1Karalius Dovydas paseno ir sulaukė daug metų. Gerai apklotas, jis nebesušildavo.
1[Ny niodinan'i Adonia, sy ny nanosorana an'i Solomona ho mpanjaka] Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana.
2Jo tarnai jam tarė: “Leisk mums, mūsų valdove karaliau, paieškoti jaunos mergaitės, kuri tau patarnautų, tave slaugytų, su tavimi miegotų ir tave sušildytų”.
2Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan'ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin'ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko.
3Jie ieškojo gražios mergaitės visame Izraelio krašte; suradę šunemietę Abišagą, atvedė ją pas karalių.
3Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra izy ka nahita an'i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin'ny mpanjaka.
4Mergaitė buvo labai graži; ji patarnavo karaliui ir slaugė jį, bet karalius jos nepažino.
4Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy.
5Hagitos sūnus Adonijas didžiavosi, sakydamas: “Aš būsiu karalius”. Jis įsigijo vežimų bei žirgų ir penkiasdešimt vyrų, kurie bėgtų pirma jo.
5Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.
6Tėvas nieko jam nedraudė ir neperspėjo taip nedaryti. Be to, jis buvo labai gražus ir gimęs po Abšalomo.
6Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao ? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an'i Absaloma.
7Cerujos sūnus Joabas ir kunigas Abjataras sekė Adoniją ir jam padėjo.
7Ary efa niresaka tamin'i Joaba, zanak'i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin'i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.
8Bet kunigas Cadokas ir Jehojados sūnus Benajas, pranašas Natanas, Šimis, Rėjas ir Dovydo karžygiai nepalaikė Adonijo.
8Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an'i Davida kosa tsy mba niandany tamin'i Adonia.
9Kartą Adonijas aukojo avis, jaučius ir nupenėtus galvijus prie Cokeleto akmens, šalia En Rogelio versmės. Ta proga jis pasikvietė visus savo brolius, karaliaus sūnus, ir visus Judo vyrus, kurie tarnavo karaliui,
9Ary Adonia namono ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby mifahy teo anilan'ny vato Zoheleta tanilan'i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, mpanompon'ny mpanjaka;
10bet pranašo Natano, Benajo, karžygių ir savo brolio Saliamono jis nepakvietė.
10fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy.
11Natanas kalbėjo Saliamono motinai Batšebai: “Ar girdėjai, kad, mūsų valdovui Dovydui nežinant, Hagitos sūnus Adonijas tapo karaliumi?
11Ary Natana niteny tamin'i Batseba, renin'i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak'i Hagita, nefa tsy fantatr'i Davida tompontsika akory izany?
12Aš noriu tau patarti, kaip išgelbėti save ir savo sūnaus Saliamono gyvybę.
12Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain'i Solomona zanakao.
13Nuėjusi pas karalių Dovydą, paklausk jį: ‘Ar mano valdovas karalius neprisiekė man, savo tarnaitei, kad mano sūnus Saliamonas karaliaus po tavęs ir sėdės tavo soste? Kodėl Adonijas dabar tapo karaliumi?’
13Mandehana mankany amin'i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka?
14Tau tebekalbant su karaliumi, aš ateisiu ir patvirtinsiu tavo žodžius”.
14Ary raha mbola miteny amin'ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.
15Batšeba atėjo į karaliaus kambarį. Karalius buvo labai pasenęs, ir šunemietė Abišaga patarnavo jam.
15Ary Batseba dia nankao amin'ny mpanjaka tao amin'ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy.
16Batšeba nusilenkė ir išreiškė pagarbą karaliui. Karalius klausė: “Ko nori?”
16Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao?
17Ji jam atsakė: “Mano valdove, tu prisiekei Viešpačiu, savo Dievu, savo tarnaitei, sakydamas: ‘Tavo sūnus Saliamonas karaliaus po manęs ir jis sėdės mano soste’.
17Dia hoy izy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.
18O dabar Adonijas, mano valdovui karaliui nežinant, tapo karaliumi!
18Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.
19Jis aukojo daugybę jaučių, nupenėtų galvijų bei avių ir pasikvietė karaliaus sūnus, kunigą Abjatarą ir kariuomenės vadą Joabą, bet tavo tarno Saliamono nepakvietė.
19Ary efa namono omby sy zanak'omby mifahy ary ondry aman'osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin'ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
20Dabar, mano valdove karaliau, viso Izraelio akys yra nukreiptos į tave, ką tu paskirsi į savo sostą po savęs.
20Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô. ny mason'ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.
21Kitaip, mano valdovui karaliui atsigulus prie savo tėvų, aš ir mano sūnus Saliamonas būsime laikomi nusikaltėliais”.
21Fa rehefa lasa modi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.
22Dar jai tebekalbant su karaliumi, atėjo pranašas Natanas.
22Ary raha mbola niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, dia. indro, niditra koa Natana mpaminany.
23Buvo pranešta karaliui: “Atėjo pranašas Natanas”. Atėjęs jis nusilenkė prieš karalių veidu iki žemės
23Ary nisy nanambara amin'ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
24ir tarė: “Mano valdove karaliau, ar tu sakei, kad Adonijas karaliaus po tavęs ir sėdės tavo soste?
24Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.
25Jis šiandien aukojo daugybę jaučių, nupenėtų galvijų bei avių ir pakvietė visus karaliaus sūnus, kariuomenės vadus ir kunigą Abjatarą į vaišes. Jie valgo, geria ir šaukia: ‘Tegyvuoja karalius Adonijas!’
25Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak'omby mifahy sy ondry aman'osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny komandin'ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!
26Bet manęs, tavo tarno, kunigo Cadoko, Jehojados sūnaus Benajo ir tavo sūnaus Saliamono jis nepakvietė.
26Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
27Jei iš tikrųjų tai padaryta mano valdovo karaliaus paliepimu, tai kodėl nepranešei savo tarnui, kas sėdės tavo soste po tavęs?”
27Moa avy tamin'ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao?
28Karalius Dovydas tarė: “Pašaukite Batšebą!” Jai įėjus ir atsistojus prieš karalių,
28Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankatỳ amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany
29jis tarė: “Kaip gyvas Viešpats, kuris išvadavo mane iš visokių bėdų,
29Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin'ny fahoriana rehetra,
30tavo sūnus Saliamonas karaliaus po manęs, kaip tau prisiekiau Viešpačiu, Izraelio Dievu. Jis sėdės soste vietoje manęs, ir tai aš padarysiu šiandien”.
30dia tahaka ilay nianianako tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.
31Tada Batšeba nusilenkė veidu iki žemės, išreiškė karaliui pagarbą ir tarė: “Tegyvuoja mano valdovas karalius Dovydas per amžius!”
31Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko!
32Karalius Dovydas sakė: “Pašaukite kunigą Cadoką, pranašą Nataną ir Jehojados sūnų Benają!” Jiems atėjus,
32Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak'i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy telo lahy.
33karalius sakė: “Imkite savo valdovo tarnus, užsodinkite mano sūnų Saliamoną ant mano mulo ir palydėkite jį į Gihoną.
33Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midina any Gihona izy.
34Kunigas Cadokas ir pranašas Natanas ten jį tepatepa Izraelio karaliumi. Po to trimituokite ir šaukite: ‘Tegyvuoja karalius Saliamonas!’
34Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan'ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
35Jūs lydėkite jį, kad jis ateitų ir atsisėstų mano soste. Jis karaliaus mano vietoje, aš jį paskyriau Izraelio ir Judo valdovu”.
35Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy. satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.
36Tuomet Jehojados sūnus Benajas tarė karaliui: “Amen! Taip sako Viešpats, mano valdovo karaliaus Dievas!
36Ary Benaja, zanak'i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko.
37Kaip Viešpats buvo su mano valdovu karaliumi, taip jis tebūna su Saliamonu ir tepadaro jo sostą didingesnį už mano valdovo karaliaus Dovydo sostą!”
