Lithuanian

Malagasy

1 Samuel

17

1Filistinai surinko savo kariuomenę karui. Jie susirinko Sochojo mieste, kuris priklauso Judui, ir pastatė stovyklą tarp Sochojo ir Azekos, Efesdomime.
1[Ny amin'i Davida sy Goliata] Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.
2Saulius ir Izraelio vyrai susirinko ir pasistatė stovyklą Elos slėnyje, ir pasiruošė kautynėms su filistinais.
2Ary Saoly sy ny lehilahy amin'ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin'ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin'ny Filistina.
3Filistinai stovėjo ant kalno vienoje kelio pusėje, o izraelitai­ant kalno kitoje; tarp jų buvo slėnis.
3Ary ny Filistina dia teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany.
4Iš filistinų stovyklos išėjo galiūnas, vardu Galijotas iš Gato, šešių uolekčių ir vieno sprindžio ūgio.
4Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin'ny tobin'ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany
5Ant galvos jis turėjo varinį šalmą ir buvo apsivilkęs šarvų marškiniais, kurie svėrė penkis tūkstančius šekelių vario.
5Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra, ka ny lanjan'ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano]
6Variniai antblauzdžiai dengė jo blauzdas ir varinis skydas pečius.
6Ary nanao fiarovan-dranjo varahina tamin'ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo an-damosiny.
7Jo ieties kotas buvo kaip audėjo staklių riestuvas, o jo ieties smaigalys svėrė šešis šimtus šekelių geležies; prieš jį ėjo ginklanešys.
7Ary ny haben'ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
8Jis sustojo ir šaukė Izraelio kariuomenei, sakydamas: “Kodėl išėjote kariauti? Argi aš ne filistinas, o jūs ne Sauliaus tarnai? Išrinkite vyrą, ir tegul jis ateina pas mane.
8Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon'i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko.
9Jei jis sugebės nugalėti ir užmušti mane, tai mes jums tarnausime, o jei aš jį nugalėsiu ir užmušiu, tai jūs tapsite mūsų tarnais”.
9Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
10Filistinas tarė: “Aš šiandien tyčiojuos iš Izraelio kariuomenės; duokite vyrą, kad su manim kautųsi”.
10Ary hoy ilay Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan'ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko.
11Saulius ir visas Izraelis, išgirdę šituos filistino žodžius, labai nusigando.
11Ary raha ren'i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin'ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra.
12Dovydas buvo efratiečio Jesės iš Judo Betliejaus sūnus. Jesė turėjo aštuonis sūnus, jis pats Sauliaus dienomis buvo pasenęs ir vienas iš seniausių vyrų.
12Ary Davida dia zanak'ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin'ny andron'i Saoly;
13Trys vyresnieji Jesės sūnūs išėjo su Sauliumi į karą: pirmagimis Eliabas, antrasis Abinadabas ir Šama.
13ary ny zokiny telo lahy tamin'ny zanak'i Jese lasa nanaraka an'i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran'ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony;
14Dovydas buvo jauniausias. Trys vyresnieji išėjo su Sauliumi,
14ary Davida no faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an'i Saoly;
15o Dovydas sugrįžo iš Sauliaus pas tėvą į Betliejų avių ganyti.
15fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin'i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema.
16Filistinas keturiasdešimt dienų kiekvieną rytą ir vakarą išeidavo ir rodydavo save.
16Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro.
17Jesė sakė savo sūnui Dovydui: “Imk efą paskrudintų grūdų bei dešimt duonos kepalų ir skubiai nunešk į stovyklą savo broliams.
17Ary hoy Jese tamin'i Davida zanany: Ento ity lango eran'ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an'ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin'ny rahalahinao.
18Dešimt šitų sūrių nunešk savo brolių tūkstantininkui. Pasiteirauk, kaip sekasi tavo broliams, ir sugrįžęs pranešk man”.
18Ary ento ho an'ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.
19Saulius, Dovydo broliai ir visi Izraelio vyrai buvo Elos slėnyje ir kariavo su filistinais.
19Ary Saoly sy izy telo lahy mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely dia teo amin'ny lohasaha Elaha niady tamin'ny Filistina.
20Dovydas, atsikėlęs anksti rytą ir palikęs avis sargui, paėmė maistą ir išėjo, kaip tėvas buvo įsakęs. Jam atėjus į stovyklą, kariuomenė buvo išsirikiavusi kautynėms ir šaukė prieš mūšį.
20Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman'olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian'i Jese azy; ary tonga teo amin'ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon'ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin'izay.
21Izraelitai ir filistinai stovėjo išsirikiavę kautynėms vieni prieš kitus.
21Fa ny Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila.
22Dovydas, palikęs daiktus pas kariuomenės mantos sargą, nubėgo į kautynių lauką ir pasveikino savo brolius.
22Ary Davida namela ny entany teo anilan'ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin'ny laharan'ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin'izay toetry ny rahalahiny.
23Jam su jais besikalbant, pasirodė galiūnas, filistinas Galijotas iš Gato. Jis išėjo iš filistinų eilių į priekį ir kalbėjo tuos pačius žodžius. Dovydas tai girdėjo.
23Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, tamy niakatra avy teo amin'ny laharan'ny miaramilan'ny Filistina ilay mpihantsy ady, lehilahy Filistina avy any Gata, Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren'i Davida.
24Izraelio vyrai, pamatę tą vyrą, bėgo nuo jo ir labai bijojo.
24ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy.
25Jie kalbėjosi: “Ar matote šitą vyrą? Jis ateina tyčiotis iš Izraelio. Kas jį užmuš, tą karalius apdovanos dideliais turtais, duos jam savo dukterį ir jo tėvo namus atleis nuo mokesčių Izraelyje”.
25Ary hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon'ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin'ny Isiraely ny tarana-drainy.
26Dovydas klausė šalia jo stovėjusių vyrų: “Ką gaus tas vyras, kuris nukaus šitą filistiną ir pašalins Izraelio gėdą? Kas yra šitas neapipjaustytas filistinas, kad tyčiotųsi iš gyvojo Dievo kariuomenės?”
26Ary hoy Davida tamin'ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin'izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona?
27Vyrai jam atsakė tais žodžiais, sakydami: “Tai bus vyrui, kuris jį nužudys”.
27Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin'izay lehilahy mahafaty azy.
28Jo vyriausias brolis Eliabas, išgirdęs Dovydą kalbant su vyrais, labai supyko ir tarė: “Ko čia atėjai, palikęs savo kelias avis dykumoje? Aš žinau tavo išdidumą ir tavo širdies sugedimą. Tu atėjai norėdamas pamatyti mūšį”.
28Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin'ny olona dia nirehitra tamin'i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin'iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian'ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
29Dovydas atsakė: “Ką aš padariau? Ar tai nėra tik žodžiai?”
29Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa?
30Nusisukęs nuo jo, Dovydas atsisuko į kitą ir kalbėjo tą patį. Žmonės jam atsakydavo kaip pirma.
30Ary niala teo aminy hankany amin'ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany indray.
31Dovydo žodžiai buvo perduoti Sauliui. Jis įsakė atvesti Dovydą.
31Ary nony ren'ny olona ny teny izay nataon'i Davida, dia nambarany tamin'i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy.
32Dovydas tarė Sauliui: “Te nė vieno žmogaus širdis nenusigąsta jo. Tavo tarnas eis ir kausis su šituo filistinu”.
32Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin'io Filistina io.
33Saulius atsakė Dovydui: “Tu negali kautis su šituo filistinu, nes esi jaunas, o jis yra karys nuo pat jaunystės”.
33Fa hoy Saoly tamin'i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.
34Dovydas atsakė Sauliui: “Tavo tarnas ganė savo tėvo avis. Jei ateidavo liūtas ar lokys ir pagriebdavo ėriuką iš bandos,
34Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry,
35aš pasileisdavau jam iš paskos, mušdavau jį ir išplėšdavau grobį iš nasrų. Jei jis puldavo mane, nutverdavau jį už barzdos ir užmušdavau.
35dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko.
36Tavo tarnas yra užmušęs liūtą ir lokį, ir šitam neapipjaustytam filistinui atsitiks taip, kaip jiems, nes jis tyčiojasi iš gyvojo Dievo kariuomenės.
36Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy.
37Viešpats, kuris išgelbėjo mane iš liūto ir lokio nagų, išgelbės ir iš šito filistino rankų”. Saulius tarė Dovydui: “Eik, ir Viešpats tebūna su tavimi”.
37Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
38Saulius apginklavo Dovydą savo ginklais, uždėjo varinį šalmą jam ant galvos ir apvilko šarvų marškiniais.
38Ary Saoly nampiakanjo an'i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano]
39Dovydas prisijuosė ir jo kardą prie savo aprangos ir bandė eiti, nes nebuvo įpratęs. Dovydas tarė Sauliui: “Aš negaliu paeiti, nes esu neįpratęs”. Ir Dovydas nusirengė visa tai.
39Ary Davida namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany.
40Jis pasiėmė lazdą, pasirinko iš upelio penkis glotnius akmenis, juos įsidėjo į piemens maišelį, kurį turėjo su savimi, ir laikydamas mėtyklę rankoje artėjo prie filistino.
40Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.
41Ir filistinas išėjo, ir artinosi prie Dovydo, o priešais jį ėjo ginklanešys su skydu.
41Ary ilay Filistina nandroso nanatona an'i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe.
42Kai filistinas apsidairė ir pamatė Dovydą, paniekino jį, nes šis buvo raudonskruostis gražaus veido jaunuolis.
42Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo no tsara tarehy.[Na: tendron-tava]
43Filistinas sakė Dovydui: “Ar aš šuo, kad tu eini prieš mane su lazda?” Ir filistinas keikė Dovydą savo dievais.
43Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina
44Filistinas sakė Dovydui: “Ateik, aš atiduosiu tavo kūną padangių paukščiams ir lauko žvėrims”.
44sady nanao tamin'i Davida hoe: Avia etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon'ialahy.
45Dovydas atsakė filistinui: “Tu eini prieš mane su kardu, ietimi ir skydu, o aš einu kareivijų Viešpaties, Izraelio kariuomenės, iš kurios tyčiojiesi, Dievo vardu.
45Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
46Šiandien Viešpats atiduos tave į mano rankas. Aš nugalėsiu tave, nukirsiu tau galvą ir atiduosiu visų filistinų karių lavonus padangių paukščiams ir lauko žvėrims, kad visa žemė žinotų, jog yra Dievas Izraelyje.
46Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
47Ir kad visi čia susirinkę žinotų, jog ne kardu ir ietimi Viešpats gelbsti. Kova yra Viešpaties, ir Jis atiduos jus į mūsų rankas”.
47Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
48Filistinui artėjant prie Dovydo, šis skubiai bėgo jam priešais.
48Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina.
49Įkišęs ranką į maišelį, jis išsiėmė akmenį ir metė iš mėtyklės, ir pataikė filistinui į kaktą taip, kad akmuo įsmigo jam į kaktą, ir jis griuvo kniūbsčias ant žemės.
49Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy.
50Taip Dovydas nugalėjo filistiną mėtykle ir akmeniu, partrenkė ir nužudė jį. Dovydas neturėjo kardo,
50Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida.
51todėl pribėgo prie filistino, ištraukė iš makšties jo kardą ir nukirto jam galvą. Filistinai, pamatę, kad jų galiūnas negyvas, pasileido bėgti.
51Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
52Izraelio ir Judo vyrai šaukdami vijo filistinus iki Gato ir Ekrono vartų. Filistinų lavonai gulėjo nuo Šaaraimo iki Gato ir Ekrono.
52Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin'i Gay sy ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.[Na: (Gata)]
53Izraelitai, baigę persekioti filistinus, sugrįžo ir išplėšė jų stovyklą.
53Ary ny Zanak'Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa.
54Paėmęs filistino galvą, Dovydas ją nunešė į Jeruzalę, o ginklus padėjo savo palapinėje.
54Ary ny lohan'ilay Filistina dia noraisin'i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin'ny lainy.
55Kai Saulius matė Dovydą, išeinantį prieš filistiną, klausė kariuomenės vado Abnero: “Abnerai, kieno sūnus yra tas jaunuolis?” Abneras atsakė: “Kaip tu gyvas, karaliau, aš nežinau”.
55[Ny nitoeran'i Davida tao amin'i Saoly, sy ny nialonan'i Saoly azy] Ary nony nahita an'i Davida nandeha hiady tamin'ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera, komandin'ny miaramila: Ry Abnera, zanak'iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
56Karalius įsakė: “Sužinok, kieno sūnus tas jaunuolis”.
56Ary hoy ny mpanjaka: Anontanionao na zanak'iza na zanak'iza iny zaza iny.
57Kai Dovydas, nukovęs filistiną, sugrįžo, Abneras atvedė jį pas Saulių; jis tebelaikė filistino galvą rankose.
57Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain'i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan'i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan'ilay Filistina.Dia hoy Saoly taminy: Zanak'iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho.
58Saulius jo klausė: “Jaunuoli, kieno tu sūnus?” Dovydas atsakė: “Aš esu tavo tarno Jesės iš Betliejaus sūnus”.
58Dia hoy Saoly taminy: Zanak'iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho.