Lithuanian

Malagasy

1 Kings

20

1Sirijos karalius Ben Hadadas surinko visą savo kariuomenę: su juo buvo trisdešimt du karaliai, žirgai ir kovos vežimai, ir puolė Samariją.
1[Ny nandresen'i Ahaba indroa an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin'ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an'i Samada ary namely azy.
2Ben Hadadas per pasiuntinius pranešė Izraelio karaliui Ahabui:
2Ary nandefa iraka ho any amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tany an-tanàna izy
3“Tavo sidabras ir auksas yra mano, taip pat tavo žmonos ir geriausieji vaikai”.
3hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa.
4Izraelio karalius atsakė: “Mano valdove karaliau, kaip tu sakei, aš ir visa, kas man priklauso, esame tavo”.
4Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô: anao aho sy izay rehetra ananako.
5Pasiuntiniai vėl atėjo pas Ahabą ir sakė: “Taip sako Ben Hadadas: ‘Nors aš sakiau tau, kad tu atiduosi man savo sidabrą, auksą, žmonas ir vaikus,
5Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin'i Beni-hadada: Naniraka tatỳ aminao aho nanao hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao aman-janakao dia omeo ahy;
6bet rytoj šituo laiku atsiųsiu pas tave savo tarnus, jie iškratys tavo bei tavo tarnų namus ir visa, kas brangu tavo akyse, surinkę išsigabens’ ”.
6koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao, dia horaisin'ny tànany sy ho entiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona.
7Tada Izraelio karalius, sušaukęs visus krašto vyresniuosius, jiems kalbėjo: “Klausykite ir stebėkite, kaip Ben Hadadas siekia pikto. Jis atsiuntė pas mane pasiuntinius, reikalaudamas mano žmonų, vaikų, sidabro ir aukso, ir aš jam neprieštaravau”.
7Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin'ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tatỳ amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin'ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko.
8Visi vyresnieji ir tauta jam atsakė: “Neklausyk ir nesutik!”
8Ary hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky.
9Ahabas atsakė Ben Hadado pasiuntiniams: “Sakykite mano valdovui karaliui, kad aš visa, ko jis reikalavo pradžioje, darysiu, bet paskutinio jo reikalavimo nevykdysiu”. Pasiuntiniai viską pranešė Ben Hadadui.
9Ka dia hoy Ahaba tamin'ny irak'i Beni-hadada. Lazao amin'ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin'ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin'i Beni-hadada indray;
10Karalius vėl siuntė pas Ahabą pasiuntinius su tokiu pranešimu: “Tegul dievai padaro man tai ir dar daugiau, jei Samarijos dulkių bent po saują užtektų žmonėms, kurie seka mane”.
10ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok'i Samaria amin'ny isan-olona manaraka ahy.
11Izraelio karalius atsakė: “Tenesigiria tas, kuris susijuosia, tarsi jau nusijuostų”.
11Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misikina tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha.
12Kai išgirdo šitą atsakymą, Ben Hadadas puotavo su karaliais palapinėje. Jis įsakė savo tarnams pasiruošti, ir tie išsirikiavo kovai prieš miestą.
12Ary rehefa ren'i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tanàna izy.
13Pranašas priėjo prie Izraelio karaliaus Ahabo ir tarė: “Taip sako Viešpats: ‘Ar matai visą šitą daugybę? Aš ją šiandien atiduosiu į tavo rankas, kad žinotum, jog Aš esu Viešpats’ ”.
13Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo ? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
14Ahabas klausė: “Per ką?” Pranašas atsakė: “Taip sako Viešpats: ‘Per sričių kunigaikščių jaunuolius’ ”. Karalius vėl klausė: “Kas turi pradėti mūšį?” Jis atsakė: “Tu”.
14Ary hoy Ahaba: Amin'iza? Ary hoy izy: Izao no lazain'i Jehovah: Amin'ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha ? Hianao ihany, hoy izy.
