1Prieš mirtį Dovydas tarė savo sūnui Saliamonui:
1[Ny hafatra nataon'i Davida tamin'i Solomona, sy ny nahafatesany] Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe:
2“Aš einu visos žemės keliu. Būk stiprus ir tikras vyras.
2Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.
3Saugok Viešpaties, savo Dievo, nurodymus, vaikščiok Jo keliais, laikykis Jo nuostatų, įsakymų, įstatymų ir įspėjimų, surašytų Mozės įstatyme, kad tau sektųsi visur ir visuomet,
3Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
4kad Viešpats ištesėtų savo žodį, kurį Jis man kalbėjo: ‘Jei tavo sūnūs ištikimai vaikščios mano keliais, visa širdimi ir siela pasitikės manimi, tai tavo palikuonys valdys Izraelį’.
4mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.
5Be to, tu žinai, ką padarė man Cerujos sūnus Joabas, kaip jis nužudė abu Izraelio kariuomenės vadus: Nero sūnų Abnerą ir Jetero sūnų Amasą. Jis nužudė juos, taikos metu praliedamas karo kraują, ir sutepė nekaltu krauju savo diržą ir kurpes.
5Ary ianao koa mahalala izay nataon'i Joaba, zanak'i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin'izy roa lahy komandin'ny miaramilan'ny Isiraely, dia tamin'i Abnera, zanak'i Nera, sy tamin'i Amasa, zanak'i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin'ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin'ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
6Pasielk su juo pagal savo išmintį ir neleisk jam ramiai numirti.
6Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'ny fiadanana ny volo fotsiny.[Heb: Sheola]
7Būk malonus gileadito Barzilajaus sūnums, leisk jiems valgyti prie savo stalo, nes jie mane pasitiko, kai bėgau nuo tavo brolio Abšalomo.
7Fa ny zanak'i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan'izay mihinana eo amin'ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan'ireo tany amiko, fony nandositra an'i Absaloma rahalahinao aho.
8Gero sūnus Šimis, benjaminas iš Bahurimo, mane smarkiai keikė tą dieną, kai ėjau į Machanaimą. Bet jis atėjo manęs pasitikti prie Jordano, ir aš jam prisiekiau Viešpačiu, sakydamas: ‘Aš nežudysiu tavęs’.
8Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak'i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin'ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin'ny sabatra ianao.
9Nepalik jo nenubaudęs. Tu esi išmintingas vyras ir žinosi, kaip su juo pasielgti, kad jo žili plaukai kruvini į kapą nueitų”.
9Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin'ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin'ny fiainan-tsi-hita.[Heb. Sheola]
10Dovydas užmigo prie savo tėvų ir buvo palaidotas Dovydo mieste.
10Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany ka nalevina ao an-Tanànan'i Davida.
11Dovydas valdė Izraelį keturiasdešimt metų. Septynerius metus jis karaliavo Hebrone ir trisdešimt trejus metus Jeruzalėje.
11Ary ny andro nanjakan'i Davida tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
12Saliamonas atsisėdo į savo tėvo Dovydo sostą, ir jo karalystė labai sustiprėjo.
12[Ny nataon'i Solomona hampiorina tsara ny fanjakany] Ary Solomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsara
13Kartą Hagitos sūnus Adonijas atėjo pas Saliamono motiną Batšebą. Ji klausė: “Ar atėjai taikingai?” Jis atsakė: “Taikingai”.
13Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nankany amin'i Batseba, renin'i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
14Ir pridūrė: “Aš turiu tau kai ką pasakyti”. Ji tarė: “Sakyk”.
14Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary.
15Adonijas tarė: “Tu žinai, kad aš turėjau valdyti Izraelį ir visas Izraelis to laukė. Tačiau viskas kitaip išėjo ir karalystė teko mano broliui, nes taip buvo Viešpaties skirta.
15Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, fa azony avy tamin'i Jehovah.
16Neatmesk mano prašymo”. Ji tarė: “Sakyk”.
16Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary.
17Jis sakė: “Prašau, pakalbėk su karaliumi Saliamonu. Jis tikrai išklausys tave ir leis man vesti šunemietę Abišagą”.
17Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin'i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy). mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita.
18Batšeba atsakė: “Gerai, aš pakalbėsiu su karaliumi dėl tavęs”.
18Ary hoy Batseba: Eny ary, fa izaho dia hilaza ny teninao amin'ny mpanjaka.
