Lithuanian

Malagasy

1 Samuel

1

1Efraimo aukštumoje, Ramoje gyveno vyras, vardu Elkana, efraimas. Jis buvo Cūfo sūnaus Tohuvo sūnaus Elihuvo sūnaus Jerohamo sūnus.
1[Ny nahaterahan'i Samoela, sy ny nanolorana azy ho an'i Jehovah] Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin'ny tany havoan'i Efraima, Elkana no anarany zanak'i Jerohama, zanak'i Eliho, zanak'i Toho, zanak'i Zofa.
2Jis turėjo dvi žmonas: Oną ir Peniną. Penina turėjo vaikų, o Ona neturėjo.
2Ary namporafy izy, Hana no anaran'ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran'ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana.
3Elkana kasmet eidavo iš savo miesto į Šilojų melstis ir aukoti kareivijų Viešpačiui. Du Elio sūnūs, Hofnis ir Finehasas, ten buvo Viešpaties kunigais.
3Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah.
4Kai Elkana aukodavo, jis duodavo aukos dalį savo žmonai Peninai ir visiems jos sūnums bei dukterims.
4Ary tamin'ny andro namonoan'i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra.
5Bet Onai jis duodavo geriausią dalį, nes ją, nors Viešpats buvo uždaręs jos įsčias, mylėjo.
5Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba.
6Jos priešininkė ją užgauliodavo ir erzindavo, nes Viešpats buvo uždaręs jos įsčias.
6Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan'i Jehovah azy momba.
7Taip būdavo kiekvienais metais, kai ji eidavo į Viešpaties namus. Toji taip užgauliodavo ją, kad ji verkdavo ir nevalgydavo.
7Ary izany no fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
8Jos vyras Elkana klausė: “Ona, ko verki? Kodėl nevalgai? Ko liūdi? Argi aš tau nesu vertesnis už dešimtį sūnų?”
8Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?
9Ona atsistojo, kai jie pavalgė ir atsigėrė Šilojuje. Tuo metu kunigas Elis sėdėjo prie Viešpaties šventyklos durų.
9Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah.
10Ona labai nuliūdusi meldėsi ir graudžiai verkė.
10Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin'i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.
11Ji davė įžadą: “Kareivijų Viešpatie, jei Tu pažvelgsi į savo tarnaitės sielvartą ir mane atsiminsi, ir nepamirši manęs, bet duosi man sūnų, tai aš atiduosiu jį Viešpačiui per visas jo gyvenimo dienas, ir skustuvas nepalies jo galvos”.
11Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon'ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an'i Jehovah kosa izy amin'ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
12Ji ilgai meldėsi Viešpaties akivaizdoje, o Elis stebėjo jos lūpas.
12Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan'i Jehovah izy, dia nodinihin'i Ely ny vavany.
13Ona kalbėjo savo širdyje, jos lūpos judėjo, bet balso nesigirdėjo. Todėl Elis palaikė ją girta
13Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon'i Ely fa mamo izy.
14ir tarė: “Ar ilgai būsi girta? Išsipagiriok”.
14Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
15Ona atsakė: “Ne, viešpatie, aš esu nelaiminga moteris; aš negėriau nei vyno, nei stipraus gėrimo, tik išliejau savo širdį Viešpačiui.
15Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan'i Jehovah aho.
16Nelaikyk savo tarnaitės Belialo dukra, nes iš didelio sielvarto ir skausmo aš kalbėjau”.
16Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben'ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.
17Elis tarė: “Eik ramybėje, o Izraelio Dievas teįvykdo tavo prašymą”.
17Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen'Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.
18Ji atsakė: “Duok savo tarnaitei atrasti malonę tavo akyse”. Po to ji nuėjo, valgė ir nebeliūdėjo.
18Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.
19Anksti rytą atsikėlę ir pagarbinę Viešpatį, jie grįžo į savo namus, į Ramą. Elkana pažino savo žmoną Oną, ir Viešpats atsiminė ją.
19Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.
20Po kurio laiko Ona pagimdė sūnų ir jį pavadino Samueliu, sakydama: “Iš Viešpaties jį išmeldžiau”.
20Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela = Nohenoin'Andriamanitra (?)]
21Kai Elkana ėjo su visais savo namiškiais aukoti Viešpačiui kasmetinę auką ir atlikti įžadą,
21Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an'i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.
22Ona nėjo. Ji sakė savo vyrui: “Aš neisiu, iki berniuką nujunkysiu. Po to jį nuvesiu Viešpaties akivaizdon ir ten paliksiu visam laikui”.
22Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin'ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin'izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan'i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy.
23Jos vyras Elkana jai atsakė: “Daryk, kaip tau atrodo teisinga, pasilik namuose, iki jį nujunkysi. Viešpats tepatvirtina savo žodį”. Ji pasiliko ir žindė sūnų, iki jį nujunkė.
23Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain'i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.
24Nujunkiusi jį, ji paėmė berniuką, tris jaučius, efą miltų bei odinę vyno ir nuvedė jį į Šilojų Viešpaties šventyklon. Berniukas buvo dar mažas.
24Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny vantotr'ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon'i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.[Na: (izay efa telo taona)][Na: siny hoditra]
25Papjovė jautį ir nuvedė berniuką pas Elį.
25Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin'i Ely ny zaza.
26Ona sakė: “Mano viešpatie, kaip tu gyvas, aš esu ta pati moteris, kuri čia stovėjo tavo akivaizdoje ir meldėsi Viešpačiui.
26Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin'i Jehovah.
27Aš prašiau šito sūnaus. Viešpats išklausė mano prašymą ir suteikė, ko prašiau.
27Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.Koa atolotro ho an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy.
28Aš jį atvedu Viešpačiui, kad visą savo gyvenimą jis Jam priklausytų”. Ir jis pagarbino ten Viešpatį.
28Koa atolotro ho an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy.