1Dovydui kalbant su Sauliumi, Jehonatano siela prisirišo prie Dovydo sielos, ir Jehonatanas pamilo jį kaip savo sielą. Ir Dovydas jį pamilo visa širdimi.
1Ary rehefa nitsahatra niteny tamin'i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin'i Davida ny fanahin'i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.
2Nuo to laiko Saulius priėmė jį ir nebeleido grįžti į tėvo namus.
2Ary Saoly nandray azy tamin'izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin'ny tranon-drainy intsony.
3Jehonatanas padarė sandorą su Dovydu, nes mylėjo jį kaip savo sielą.
3Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan'i Jonatana azy toy ny tenany.
4Jehonatanas atidavė Dovydui savo apsiaustą, drabužius, net ir kardą, lanką bei diržą.
4Ary nesorin'i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an'i Davida mbamin'ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza.
5Dovydas išmintingai elgėsi visur, kur tik Saulius jį pasiųsdavo; todėl Saulius jį paskyrė karių viršininku, ir tai patiko visai tautai ir Sauliaus tarnams.
5Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin'izay rehetra nanirahan'i Saoly azy; ka dia nataon'i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan'ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon'i Saoly koa.
6Dovydui nugalėjus filistiną ir visiems grįžtant į namus, moterys iš visų miestų išeidavo sutikti karalių Saulių dainuodamos, šokdamos ir grodamos būgneliais bei cimbolais.
6Ary nony tonga ny olona tamin'ny niverenan'i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin'ny tanànan'ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an'i Saoly mpanjaka tamin'ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona.[Na: varahina telo zoro]
7Moterys dainuodamos kartojo: “Saulius nukovė tūkstančius, o Dovydasdešimtis tūkstančių”.
7Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina.
8Saulius labai supyko, jam nepatiko tokios kalbos. Jis tarė: “Dovydui jos priskyrė dešimtis tūkstančių, o man tik tūkstančius; jam betrūksta tik karalystės”.
8Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an'i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
9Nuo tos dienos Saulius ėmė stebėti Dovydą.
9Ary Saoly hatramin'izany andro izany dia nangarika an'i Davida.
10Kitą dieną piktoji dvasia nuo Dievo taip apėmė Saulių, kad jis siautė savo namuose. Tuo metu Dovydas skambino arfa kaip kasdien. Saulius laikė rankoje ietį.
10Ary nony ampitson'iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin'Andriamanitra nilatsaka tamin'i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany tahaka ny fanaony isan'andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan'i Saoly.
11Jis sviedė ją į Dovydą, galvodamas: “Prismeigsiu jį prie sienos”. Bet Dovydas išsisuko du kartus.
11Dia natorak'i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an'i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin'ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany.
12Saulius bijojo Dovydo, nes Viešpats buvo su juo, o nuo Sauliaus Jis buvo pasitraukęs.
12Ary Saoly natahotra an'i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany.
13Saulius pašalino Dovydą nuo savęs ir paskyrė tūkstantininku. Dovydas įeidavo ir išeidavo priešais tautą.
13Koa dia nesorin'i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra izy.
14Dovydas išmintingai elgėsi visuose savo keliuose, ir Viešpats buvo su juo.
14Ary Davida dia hita fa hendry tamin'izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
15Saulius, matydamas, kad jis elgiasi labai išmintingai, bijojo jo.
15Ary nony hitan'i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy.
16Visas Izraelis ir Judas mylėjo Dovydą, nes jis įeidavo ir išeidavo priešais juos.
16Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an'i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy.
17Kartą Saulius tarė: “Štai mano vyresnioji duktė Meraba! Ją duosiu tau į žmonas. Tik būk narsus ir kovok Viešpaties kovas”. Saulius galvojo: “Tegul ne mano ranka būna prieš jį, bet filistinų ranka”.
17Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin'i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan'ny Filistina no hamely azy.)
18Dovydas atsakė Sauliui: “Kas aš, kas yra mano gyvenimas ir kas mano tėvo giminė Izraelyje, kad būčiau karaliaus žentu?”
18Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin'ny raiko ao amin'ny Isiraely, no ho vinanton'ny mpanjaka aho?
19Bet tuo metu, kai Meraba, Sauliaus duktė, turėjo būti atiduota Dovydui, ją vedė Adrielis iš Meholos.
19Kanjo nony tamin'ny andro tokony ho namoahana an'i Meraba, zanakavavin'i Saoly, ho vadin'i Davida, dia nomena ho vadin'i Adriela Meholatita izy.
20Sauliaus duktė Mikalė pamilo Dovydą. Kai Saulius sužinojo, jam tai patiko.
20Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly kosa tia an'i Davida; ary nisy nanambara izany tamin'i Saoly, ka sitrak'i Saoly izany.
21Ir Saulius sakė: “Aš jam duosiu ją, kad ji būtų jam spąstai ir kad filistinų ranka būtų prieš jį”. Saulius sakė Dovydui: “Šiandien tu tapsi mano žentu su antrąja”.
21(Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan'ny tanan'ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin'i Davida: Fanindroan'ny maha-vinantoko anao izao. [Na: Izy roa vavy izao dia samy maha-vinantoko anao avokoa]
22Jis įsakė savo tarnams: “Kalbėkite Dovydui slaptai: ‘Karalius mėgsta tave ir visiems jo tarnams tu patinki. Todėl būk karaliaus žentu’ ”.
22Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin'i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian'ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton'ny mpanjaka ianao.
23Sauliaus tarnai kalbėjo Dovydui šiuos žodžius. Dovydas atsakė: “Ar jūs manote, kad lengva būti karaliaus žentu? Aš juk esu neturtingas ir menkas žmogus”.
23Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza izany teny izany tamin'i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton'ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza?
24Tarnai pranešė Sauliui, ką girdėjo iš Dovydo.
24Ary ny mpanompon'i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin'i Davida.
25Tada Saulius sakė: “Taip sakykite Dovydui: ‘Karalius nenori jokio kraičio, tik šimto filistinų odelių nuo apipjaustymo, kad būtų atkeršyta karaliaus priešams’ ”. Saulius galvojo, kad Dovydas žus nuo filistinų rankos.
25Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin'i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan'ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr'i Saoly hahafaty an'i Davida amin'ny tanan'ny Filistina izany.[Heb. saron-tsosoka]
26Kai jo tarnai perdavė Dovydui tuos žodžius, Dovydui patiko tapti karaliaus žentu. Dar nebuvo praėjęs paskirtas laikas,
26Ary rehefa nambaran'ny mpanompon'i Saoly tamin'i Davida izany teny izany, dia sitrak'i Davida ny ho vinanton'ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr'andro,
27kai Dovydas su savo vyrais nuėjęs nužudė du šimtus filistinų. Dovydas atnešė jų odeles ir atidavė visas karaliui, kad galėtų tapti jo žentu. Ir Saulius atidavė jam savo dukterį Mikalę į žmonas.
27dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan'ny mpanjaka mba hahavinanton'ny mpanjaka azy. Dia nomen'i Saoly ho vadin'i Davida Mikala zananivavy.[Heb. saron-tsotsoka]
28Saulius matė ir suprato, kad Viešpats buvo su Dovydu ir kad jo duktė Mikalė myli jį.
28Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an'i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy.
29Ir Saulius dar labiau ėmė bijoti Dovydo; ir Saulius tapo Dovydo priešu visam gyvenimui.
29Ary dia vao mainka natahotra an'i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon'i Davida mandrakariva izy.Ary ireo andrianan'ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon'i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.
30Filistinų kunigaikščiai kariavo su izraelitais, ir nuo karo pradžios Dovydas elgėsi išmintingiau už visus Sauliaus tarnus, ir jo vardas išgarsėjo.
30Ary ireo andrianan'ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon'i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany.