Lithuanian

Malagasy

1 Kings

9

1Kai Saliamonas baigė statyti Viešpaties namus, karaliaus namus ir visa, ką jis buvo sumanęs,
1[Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Ary rehefa vitan'i Solomona ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao,
2Viešpats pasirodė Saliamonui antrą kartą taip, kaip buvo pasirodęs Gibeone,
2dia niseho tamin'i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona.
3ir tarė: “Aš išklausiau tavo maldą ir prašymą. Aš pašventinau šituos namus, kuriuos pastatei, kad juose amžinai būtų mano vardas. Ir mano akys bei mano širdis visuomet bus ten.
3Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin'ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.
4Jei tu vaikščiosi priešais mane, kaip vaikščiojo tavo tėvas Dovydas, tyra ir neklastinga širdimi vykdydamas tai, ką tau įsakau, ir laikysies mano nuostatų bei potvarkių,
4Ary raha ianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao tamin'ny fahitsian'ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
5tai įtvirtinsiu tavo karalystės sostą Izraelyje amžiams, kaip pažadėjau tavo tėvui Dovydui, sakydamas: ‘Tu nepritrūksi vyro, kuris sėdėtų Izraelio soste’.
5dia hampitoeriko mandrakizay amin'ny Isiraely ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.
6Bet jei jūs ar jūsų vaikai nuo manęs nusigręšite ir nesilaikysite mano įsakymų bei mano nuostatų, kuriuos jums daviau, ir nuėję tarnausite kitiems dievams ir juos garbinsite,
6Fa raha miala amin'ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany,
7tai išnaikinsiu Izraelį iš žemės, kurią jiems daviau, ir atmesiu šituos namus, kuriuos pašventinau savo vardui; Izraelis taps patarle ir priežodžiu visose tautose.
7dia hofongorako tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an'ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin'ny firenena rehetra;
8Ir dėl šitų namų, kurie yra aukšti, kiekvienas praeivis stebėsis, švilps ir sakys: ‘Kodėl Viešpats taip padarė šitai žemei ir šitiems namams?’
8ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan'izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
9Ir atsakys: ‘Kadangi jie paliko Viešpatį, savo Dievą, kuris išvedė jų tėvus iš Egipto, ir garbino kitus dievus ir jiems tarnavo, tai Viešpats siuntė jiems šitą nelaimę’ ”.
9Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy an'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ary nikikitra tamin'andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no nampidiran'i Jehovah izao loza rehetra izao taminy.
10Dvidešimt metų, kol Saliamonas statė Viešpaties namus ir karaliaus namus,
10[Ny amin'ny mpiasan'i Solomona sy ny zavatra nentiny nanao ny tempoly] Ary nony afaka ny roa-polo taona nanaovan'i Solomona ny trano roa, dia ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka
11Tyro karalius Hiramas aprūpino Saliamoną kedrų ir kiparisų medžiais, ir auksu, kiek jam reikėjo. Už tai karalius Saliamonas davė Hiramui dvidešimt miestų Galilėjos žemėje.
11(Hirama, mpanjakan'i Tyro, nanome an'i Solomona hazo sedera sy hazo kypreso ary volamena, araka izay rehetra niriny), dia nomen'i Solomona tanàna roa-polo tany amin'ny tany Galilia kosa Hirama.
12Hiramas atvyko iš Tyro pažiūrėti Saliamono jam dovanotų miestų ir jie jam nepatiko.
12Ary Hirama niala tany Tyro hizaha ny tanàna izay nomen'i Solomona azy, ka tsy tiany ireny.
13Jis sakė: “Kokie tai miestai, kuriuos man davei, mano broli?” Jis pavadino juos Kabulo šalimi, ir taip jie vadinami iki šiol.
13Dia hoy izy: Hatao inona ireo tanàna nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe tany Kobola mandraka androany.
14Ir Hiramas pasiuntė karaliui šimtą dvidešimt talentų aukso.
