1Saliamonas sušaukė į Jeruzalę Izraelio vyresniuosius, giminių vadus ir izraelitų šeimų galvas Viešpaties Sandoros skryniai perkelti iš Dovydo miesto Siono.
1[Ny nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon'ny Isiraely sy ny lohan'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan'i Davida.
2Visi Izraelio vyrai susirinko pas karalių Saliamoną Etanimo mėnesį, kuris yra septintasis mėnuo, šventės metu.
2Dia nivory ho any amin'i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro firavoravoana tamin'ny volana Etanima (volana fahafito izany).
3Atėjo visi Izraelio vyresnieji, ir kunigai paėmė skrynią.
3Ary tonga ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary ny mpisorona no nitondra ny fiara;
4Ir jie nešė Viešpaties skrynią, Susitikimo palapinę ir visus šventus indus, kurie buvo palapinėje; kunigai ir levitai nešė juos.
4ary dia nampakariny ny fiaran'i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin'ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo.
5Karalius Saliamonas ir visi izraelitai, susirinkę pas jį, ėjo priešais skrynią ir aukojo tiek avių ir galvijų, kad jų neįmanoma buvo suskaityti.
5Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
6Kunigai įnešė Viešpaties Sandoros skrynią į Šventų švenčiausiąją po cherubų sparnais.
6Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima,
7Cherubų sparnai buvo išskleisti virš skrynios ir cherubai dengė skrynią bei jos kartis.
7fa nivelatra teo ambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
8Kartys buvo tokios ilgos, kad jų galai buvo matomi šventykloje, tačiau iš lauko jie nebuvo matomi. Jos ten pasiliko iki šios dienos.
8Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha amin'ny fitoerana masina eo anoloan'ny efitra anatiny, nefa tsy hita raha eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany izy.
9Skrynioje buvo tik dvi akmeninės plokštės, kurias Mozė įdėjo Horebe, kai Viešpats padarė sandorą su izraelitais, jiems išėjus iš Egipto krašto.
9Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon'i Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta.
10Kunigams išėjus iš šventyklos, debesis pripildė Viešpaties namus
10Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona, dia nameno ny tranon'i Jehovah ny rahona;
11taip, kad kunigai negalėjo tarnauti dėl debesies, nes Viešpaties šlovė pripildė Viešpaties namus.
11ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tranon'i Jehovah.
12Tuomet Saliamonas tarė: “Viešpats kalbėjo, kad nori gyventi tirštoje tamsoje.
12Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy.
13Aš pastačiau Tau namus, kuriuose gyventum, vietą, kurioje pasiliktum per amžius”.
13Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
14Karalius atsisukęs palaimino visus susirinkusius izraelitus, o visi izraelitai tuo tarpu stovėjo.
14Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),
15Jis sakė: “Palaimintas Viešpats, Izraelio Dievas, kuris įvykdė, ką pažadėjo mano tėvui Dovydui, sakydamas:
15ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
16‘Nuo tos dienos, kai išvedžiau savo tautą Izraelį iš Egipto, Aš nepasirinkau jokio miesto iš visų Izraelio giminių statyti namams, kur būtų mano vardas, bet išsirinkau Dovydą, kad jis valdytų mano tautąIzraelį’.
16Hatramin'ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran'ny anarako; fa nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
17Mano tėvas Dovydas norėjo pastatyti namus Viešpaties, Izraelio Dievo, vardui.
17Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
18Viešpats kalbėjo mano tėvui Dovydui: ‘Gerai, kad tu norėjai pastatyti namus mano vardui,
18Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
19tačiau ne tu juos pastatysi, bet tavo sūnus, kuris tau gims, pastatys namus mano vardui’.
19Kanefa kosa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako.
20Viešpats išpildė savo žodį, kurį kalbėjo. Aš užėmiau savo tėvo Dovydo vietą ir Izraelio sostą, kaip Viešpats buvo pažadėjęs, ir pastačiau namus Viešpaties, Izraelio Dievo, vardui.
20Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
21Ten paruošiau vietą skryniai, kurioje yra Viešpaties Sandora, padaryta su mūsų tėvais, kai Jis išvedė juos iš Egipto krašto”.
21Ary nasiako fitoerana teo ho an'ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta.
22Saliamonas atsistojo priešais Viešpaties aukurą viso Izraelio akivaizdoje, iškėlė rankas į dangų
22Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra
23ir sakė: “Viešpatie, Izraelio Dieve, nei danguje, nei žemėje nėra dievo, kuris būtų lygus Tau, kuris būtų gailestingas ir laikytųsi sandoros su savo tarnais, kurie Tavimi visa širdimi pasitiki.
23ary nanao hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na amin'ny lanitra ambony na amin'ny tany ambany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,
24Tu ištesėjai savo tarnui Dovydui, mano tėvui, duotą pažadą. Tu kalbėjai savo lūpomis ir įvykdei tai savo rankomis šiandien.
24sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy, fa nolazain'ny vavanao izany dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
25Dabar, Viešpatie, Izraelio Dieve, įvykdyk tai, ką pažadėjai savo tarnui Dovydui, mano tėvui, sakydamas: ‘Izraelio soste nepritrūksi vyro mano akivaizdoje, jei tik tavo sūnūs saugos savo kelius ir vaikščios priešais mane, kaip tu vaikščiojai’.
25Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany handehanany eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
26Izraelio Dieve, meldžiu: įvykdyk pažadą, kurį davei savo tarnui Dovydui, mano tėvui.
26Koa ankehitriny ry Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida raiko mpanomponao.
27Bet argi Dievas iš tiesų gyvens žemėje? Štai dangus ir dangų dangūs nepajėgia Tavęs sutalpinti, juo labiau šitie namai, kuriuos pastačiau.
27Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
28Atsižvelk į savo tarno maldą ir prašymą, Viešpatie, mano Dieve, išklausyk šauksmą ir maldą, kuria Tavo tarnas meldžiasi Tavo akivaizdoje šiandien.
28Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao anio,
29Tebūna Tavo akys atvertos link šių namų dieną ir naktį, link vietos, kurią pasirinkai, kad Tavo vardas ten būtų. Išklausyk savo tarno maldą, kai jis melsis šioje vietoje.
29mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
30Išgirsk savo tarno ir savo tautos maldavimą, kai jie melsis šioje vietoje. Išgirsk danguje, kur Tu gyveni, ir atleisk.
30Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.
31Jei kas nusikals prieš savo artimą ir ateis į šituos namus prie Tavo aukuro prisiekti,
31Raha misy olona manota amin'ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan'ny alitaranao amin'ity trano ity izy,
32išgirsk danguje ir teisk savo tarnus: pasmerk kaltąjį pagal jo nusikaltimą ir išteisink teisųjį, atlygindamas jam pagal jo teisumą.
32dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hanameloka ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
33Jei Tavo tauta Izraelis bus nugalėta priešo dėl to, kad Tau nusidėjo, ir jei ji atsigręš į Tave, išpažins Tavo vardą, melsis ir maldaus Tavęs šituose namuose,
33Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin'ity trano ity izy,
34tai išgirsk danguje, atleisk savo tautai Izraeliui nuodėmę ir sugrąžink ją į žemę, kurią davei jų tėvams.
34dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio amin'ny tany nomenao ny razany izy.
35Jei dangus bus uždarytas ir nebus lietaus dėl to, kad jie nusidėjo, ir jei jie melsis šitoje vietoje, išpažins Tavo vardą ir nusigręš nuo savo nuodėmės, už kurią juos baudi,
35Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan'ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin'ny fahotany, satria ampahorinao,
36išgirsk danguje ir atleisk savo tarnų, Izraelio tautos, nuodėmę, parodyk jiems gerą kelią, kuriuo jie turi eiti, ir duok lietaus kraštui, kurį jiems davei paveldėti.
36dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.
37Jei badas ar maras siaus krašte, jei pūs karštas pietų vėjas, jei pelėsiai ir skėriai naikins derlių, jei žmones miestuose apsups priešas, užeis vargai ar ligos
37Raha misy mosary amin'ny tany, na areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin'ny taniny, dia ao amin'ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
38ir visa Izraelio tauta ar atskiras žmogus melsis, ištiesę rankas šitų namų link,
38izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian'ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy
39išklausyk danguje, atleisk jiems ir atlygink kiekvienam pagal jo kelius, kaip Tu matai jo širdyje, nes Tu vienas pažįsti kiekvieno žmogaus širdį,
39dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona rehetra),
40kad jie Tavęs bijotų, kol gyvens žemėje, kurią davei mūsų tėvams.
40mba hatahorany Anao amin'Izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.
41Jei svetimšalis, ne Tavo tautos Izraelio žmogus, ateitų iš tolimo krašto dėl Tavo vardo
41Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao izy
42(nes jie išgirs apie Tavo didingą vardą, Tavo stiprią ranką ir ištiestą ranką), kai jis ateis ir melsis prie šitų namų,
42(fa ho reny ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra), koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
43išklausyk jį danguje ir įvykdyk, ko jis Tavęs prašys, kad visos žemės tautos pažintų Tavo vardą, bijotų Tavęs kaip Tavo tauta Izraelis ir patirtų, jog šitie namai, kuriuos pastačiau, vadinami Tavo vardu.
43dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano nataoko ity.
44Jei Tavo tauta išeitų kariauti su priešais, nepaisant kur Tu juos pasiųsi, ir melstųsi atsigręžę į šį miestą ir šiuos namus, kuriuos pastačiau Tavo vardui,
44Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalon'ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin'i Jehovah manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao izy,
45išgirsk danguje jų maldą ir prašymą ir apgink jų teises.
45dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
46Jei izraelitai Tau nusidės,juk nėra žmogaus, kuris nenusidėtų,ir Tu užsirūstinęs juos atiduosi priešui, kuris paims juos nelaisvėn ir išves į tolimą priešo šalį,
46Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan'ny fahavalony, ka dia ho entin'ny mpamabo ho babo any amin'ny tanin'ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky.
47ir jei jie ten būdami susipras, gailėsis, atsivers ir Tavęs maldaus, sakydami: ‘Mes nusidėjome, elgėmės neteisingai ir padarėme piktadarystę’,
47ary mahatsiaro any amin'ny tanin'ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin'ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy.
48ir gręšis į Tave visa širdimi bei visa siela priešų šalyje, į kurią jie buvo išvesti, ir melsis Tau, atsigręžę į šalį, kurią davei jų tėvams, į miestą, kurį išsirinkai, ir į namus, kuriuos pastačiau Tavo vardui,
48ka dia miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin'ny tanin'ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao,
49išklausyk danguje jų maldas ir maldavimus ir apgink jų teises,
49dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy;
50ir atleisk savo tautai, kuri Tau nusidėjo, visus jos nusikaltimus. Sukelk gailestį priešams, kurie juos laiko nelaisvėje, kad tie jų pasigailėtų,
50eny, mamelà ny heloky ny olonao izay nanota taminao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ary ataovy mahazo famindram-po amin'izay mamabo azy izy, dia ny hamindran'ireo fo aminy;
51nes jie yra Tavo tauta ir Tavo nuosavybė, kurią Tu išvedei iš Egiptoiš geležinės krosnies vidurio.
51fa olonao sy lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by,
52Viešpatie, pažvelk į savo tarno ir Izraelio tautos maldavimus, išklausyk juos, kai jie šaukiasi Tavęs.
52mba hihiratan'ny masonao amin'ny fifonan'ny mpanomponao sy ny fifonan'ny Isiraely olonao hihaino azy amin'izay rehetra iantsoany Anao.
53Viešpatie Dieve, Tu juos išskyrei iš visų žemės tautų ir pasirinkai sau, kaip kalbėjai per savo tarną Mozę, išvesdamas mūsų tėvus iš Egipto”.
53Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an'i Mosesy mpanomponao tamin'ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta.
