Lithuanian

Malagasy

1 Samuel

2

1Ona meldėsi: “Mano širdis džiaugiasi Viešpatyje ir mano ragas išaukštintas Jame. Aš plačiai atveriu savo burną prieš savo priešus, nes džiaugiuosi Tavo išgelbėjimu.
1[Fisaorana nataon'i Hana] Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho.
2Niekas nėra toks šventas, kaip Viešpats! Šalia Tavęs nėra kito ir nėra kitos uolos, kaip mūsų Dievas.
2Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika .
3Nekalbėkite taip išdidžiai ir įžūliai. Viešpats yra Dievas, kuris žino viską, ir Jis pasveria visus darbus.
3Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.
4Galingųjų lankas sulaužomas, o tie, kurie klumpa, apjuosiami jėga.
4Tapaka ny tsipìkan'ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery.
5Sotieji parsisamdė už maistą, o alkanieji nurimo. Nevaisingoji pagimdė septynetą, o turinčioji daug vaikų nusilpo.
5Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka.
6Viešpats numarina ir atgaivina, nuveda į mirusiųjų buveinę ir vėl išlaisvina.
6Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ary mampitsangana.[Heb. Sheola]
7Viešpats padaro beturtį ir turtingą. Jis pažemina ir išaukština.
7Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.
8Jis pakelia iš dulkių vargdienį, iš sąšlavų duobės iškelia vargšą; juos pasodina greta kunigaikščių ir leidžia paveldėti jiems šlovės sostą. Viešpačiui priklauso žemės pamatai, ant jų Jis pastatė pasaulį.
8Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin'ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin'ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.
9Savo šventųjų kojas Jis palaikys, o nedorėliai nutils tamsoje. Nė vienas nelaimės savo jėga.
9Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin'ny maizina; fa tsy amin'ny hery no handresen'ny olona.[Na: hangina]
10Viešpats sudaužys į gabalus savo priešus. Jis sugriaudės prieš juos iš dangaus. Viešpats teis žemės kraštus. Jis duos jėgų savo karaliui ir išaukštins pateptojo ragą”.
10Ho torotoro izay miady amin'i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony.
11Elkana grįžo į Ramą, į savo namus, o berniukas Samuelis tarnavo Viešpačiui, prižiūrimas kunigo Elio.
11[Ny nanompoan'i Samoela teo anatrehan'i Ely, ary ny ratsy nataon'ny zanakalahin'i Ely, sy ny nampilazan'Andriamanitra ny loza hanjo azy] Ary Elkana nankany an-tranony tany Rama; fa ny zaza kosa nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely mpisorona.
12Elio sūnūs buvo Belialo vaikai ir nepažino Viešpaties.
12Ary ny zanakalahin'i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an'i Jehovah.
13Kam nors aukojant auką, kai mėsa tebevirdavo, ateidavo kunigo tarnas, laikydamas rankoje trišakę,
13Ary izao no fanaon'ny mpisorona tamin'ny olona: Raha nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon'ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,[Na: tsy nahalala an'i Jehovah, na ny tokony ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha]
14ir smeigdavo ją į katilą, puodą ar keptuvę. Visa, ką ištraukdavo šake, pasiimdavo Elio sūnūs. Taip jie darė visiems izraelitams, aukojantiems Šilojuje.
14dia natsindrony tao anatin'ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin'ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon'ny fitrebika tao dia nalain'ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin'ny Isiraely rehetra izay tonga tao.
15Prieš sudeginant taukus, atėjęs kunigo tarnas sakydavo aukotojui: “Duok mėsos kunigui iškepti; jis nenori virtos, bet žalios”.
15Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon'ny mpisorona ka nanao tamin'izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an'ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.
16Jei aukotojas sakydavo: “Pirmiausia tegul sudegina taukus, paskui tegul ima, kiek nori”. Tarnas atsakydavo: “Duok dabar. Jei neduosi, atimsiu”.
16Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin'izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.
17Elio sūnų nuodėmė buvo labai didelė Viešpaties akyse, nes žmonės ėmė bjaurėtis aukomis Viešpačiui.
17Ka dia lehibe indrindra ny helok'ireo zatovo ireo teo anatrehan'i Jehovah, satria halan'ny olona ny fanatitra ho an'i Jehovah.
18Samuelis tarnavo Viešpačiui, apsirengęs lininį efodą.
18Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan'i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy.
19Jo motina jam pasiūdavo drabužį ir kasmet atnešdavo ateidama su savo vyru aukoti kasmetinės aukos.
19Ary nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-ran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha niakatra tamin'ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy.