19Batšeba nuėjo pas karalių Saliamoną pakalbėti už Adoniją. Karalius atsistojęs pasitiko ją ir nusilenkė jai. Tada atsisėdo į savo sostą, o karaliaus motinai buvo skirta vieta jo dešinėje.
19Ary Batseba nankany amin'i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin'i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an'i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an'ny renin'ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin'ny ankavanany izy.
20Ji tarė: “Aš atėjau pas tave su mažu prašymu, karaliau. Neatsakyk man!” Karalius jai tarė: “Prašyk, motin! Aš neatsakysiu tau”.
20Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy handà anao aho.
21Ji tarė: “Leisk Adonijui, savo broliui, vesti šunemietę Abišagą”.
21Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin'i Adonia rahalahinao.
22Karalius Saliamonas atsakė savo motinai: “Kodėl tu prašai Adonijui tik šunemietės Abišagos? Prašyk jam ir karalystės, nes jis yra mano vyresnysis brolis ir su juo yra kunigas Abjataras bei Cerujos sūnus Joabas”.
22Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an'i Abisaga Sonemita ho an'i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba, zanak'i Zeroia.
23Karalius Saliamonas prisiekė Viešpačiu: “Tegul Dievas padaro man tai ir dar daugiau, jei šitas jo prašymas nekainuos Adonijui gyvybės.
23Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin'i Jehovah hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.
24Kaip gyvas Viešpats, kuris man suteikė karalystę, pasodino mane į mano tėvo Dovydo sostą ir įkūrė man namus, kaip buvo pažadėjęs, šiandien Adonijas mirs”.
24Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.[Heb. nanao trano ho ahy]
25Karalius Saliamonas pasiuntė Jehojados sūnų Benają, kuris nužudė Adoniją.
25Ary Solomona mpanjaka naniraka an'i Benaia, zanak'i Joiada; ary izy namely azy ho faty.
26Kunigui Abjatarui karalius įsakė: “Eik į Anatotą, į savo žemę. Nors esi nusipelnęs mirties, bet šiandien nebausiu tavęs mirtimi, nes tu nešiojai Viešpaties Dievo skrynią mano tėvo Dovydo laikais ir kentėjai su juo visus vargus, kuriuos jis kentėjo”.
26Ary Abiatara mpisorona dia nilazan'ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin'izao andro izao. satria nitondra ny fiaran'i Jehovah Tompo teo alohan'i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin'ny raiko tamin'izay rehetra nampahoriana azy.
27Saliamonas pašalino Abjatarą iš kunigo tarnystės. Taip išsipildė Viešpaties žodis, kurį Jis kalbėjo apie Elio giminę Šilojuje.
27Ary Solomona dia nanongana an'i Abiatara tsy ho mpisoron'i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin'i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin'ny taranak'i Ely, izy.
28Kai ta žinia pasiekė Joabą, jis nubėgo į Viešpaties palapinę ir nusitvėrė už aukuro ragų. Joabas buvo išvien su Adoniju, nors Abšalomo jis nerėmė.
28Ary ren'i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an'i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an'i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin'ny trano-lain'i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
29Kai karaliui Saliamonui pranešė, kad Joabas pabėgo į Viešpaties palapinę ir stovi šalia aukuro, Saliamonas pasiuntė Jehojados sūnų Benają ir įsakė nužudyti Joabą.
29Ary nambara tamin'i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin'ny trano-lain'i Jehovah, ka, indro, eo anilan'ny alitara izy. Dia nirahin'i Solomona Benaia, zanak'i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.
30Benajas, atėjęs prie Viešpaties palapinės, jam tarė: “Karalius įsako: ‘Išeik!’ ” Bet Joabas atsakė: “Neisiu, bet mirsiu čia”. Tada Benajas pranešė karaliui, ką Joabas atsakė.
30Ary Benaia tonga tao amin'ny tranolain'i Jehovah ka nanao tamin'i Joaba hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin'ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain'i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
31Karalius jam atsakė: “Daryk, kaip jis sakė: nužudyk jį ir palaidok, kad būtų pašalintas Joabo nekaltai pralietas kraujas nuo manęs ir mano tėvo namų.
31Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak'i Joaba.
32Viešpats jo kraują grąžins ant jo galvos, nes jis, mano tėvui nežinant, nužudė du vyrus, teisesnius ir geresnius už save: Nero sūnų Abnerą, Izraelio kariuomenės vadą, ir Jetero sūnų Amasą, Judo kariuomenės vadą.
32Dia hatsingerin'i Jehovah ho amin'ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin'ny sabatra, dia Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'ny Isiraely sy Amasa, zanak'i Jatera, komandin'ny miaramilan'ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory
33Jų kraujas sugrįš ant Joabo galvos ir ant jo palikuonių per amžius, bet Dovydui, jo palikuonims, namams ir sostui tebūna nuo Viešpaties amžina ramybė” .
33Eny, ny ran'izy roa lahy ireo hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny lohan'ny taranany mandrakizay; fa amin'i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin'ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin'i Jehovah.
34Jehojados sūnus Benajas nuėjo, nužudė jį ir palaidojo jam priklausančioje žemėje dykumoje.
34Dia niakatra Benaia, zanak'i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin'ny fonenany tany an-efitra izy.
35Karalius paskyrė jo vieton kariuomenės vadu Jehojados sūnų Benają, o kunigą Cadokąį Abjataro vietą.
35Ary Benaia, zanak'i Joiada, no notendren'ny mpanjaka ho solony ho komandin'ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren'ny mpanjaka ho solon'i Abiatara.
36Po to karalius pasikvietė Šimį ir jam sakė: “Pasistatyk namus Jeruzalėje, čia gyvenk ir niekur neišeik.
36Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.
37Jei kurią dieną išeisi ir pereisi Kidrono upelį, tikrai mirsi. Tavo kraujas bus ant tavo paties galvos”.
37Fa amin'izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin'ny lohanao ihany.
38Šimis atsakė karaliui: “Gerai pasakyta. Kaip mano valdovas karalius įsakė, taip aš darysiu”. Šimis ilgai gyveno Jeruzalėje.
38Ary hoy Simey tamin'ny mpanjaka: Tsara izany teny izany; araka izany nolazain'ny mpanjaka tompoko Izany no hataon'ny mpanomponao. Ary Simey nitoetra ela tany Jerosalema.
39Po trejų metų du Šimio tarnai pabėgo pas Maakos sūnų Achišą, Gato karalių. Kai Šimiui pranešė, kad jo tarnai Gate,
39Ary nony afaka telo taona mipaka, dia nisy roa lahy mpanompon'i Simey, nandositra ho any amin'i Akisy, zanak'i Maka mpanjakan'i Gata. Ary nisy nanambara tamin'i Simey hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao.
40jis, pasibalnojęs asilą, nuvyko į Gatą pas Achišą savo tarnų ieškoti; ir Šimis, juos suradęs, parsivedė iš Gato.
40Dia nitsangana Simey nanisy lasely ny borikiny ka nankany Gata ho any amin'i Akisy hitady ny mpanompony, dia lasa nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata.
41Saliamonui buvo pranešta, kad Šimis buvo nuvykęs iš Jeruzalės į Gatą ir grįžo.
41Ary nambara tamin'i Solomona ny nialan'i Simey tany Jerosalema hankany Gata sy ny niveranany indray.
42Karalius pasikvietė Šimį ir jam tarė: “Ar aš neprisaikdinau tavęs Viešpačiu, kad tą dieną, kai tu iš Jeruzalės išeisi ir kur nors išvyksi, tikrai mirsi? Tu man sakei: ‘Gerai pasakyta’.
42Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin'i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin'izay andro hivoahanao sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko any.
43Kodėl nesilaikei Viešpaties priesaikos ir mano įsakymo, kurį tau buvau davęs?
43Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin'i Jehovah sy ny didy izay nandidiako anao?
44Tu žinai nedorybes, kurias padarei mano tėvui Dovydui. Viešpats sugrąžins tavo nedorybes ant tavo galvos.
44Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Simey: ianao mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin'i Davida raiko, eny, tsaroan'ny fonao izany, ka dia hatsingerin'i Jehovah amin'ny lohanao ny haratsianao.
45Karalius Saliamonas bus palaimintas ir Dovydo sostas bus įtvirtintas Viešpaties akivaizdoje per amžius”.
45Fa hotahina kosa Solomona mpanjaka, ary ny seza fiandrianan'i Davida hampitoerina eo anatrehan'i Jehovah mandrakizay.Ary ny mpanjaka nandidy an'i Benaia, zanak'i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an'i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan'i Solomona.
46Karalius įsakė Jehojados sūnui Benajui, ir jis išėjęs užmušė Šimį. Karalystė buvo įtvirtinta Saliamono rankose.
46Ary ny mpanjaka nandidy an'i Benaia, zanak'i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an'i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan'i Solomona.