15Sričių kunigaikščių jaunuolių buvo du šimtai trisdešimt du, o iš viso izraelitų­septyni tūkstančiai.
15Ary nandamina ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telo-polo amby roan-jato no isany; ary manarakaraka izany, dia nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany.
16Jis išėjo vidudienį; Ben Hadadas buvo nusigėręs, gerdamas palapinėje su trisdešimt dviem karaliais, jo sąjungininkais.
16Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy.
17Sričių kunigaikščių jaunuoliai išėjo pirmieji. Ben Hadadas pasiuntė žvalgus, kurie jam pranešė: “Vyrai išėjo iš Samarijos”.
17Ary ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria.
18Jis įsakė: “Jei jie eina taikos prašyti, suimkite juos gyvus, o jei eina kariauti, taip pat suimkite juos gyvus”.
18Ary hoy izy: Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady.
19Sričių kunigaikščių jaunuoliai išėjo iš miesto, o kariuomenė sekė juos.
19Dia nivoaka avy tao an-tanàna ireo zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-totony ireo sy ny miaramila izay nanaraka azy.
20Jie žudė kiekvieną, kuris išėjo prieš juos, ir sirai bėgo, o izraelitai juos vijosi. Sirijos karalius Ben Hadadas pabėgo ant žirgo su raiteliais.
20Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin'ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin'ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa.
21Izraelio karalius išėjo ir paėmė kovos vežimų ir žirgų, ir smarkiai sumušė sirus.
21Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana.
22Tada pranašas, atėjęs pas Izraelio karalių, jam tarė: “Eik, sustiprėk ir žiūrėk, ką darai, nes po metų Sirijos karalius vėl puls tave”.
22Ary ilay mpaminany nankany amin'ny i mpanjakan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan'i Syria hiady aminao.
23Sirijos karaliaus tarnai kalbėjo karaliui: “Jų dievai yra kalnų dievai, todėl jie mus nugalėjo. Bet jei kariautume su jais lygumoje, mes juos nugalėtume.
23Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjakan'i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr'izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e.!
24Padaryk šitaip: pašalink visus karalius iš jų vietų ir jų vieton paskirk vadus.
24Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin'ny toerany avy, ka asio mpanapaka hisolo azy;
25Surink kariuomenę, kokią praradai, taip pat atstatyk žirgų ir kovos vežimų skaičių. Tada kariausime su jais lygumoje ir tikrai juos nugalėsime”. Karalius paklausė jų patarimo ir taip padarė.
25ary ianao kosa dia makà miaramila ho anao toraka ny miaramilanao izay maty teo ary soavaly ho solon'ny soavaly sy kalesy ho solon'ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin'ireo izy, ka dia nataony izany.
26Metams praėjus, Ben Hadadas su savo kariuomene atėjo į Afeką kariauti su Izraeliu.
26Ary nony niherina ny taona, dia nandamina ny Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin'ny Isiraely.
27Izraelitai susirinko ir išėjo prieš juos. Izraelitai sustojo priešais juos lyg dvi mažos ožkų kaimenės, o sirų buvo pilnas kraštas.
27Ary ny Zanak'Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak'Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany.
28Tuomet Dievo vyras, priėjęs prie Izraelio karaliaus, tarė: “Taip sako Viešpats: ‘Kadangi sirai sakė, kad Viešpats yra kalnų Dievas, bet ne slėnių Dievas, tai Aš atiduosiu visą šitą daugybę į tavo rankas, kad jūs žinotumėte, jog Aš esu Viešpats’ ”.
28Ary nanatona ilay lehilahin'Andriamanitra ka nilaza tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
29Taip jie stovėjo pasiruošę vieni prieš kitus septynias dienas, ir septintą dieną prasidėjo kova. Izraelitai nužudė tą dieną šimtą tūkstančių sirų pėstininkų.
29Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin'ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak'Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin'ny Syriana indray andro.
30Likusieji pabėgo į Afeko miestą, kur ant likusių dvidešimt septynių tūkstančių užgriuvo mūras. Ben Hadadas irgi pabėgo į miestą ir pasislėpė vidiniame kambaryje.
30Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran'ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao amin'ny efi-trano anatiny. [Na: nitsofotsofoka amin'ny efi-trano]
31Jo tarnai kalbėjo jam: “Mes girdėjome, kad Izraelio karaliai yra gailestingi. Apsijuoskime ašutinėmis, užsidėkime virves ant kaklo ir išeikime pas Izraelio karalių. Gal jis paliks tave gyvą”.
31Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan'ny taranak'Isiraely. Koa masìna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao. [Heb. lamba malailay]
32Jie, apsijuosę ašutinėmis, užsidėjo virves ir, atėję pas Izraelio karalių, tarė: “Tavo tarnas Ben Hadadas prašo: ‘Palik mane gyvą’ ”. Ahabas atsakė: “Jei jis dar gyvas, jis yra mano brolis”.
32Dia nosikinany lamba fisaonana ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin'i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.[Heb. lamba malailay]
33Vyrai tai palaikė geru ženklu ir pakartojo: “Ben Hadadas yra tavo brolis”. Karalius tarė: “Atveskite jį!” Ben Hadadui atėjus, Ahabas pasisodino jį į savo vežimą.
33Ary nataon'ireo olona ireo fa zara ho azy izany, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin'ny kalesiny.[Heb. nanao sikidy]
34Ben Hadadas tarė jam: “Miestus, kuriuos mano tėvas atėmė iš tavo tėvo, grąžinu; tu įsteik prekyviečių Damaske, kaip mano tėvas buvo įsteigęs Samarijoje”. Ahabas atsakė: “Šitomis sąlygomis aš tave paleidžiu”. Juodu sudarė sutartį, ir Ahabas paleido Sirijos karalių.
34Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain'ny raiko tamin'ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon'ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin'izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy.
35Vienas iš pranašų, Viešpačiui paliepus, tarė savo draugui: “Mušk mane”. Bet tas atsisakė jį mušti.
35Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin'ny namany araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.
36Tada jis jam sakė: “Kadangi nepaklausei Viešpaties žodžio, kai pasitrauksi nuo manęs, tave nužudys liūtas”. Kai jis pasitraukė, jį sutiko liūtas ir sudraskė.
36Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon'i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan'ny liona ka novonoiny.
37Sutikęs kitą vyrą, jis vėl sakė: “Mušk mane”. Tas mušė jį ir sužeidė.
37Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho. Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra.
38Po to pranašas nuėjęs atsistojo prie kelio ir laukė karaliaus. Jis užsirišo raištį ant akių.
38Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin'ny handriny tsy hahafantarany azy.
39Karaliui praeinant, jis sušuko: “Tavo tarnas dalyvavo mūšyje. Vienas žmogus atvedė pas mane vyrą ir įsakė: ‘Saugok jį! Jei jis pabėgs, tu atsakysi savo gyvybe arba turėsi sumokėti talentą sidabro’.
39Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin'ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao.
40Kai tavo tarnas buvo užsiėmęs šiuo bei tuo, jis pabėgo”. Izraelio karalius jam tarė: “Teismo sprendimą tu pats sau pasakei”.
40Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy. Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao no nilaza izany.
41Jis skubiai nusiėmė raištį, ir Izraelio karalius atpažino, kad jis pranašas.
41Ary nesoriny haingana ilay fehi-loha tamin'ny handriny; ka dia fantatry ny mpanjakan'ny Isiraely fa isan'ny mpaminany izy.
42Pranašas jam tarė: “Taip sako Viešpats: ‘Kadangi tu paleidai vyrą, kurį Aš buvau paskyręs visiškam sunaikinimui, tai tavo gyvybė bus už jo gyvybę ir tavo tauta už jo tautą’ ”.
42Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.[Heb. nataoko herema]Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.
43Izraelio karalius vyko namo į Samariją paniuręs ir nepatenkintas.
43Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.