54Kai Saliamonas baigė šitą maldą, jis atsikėlė nuo Viešpaties aukuro, kur jis klūpojo iškeltomis rankomis,
54Ary rehefa vita izany vavaka sy fifonana vehetra nataon'i Solomona tamin'i Jehovah: any, dia nitsangana niala teo amin'ny alitaran'i Jehovah izay efa nandohalehan'ny lohaliny sy efa namelarany ny tànany ho amin'ny lanitra izy.
55ir stovėdamas laimino visus susirinkusius, garsiu balsu sakydamas:
55Ary nitsangana izy ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, tamin'ny feo mahery hoe:
56“Palaimintas Viešpats, kuris davė ramybę savo tautai Izraeliui, kaip buvo pažadėjęs; neliko neišpildytas nė vienas žodis iš viso gerojo pažado, kurį Jis davė per savo tarną Mozę.
56Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an'ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin'izay teny soa rehetra nampilazainy an'i Mosesy mpanompony.
57Viešpats, mūsų Dievas, tebūna su mumis, kaip Jis buvo su mūsų tėvais, tegul nepalieka ir neapleidžia mūsų,
57Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy,
58bet tepalenkia mūsų širdis prie savęs, kad vaikščiotume Jo keliais, vykdytume Jo įsakymus, nuostatus ir potvarkius, kuriuos Jis davė mūsų tėvams.
58mba hampanatoniny Azy ny fontsika handehanantsika amin'ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika.
59Šitie mano maldos žodžiai, tarti Viešpaties akivaizdoje, tebūna šalia Viešpaties, mūsų Dievo, dieną ir naktį, kad Jis apgintų savo tarno ir savo tautos Izraelio teises bet kuriuo metu, kai to reikia,
59Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan'i Jehovah izany ho ao amin'i Jehovah Andriamanitsika andro aman'alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Isiraely olony araka izay tandrifiny ho azy isan'andro,
60kad visos žemės tautos žinotų, jog Viešpats yra Dievas ir nėra kito.
60mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
61Tebūna jūsų širdys tobulos prieš Viešpatį, mūsų Dievą, kad jūs gyventumėte pagal Jo nuostatus ir vykdytumėte Jo įsakymus”.
61Ary aoka ho marina amin'i Jehovah Andriamanitsika anie ny fonareo, handehananareo amin'ny didiny sy hitandremanareo ny lalàny, tahaka ny amin'izao anio izao.
62Po to karalius ir visas Izraelis aukojo aukas Viešpačiui.
62Ary ny mpanjaka sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia namono zavatra hatao fanatitra eo anatrehan'i Jehovah.
63Saliamonas aukojo dvidešimt du tūkstančius galvijų ir šimtą dvidešimt tūkstančių avių kaip padėkos auką Viešpačiui. Taip karalius ir visi izraelitai pašventino Viešpaties namus.
63Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an'i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny Zanak'Isiraely rehetra ny tranon'i Jehovah.
64Tą pačią dieną karalius pašventino vidurinį kiemą prieš Viešpaties namus, nes ten jis aukojo deginamąsias aukas, duonos aukas ir padėkos aukų taukus, kadangi varinis Viešpaties aukuras buvo per mažas sutalpinti deginamąsias aukas, duonos aukas ir padėkos aukų taukus.
64Ary androtr'io ihany no nanamasinan'ny mpanjaka ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran'ny fanati-pihavanana.
65Saliamonas su visu Izraeliu nuo Hamato iki Egipto upės šventė Viešpaties, mūsų Dievo, akivaizdoje septynias dienas ir kitas septynias, iš viso keturiolika dienų.
65Ary tamin'izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin'ny folo andro.Ary nony tamin'ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon'i Jehovah tamin'i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.
66Aštuntą dieną jis paleido žmones; jie palaimino karalių ir nuėjo į savo palapines, džiaugdamiesi dėl to gero, kurį Viešpats padarė savo tarnui Dovydui ir visai Izraelio tautai.
66Ary nony tamin'ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon'i Jehovah tamin'i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.