1Viešpaties rūstybė vėl užsidegė prieš Izraelį. Jis paragino Dovydą suskaičiuoti Izraelio ir Judo gyventojus.
1[Ny nanisana ny olona, sy ny aretim-be nanjo azy tamin'izany] Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra indray tamin'ny Isiraely, ka dia nanome saina an'i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin'ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda.
2Karalius įsakė Joabui, kariuomenės vadui: “Suskaičiuok izraelitus nuo Dano iki Beer Šebos, kad žinočiau jų skaičių”.
2Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba, komandin'ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny firenen'isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany.
3Joabas atsakė karaliui: “Viešpats, tavo Dievas, tepadaugina žmones šimtą kartų valdovui matant. Bet kodėl, mano valdove karaliau, užsigeidei šitokio dalyko?”
3Fa hoy Joaba amin'ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan'ny mason'ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan'ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
4Tačiau Joabas ir kariuomenės vadai turėjo paklusti karaliaus žodžiams, ir Joabas su kariuomenės vadais išėjo skaičiuoti Izraelio žmonių.
4Nefa tsy azon'i Joaba sy ny komandin'ny miaramila nolavina ny tenin'ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin'ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan'ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin'ny Isiraely.
5Jie, perėję Jordaną, pradėjo nuo Aroero miesto, esančio slėnyje, Gado ir Jazero kryptimi.
5Ary nita an'i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan'ilay tanàna afovoan'ny lohasahan-driak'i Gada, dia nankany Jazera.
6Atėję į Gileado kraštą iki Kadešo, pasuko į Sidoną.
6Dia tonga tany Gileada izy, tany amin'ny tamin'i Tatima-hodsy, dia tonga tany Danajana izy, ka nanodidina hatrany Sidona,[Na: tany amin'ny tany lemaka vao azo]
7Jie atėjo iki sutvirtintojo Tyro miesto, apėjo visus hivių ir kanaaniečių miestus ir pasiekė Beer Šebą Judo pietuose.
7ary tonga tao Tyro, tanàna mimanda, sy tany amin'ny tanànan'ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin'ny tany atsimo izay an'ny Joda hatrany Beri-sheba izy.
8Apvaikščioję visą šalį, po devynių mėnesių ir dvidešimties dienų jie sugrįžo į Jeruzalę.
8Ary nony efa nitety ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy roa-polo andro.
9Joabas įteikė karaliui tautos skaičiavimo rezultatus. Izraelyje buvo aštuoni šimtai tūkstančių kariuomenei tinkamų vyrų, o Judepenki šimtai tūkstančių.
9Dia natolotr'i Joaba ny mpanjaka ny isan'ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra tamin'ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin'ny Joda.[Heb. mpanatsoaka sabatra]
10Ir Dovydo širdis sudrebėjo, kai jis buvo suskaičiavęs žmones. Dovydas tarė Viešpačiui: “Labai nusidėjau, taip darydamas. Viešpatie, prašau, atleisk savo tarno kaltę, nes labai kvailai pasielgiau”.
10Ary ny eritreritr'i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin'i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
11Kai Dovydas rytą atsikėlė, Viešpaties žodis atėjo pranašui Gadui, Dovydo regėtojui:
11Ary raha nifoha maraina Davida, dia tonga tamin'i Gada mpaminany, mpahitan'i Davida, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
12“Eik ir sakyk Dovydui, kad siūlau jam tris dalykus. Tegul pasirenka vieną iš trijų”.
12Mandehana, ka lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
13Gadas atėjo pas Dovydą, pasakė jam visa tai ir klausė: “Ar nori, kad septyni bado metai būtų tavo krašte, ar kad tris mėnesius turėtum bėgti nuo savo priešų, ar kad tris dienas maras siaustų krašte? Dabar apsigalvok ir nuspręsk, ką turiu atsakyti mane siuntusiam”.
13Ary Gada nankany amin'i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin'ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan'ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin'ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin'izay naniraka ahy.
14Dovydas atsakė Gadui: “Patekau į didelę bėdą. Bet geriau pakliūti į Viešpaties rankas, nes Jis gailestingas, negu pakliūti man į žmonių rankas”.
14Dia hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.
15Viešpats siuntė marą Izraeliui tą rytą ir jis tęsėsi iki nustatyto laiko. Nuo Dano iki Beer Šebos mirė septyniasdešimt tūkstančių vyrų.
15Ka dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin'ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
16Kai angelas ištiesė ranką į Jeruzalę, kad ją sunaikintų, Viešpačiui pagailo žmonių ir Jis tarė angelui, naikinusiam žmones: “Užteks! Nuleisk savo ranką!” Viešpaties angelas buvo prie jebusiečio Araunos klojimo.
16Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
17Dovydas, pamatęs angelą, kuris žudė žmones, tarė Viešpačiui: “Aš nusidėjau ir piktai pasielgiau! O šios avys, ką jos padarė? Tebūna Tavo ranka prieš mane ir mano tėvo namus”.
17Ary nony hitan'i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin'i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko.
18Tą dieną Gadas atėjo pas Dovydą ir jam tarė: “Eik, pastatyk Viešpačiui aukurą jebusiečio Araunos klojime”.
18Ary Gada nankany amin'i Davida tamin'izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manangàna alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
19Dovydas paklausė Gado ir nuėjo, kaip Viešpats įsakė.
19Koa dia niakatra Davida araka ny tenin'i Gada, araka izay nandidian'i Jehovah.
20Arauna, pamatęs karalių ir jo tarnus ateinančius pas jį, išėjo ir nusilenkė veidu iki žemės.
20Ary Araona nitsirika ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy, dia nivoaka izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka.
21Arauna paklausė: “Kodėl mano valdovas karalius atėjo pas savo tarną?” Dovydas atsakė: “Atėjau pirkti tavo klojimą, kad galėčiau Viešpačiui aukurą pastatyti ir maras liautųsi tautoje”.
21Ary hoy Araona: Ahoana no ahatongavan'ny mpanjaka tompoko atỳ amin'ny mpanompony? Dia hoy Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an'i Jehovah hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
22Tuomet Arauna atsakė Dovydui: “Mano valdove karaliau, imk ir aukok, ko tau reikia. Štai jaučiai deginamajai aukai, kūlimo įrankiai ir galvijų pakinktai kurui.
22Fa hoy Araona tamin'i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanatitra izany. Indreo ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin'ny omby hatao kitay.
23Visa tai, karaliau, aš dovanoju. Viešpats, tavo Dievas, tebūna tau malonus”.
23Izany rehetra izany, ry mpanjaka, dia omen'i Araona ny mpanjaka. Ary hoy Araona tamin'ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hankasitraka anao.
24Karalius atsakė: “Ne! Aš tikrai pirksiu tai iš tavęs už deramą kainą. Aš nenoriu Viešpačiui, savo Dievui, aukoti deginamųjų aukų, kurios man nieko nekainuoja”. Dovydas nupirko galvijus ir klojimą už penkiasdešimt šekelių sidabro,
24Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an'i Jehovah Andriamanitro amin'izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin'i Davida sekely volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby.Ary Davida nanao alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken'i Jehovah ny fifonana natao ho an'ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.
25pastatė ten aukurą Viešpačiui ir aukojo deginamąsias bei padėkos aukas. Viešpats išklausė jo maldų, ir maras liovėsi Izraelyje.
25Ary Davida nanao alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken'i Jehovah ny fifonana natao ho an'ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.