgė ir gėrė Viešpaties akivaizdoje su pakilia nuotaika ir antrą kartą paskelbė karaliumi Dovydo sūnų Saliamoną; jie patepė jį kunigaikščiu Viešpačiui, o Cadoką­kunigu.
22Ary nihinana sy nisotro tamin'ny fifaliana be teo anatrehan'i Jehovah ny olona tamin'izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak'i Davida, sady nohosorany ho an'i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
23Saliamonas atsisėdo Viešpaties soste kaip karalius savo tėvo Dovydo vieton; jam sekėsi, ir visas Izraelis jo klausė.
23Ary Solomona dia nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'i Jehovah ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.
24Visi kunigaikščiai, karžygiai ir visi karaliaus Dovydo sūnūs pakluso karaliui Saliamonui.
24Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak'i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an'i Solomona mpanjaka.
25Viešpats padarė Saliamoną labai didį viso Izraelio akyse ir jam suteikė tokią karališką didybę, kokios neturėjo joks Izraelio karalius iki jo.
25Ary Jehovah nanandratra an'i Solomona indrindra teo imason'ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin'ny Isiraely.
26Taip Jesės sūnus Dovydas karaliavo Izraeliui.
26Toy izany no nanjakan'i Davida, zanak'i Jese, tamin'ny Isiraely rehetra.
27Jis karaliavo Izraeliui keturiasdešimt metų; Hebrone jis karaliavo septynerius metus, o Jeruzalėje­trisdešimt trejus metus.
27Ary ny andro nanjakany tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
28Jis mirė sulaukęs žilos senatvės, turtingas ir gerbiamas; jo sūnus Saliamonas užėmė jo vietą.
28Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.[Heb. voky andro sy harena ary voninahitra]
29Karaliaus Dovydo darbai nuo pradžios iki galo yra užrašyti regėtojo Samuelio, pranašo Natano ir regėtojo Gado knygose.
29Ary ny tantaran'i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Samoela mpahita sy ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany ary ao amin'ny bokin'i Gada mpahita izany,mbamin'ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin'ny ary tamin'ny Isiraely sy tamin'ny fanjakana rehetra tamin'ny tany.[Heb. ny andro niseho taminy]
30Ten aprašyta jo viešpatavimas, galybė ir visa, kas atsitiko jam ir Izraeliui bei kitoms karalystėms.
30mbamin'ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin'ny ary tamin'ny Isiraely sy tamin'ny fanjakana rehetra tamin'ny tany.[Heb. ny andro niseho taminy]