37Toy ny nomban'i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an'i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan'i Solomona.
38Kunigas Cadokas, pranašas Natanas, Jehojados sūnus Benajas, keretai ir peletai nuėję užsodino Saliamoną ant karaliaus Dovydo mulo ir nulydėjo jį į Gihoną.
38Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana, dia nampitaingina an'i Solomona ny ampondravavin'i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.[Heb. Keretita sy Peletita]
39Ten kunigas Cadokas ėmė ragą su aliejumi iš Dievo palapinės ir patepė Saliamoną. Po to jie trimitavo ir visi žmonės šaukė: “Tegyvuoja karalius Saliamonas!”
39Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin'ny trano-lay ka nanosotra an'i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
40Visi žmonės ėjo paskui jį pūsdami vamzdžius ir labai džiaugdamiesi, net žemė drebėjo nuo jų triukšmo.
40Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro ny tany noho ny feony.[Heb. nitresaka]
41Adonijas ir jo svečiai, baigdami valgyti, išgirdo tą triukšmą. Joabas, išgirdęs trimito garsą, paklausė: “Kodėl toks triukšmas mieste?”
41Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon'ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?
42Jam kalbant, atėjo kunigo Abjataro sūnus Jehonatanas. Adonijas tarė: “Užeik! Tu esi ištikimas vyras ir atnešei gerą žinią”.
42Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak'i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao.
43Jehonatanas atsakė Adonijui: “Mūsų karalius Dovydas paskyrė karaliumi Saliamoną.
43Fa Jonatana niteny ka nanao tamin'i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an'i Solomona tokoa ho mpanjaka.
44Karalius pasiuntė kunigą Cadoką, pranašą Nataną, Jehojados sūnų Benają, keretus ir peletus ir jie užsodino Saliamoną ant karaliaus mulo.
44Ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin'ireo ny ampondravavin'ny mpanjaka izy.
45Kunigas Cadokas bei pranašas Natanas patepė jį karaliumi Gihone. Iš ten jie ėjo džiaugdamiesi ir šūkaudami, net visas miestas drebėjo. Tą triukšmą jūs ir girdėjote.
45Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.
46Saliamonas jau sėdi karaliaus soste.
46Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana.
47Be to, karaliaus tarnai atėjo pasveikinti mūsų karalių Dovydą, sakydami: ‘Tepadaro tavo Dievas Saliamono vardą garsesnį už tavo vardą ir jo sostą didingesnį už tavo sostą!’ Karalius nusilenkė lovoje
47Ary dia tonga koa ny mpanompon'ny mpanjaka hisaotra an'i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon'Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka
48ir kalbėjo: ‘Palaimintas Viešpats, Izraelio Dievas, kuris dar mano akims matant pasodino jį į mano sostą!’ ”
48ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako androany, sady hitan'ny masoko koa izany.
49Tuomet visi Adonijo svečiai išsigandę išėjo kiekvienas savo keliu.
49Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain'i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin'izay nalehany avy izy rehetra.
50Adonijas taip išsigando Saliamono, kad nuėjo ir nusitvėrė už aukuro ragų.
50Ary Adonia koa natahotra an'i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.
51Saliamonui buvo pranešta: “Adonijas bijo karaliaus Saliamono. Jis nusitvėrė už aukuro ragų ir sako: ‘Teprisiekia man karalius Saliamonas, kad nenužudys savo tarno’ ”.
51Ary nambara tamin'i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an'i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin'ny sabatra.
52Saliamonas atsakė: “Jei jis bus ištikimas, tai nė vienas jo plaukas nenukris žemėn, bet jei nusikalsmirs!”
52Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin'ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.
53Karalius Saliamonas liepė atvesti Adoniją nuo aukuro pas jį. Kai Adonijas įėjo ir nusilenkė prieš karalių Saliamoną, karalius tarė: “Eik namo!”
53Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin'ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.