14Ary Hirama nampanatitra talenta volamena roa-polo amby zato ho an'ny mpanjaka.
15Karalius Saliamonas įvedė darbo prievolę, statydamas Viešpaties namus, savo namus, Milojų Jeruzalės sieną, Hacoro, Megido ir Gezero miestus.
15Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin'i Solomona mpanjaka ny olona, tamin'ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary Milo sy ny màndan'i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera [Heb. fiarovana]
16Faraonas, Egipto karalius, užėmė Gezerą, jį sudegino, išžudė kanaaniečius, gyvenusius mieste, ir atidavė kaip kraitį savo dukteriai, Saliamono žmonai.
16(fa Farao, mpanjakan'i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an'i Gazera ka nandoro azy tamin'ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an'ny zananivavy, vadin'i Solomona),
17Saliamonas atstatė Gezerą, žemutinį Bet Horoną,
17ary, Solomona nanamboatra an'i Gazera sy Beti-horona ambany
18Baalatą, Tadmorą dykumoje,
18sy Baleta sy Tadmora any an-efitra, amin'ny tany Samata,
19pastatė sandėlių, kovos vežimų ir raitelių miestus; jis statė tai, ką norėjo Jeruzalėje, Libane ir visame krašte, kurį valdė.
19ary ny tanàna fitehirizana rehetra izay nananan'i Solomona sy ny tanàna fitoeran'ny kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly sy izay tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.
20Neizraelitų kilmės gyventojų iš amonitų, hetitų, periziečių, hevitų ir jebusiečių tautų,
20Ary ny olona sisa rehetra tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Zanak'Isiraely,
21kurių izraelitai neįstengė visiškai sunaikinti, palikuonis Saliamonas apdėjo prievolėmis, ir taip liko iki šios dienos.
21dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny tany, izay tsy azon'ny Isiraely naringana avokoa, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.[Heb. natao herema]
22Bet nė vieno izraelito Saliamonas nepavergė. Jie buvo kariai, tarnai, kunigaikščiai, vadai ir kovos vežimų bei raitelių viršininkai.
22Fa ny Zanak'Isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
23Saliamonas turėjo penkis šimtus penkiasdešimt prižiūrėtojų darbininkams.
23Izao no isan'ny mpifehy ny olona voatendry izay nitandrina ny asan'i Solomona: dimam-polo amby dimam-jato lahy no mpifehy ny mpiasa.
24Kai faraono duktė persikėlė iš Dovydo miesto į savo namus, kuriuos Saliamonas jai pastatė, jis pradėjo statyti Milojų.
24Ary rehefa niakatra avy any an-Tanànan'i Davida ny zanakavavin'i Farao hankany amin'ny tranony izay nataon'i Solomona ho azy, dia nanao an'i Milo koa izy.[Heb. fiarovana]
25Tris kartus per metus Saliamonas aukodavo deginamąsias bei padėkos aukas ant aukuro, kurį jis padarė Viešpačiui. Jis degino ir smilkalus ant aukuro, kuris buvo Viešpaties akivaizdoje. Taip jis pabaigė statyti namus.
25Ary intelo isan-taona no nanateran'i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin'ny alitara izay naoriny ho an'i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin'ny alitara teo anatrehan'i Jehovah izy. Ka toy izany no nahavitany ny trano.
26Karalius Saliamonas pasistatė laivų Ecjon Geberyje, prie Elato, Raudonosios jūros pakrantėje, Edomo šalyje.
26Ary Solomona mpanjaka nanao sambo tao Ezion-gebera, izay ao anilan'i Elota, ao amoron'ny Ranomasina Mena, amin'ny tany Edoma.
27Hiramas atsiuntė tiems laivams savo tarnų, patyrusių jūrininkų, kurie plaukė kartu su Saliamono tarnais.
27Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin'ny sambo, dia matilô izay nahay ranomasina, hiaraka amin'ny vahoakan'i Solomona.Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.
28Tie, nuplaukę į Ofyrą, iš ten parvežė keturis šimtus dvidešimt talentų aukso karaliui Saliamonui.
28Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.