20Elis laimindavo Elkaną ir jo žmoną: “Viešpats teduoda tau dar vaikų su šita moterimi už tą, kurį ji paaukojo Viešpačiui”. Po to jie grįždavo į namus.
20Ary Ely nitso-drano an'i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen'i Jehovah zaza amin'ity vehivavy ity anie ianao ho solon'ilay voatolotra ho an'i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady.
21Viešpats aplankė Oną, ir ji pagimdė dar tris sūnus ir dvi dukteris. Berniukas Samuelis augo Viešpaties akivaizdoje.
21Ary Jehovah namangy an'i Hana, ka dia nanan'anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan'i Jehovah.
22Elis labai paseno. Jis girdėjo, ką jo sūnūs darė Izraeliui, kaip jie suguldavo su moterimis, kurios susirinkdavo prie Susitikimo palapinės.
22Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon'ny zananilahy tamin'ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
23Tėvas klausė: “Kodėl taip darote? Aš girdžiu apie jūsų piktus darbus iš žmonių.
23Dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? fa reko amin'izao olona rehetra izao ny ratsy ataonareo.
24Negerus dalykus aš girdžiu apie jus, mano sūnūs. Jūs vedate Viešpaties tautą į nusikaltimą.
24Tsia anaka, fa tsy tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon'i Jehovah ianareo.
25Jei žmogus nusikalsta žmogui, jį teis teisėjas, bet jei žmogus nusideda Viešpačiui, kas jį užtars?” Jie neklausė savo tėvo, todėl Viešpats nusprendė juos nužudyti.
25Raha misy olona manota amin'olona, dia ny mpitsara no hitsara azy; fa raha misy manota amin'i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak'i Jehovah ny hahafaty azy.[Heb. Andriamanitra]
26Berniukas Samuelis augo, ir jam palankiai buvo nusiteikę ir Viešpats, ir žmonės.
26Ary Samoela zaza nitombo, sady tian'i Jehovah sy ny olona koa izy.
27Dievo žmogus atėjo pas Elį ir jam tarė: “Taip sako Viešpats: ‘Aš apsireiškiau tavo tėvams, kai jie buvo Egipte ir tarnavo faraonui.
27Ary nisy lehilahin'Andriamanitra nankany amin'i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin'ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon'i Farao izy?
28Aš tavo tėvą išsirinkau kunigu iš visų Izraelio giminių, kad jis aukotų ant mano aukuro, smilkytų smilkalus ir nešiotų efodą mano akivaizdoje. Aš paskyriau kunigams izraelitų deginamųjų aukų dalį.
28Eny, nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin'ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an'ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon'ny Zanak'Isiraely amin'ny afo.
29Kodėl jūs mindžiojate kojomis aukas ir dovanas, kurias įsakiau man aukoti? Kodėl labiau už mane gerbi savo sūnus, kurie tunka mano tautos Izraelio geriausiomis aukų dalimis?’
29Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin'ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin'izay tsara indrindra amin'ny fanatitra rehetra aterin'ny Isiraely oloko?
30Todėl Viešpats, Izraelio Dievas, sako: ‘Tikrai buvau pažadėjęs, kad tavo tėvo ir tavo namai per amžius bus mano akivaizdoje, bet dabar sakau, kad taip nebus. Aš pagerbsiu tuos, kurie mane gerbia, o kurie mane niekina, bus paniekinti.
30Koa izany no anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
31Ateina diena, kada tavo ir tavo namų ramstį sunaikinsiu; nė vienas nesulauks senatvės.
31Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin'ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao.
32Tu matysi priešą mano namuose, nepaisant to, kad Dievas daro gera Izraeliui; tavo namuose niekas nesulauks senatvės per amžius.
32Ary hahita ny manjo ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an'ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao mandrakizay.[Na: fahavalo eo amin']
33Aš nesunaikinsiu ir nepašalinsiu nuo savo aukuro visų tavųjų, bet tavo akys aptems ir siela krimsis; ir visi tavo palikuonys mirs savo gražiausiame amžiuje.
33Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan'ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.[Na: Ary ny lehilahy amin'ny taranakao izay tsy hofongorako tsy ho eo anilan'ny alitarako dia hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao]
34Tai bus ženklas tau, kai abu tavo sūnūs Hofnis ir Finehasas mirs tą pačią dieną.
34Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa: ho indray andro maty izy mirahalahy.
35Aš pakelsiu sau ištikimą kunigą, kuris darys tai, kas yra mano širdyje ir mano mintyse. Aš jam pastatysiu tvirtus namus, ir jis vaikščios prieš mano pateptąjį per amžius.
35Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay izy.Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
36Tada išlikę tavo šeimos nariai atėję parpuls prieš jį už sidabrinį pinigėlį ar duonos kąsnį ir prašys, kad paskirtų juos kunigais ir jie galėtų užsidirbti pavalgyti’ ”.
36Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.