1Ahabas papasakojo Jezabelei visa, ką padarė Elijas ir kaip jis išžudė visus Baalo pranašus.
1[Ny nandosiran'i Elia nankany an-efitra, sy ny nisehoan'Andriamanitra taminy tao Horeba, ary ny nanendrena an'i Elisa handimby azy] Dia nolazain'i Ahaba tamin'i Jezebela izay rehetra nataon'i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin'ny sabatra.
2Jezabelė siuntė pasiuntinį pas Eliją, sakydama: “Tegul dievai man padaro tai ir dar daugiau, jei rytoj apie šitą laiką aš nepadarysiu tau taip, kaip tu padarei Baalo pranašams”.
2Ary Jezebela naniraka olona tany amin'i Elia hanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain'ny anankiray amin'ireny ny ainao raha maraina toy izao.
3Tai pamatęs, jis pakilo ir išėjo, kad išgelbėtų savo gyvybę. Atėjęs į Judo Beer Šebą ir palikęs ten savo tarną,
3Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
4pats ėjo į dykumą visą dieną. Atėjęs jis atsisėdo po vienu kadagiu ir meldė sau mirties: “Viešpatie, gana, pasiimk mano gyvenimą, aš nesu geresnis už savo tėvus”.
4Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin'ny anjavidy anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô. fa tsy tsara noho ny razako aho.[Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]
5Jis atsigulė ir užmigo po kadagiu. Angelas palietė jį ir tarė: “Kelkis ir valgyk”.
5Ary raha nandry natory teo ambanin'ny anjavidy anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna. [Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]
6Elijas pažiūrėjo ir pamatė galvūgalyje paplotį ir indą su vandeniu. Pavalgęs ir atsigėręs jis vėl atsigulė.
6Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan'ny lohany nisy mofo voaendy tamin'ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
7Viešpaties angelas atėjo antrą kartą ir, jį palietęs, tarė: “Kelkis ir valgyk, nes tavęs laukia ilgas kelias”.
7Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.
8Pavalgęs ir pasistiprinęs tuo maistu, jis ėjo keturiasdešimt parų iki Dievo kalno Horebo.
8Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin'ny tanjaka azony tamin'izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.
9Jam apsinakvojus vienoje oloje, Viešpats jam tarė: “Ką čia veiki, Elijau?”
9Ary niditra tao anatin'ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Manao inona atỳ ianao, ry Elia?
10Jis atsakė: “Aš buvau labai uolus dėl Viešpaties, kareivijų Dievo, nes izraelitai sulaužė Tavo sandorą, išgriovė Tavo aukurus ir išžudė Tavo pranašus. Aš vienas likau, ir jie ieško mano gyvybės”.
10Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
11Viešpats tarė: “Išeik ir atsistok ant kalno prieš Viešpatį”. Viešpats praėjo, ir didelė bei smarki audra, ardanti kalnus ir trupinanti uolas, buvo priešais Viešpatį. Bet audroje nebuvo Viešpaties. Po audros drebėjo žemė, bet Viešpaties nebuvo žemės drebėjime.
11Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin'ny tendrombohitra eo anatrehan'i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan': Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin'ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin'ny horohoron-tany;
12Žemės drebėjimui praėjus, pakilo liepsnos, bet ir liepsnose Viešpaties nebuvo. Tada pasigirdo tylus ramus balsas.
12ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin'ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.
13Elijas, jį išgirdęs, apsigaubė veidą apsiaustu ir išėjęs atsistojo olos angoje. Pasigirdo balsas: “Ką čia veiki, Elijau?”
13Ary raha ren'i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia ?
14Jis atsakė: “Aš buvau labai uolus dėl Viešpaties, kareivijų Dievo, nes izraelitai sulaužė Tavo sandorą, išgriovė Tavo aukurus ir išžudė Tavo pranašus. Aš vienas likau, ir jie ieško mano gyvybės”.
14Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa. nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
15Viešpats jam tarė: “Grįžk savo keliu per dykumą į Damaską ir nuvykęs ten patepk Hazaelį Sirijos karaliumi,
15Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin'ny nalehanao ho any amin'ny efitr'i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan'i Syria;
16Nimšio sūnų JehuvąIzraelio karaliumi ir Šafato sūnų Eliziejų iš Abel Meholos patepk pranašu savo vieton.
16Ary Jeho,zanak'i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan'ny Isiraely; ary Elisa, zanak'i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao.
17Kas paspruks nuo Hazaelio kardo, tą nužudys Jehuvas, o kas paspruks nuo Jehuvo kardo, tą nužudys Eliziejus.
17Ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Hazaela dia hovonoin'i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Jeho kosa dia hovonoin'i Elisa.
18Tačiau Aš pasilikau Izraelyje septynis tūkstančius, kurie nesulenkė kelių prieš Baalą ir nebučiavo jo”.
18Nefa hamela fito arivo ao amin'ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin'i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
19Elijas, išėjęs iš ten, surado Šafato sūnų Eliziejų ariantį lauką. Dvylika jungų jaučių ėjo pirma jo, jis pats arė su dvyliktuoju. Elijas, praeidamas pro jį, užmetė ant jo savo apsiaustą.
19Ary niala teo Elia ka nahita an'i Elisa, zanak'i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin'ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy.
20Tas, palikęs jaučius ir bėgdamas paskui Eliją, tarė: “Leisk man pabučiuoti savo tėvą ir motiną, tuomet aš seksiu tave”. Elijas jam atsakė: “Eik ir sugrįžk, nes ką aš tau padariau?”
20Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an'i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an'ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.[Na: natonony]
21Jis sugrįžo, papjovė jungo jaučius ir, išviręs juos ant pakinktų medžių, mėsą išdalino žmonėms, ir jie valgė. Po to jis sekė Eliją ir jam tarnavo.
21Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.[Na: natonony]