Lithuanian

Malagasy

1 Samuel

23

1Dovydui pranešė, kad filistinai kariauja prieš Keilą ir plėšia klojimus.
1[Ny namonjen'i Davida an'i Keila] Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an'i Keila ka mamabo ny ao amin'ny famoloana.
2Dovydas klausė Viešpatį: “Ar man eiti ir mušti filistinus?” Viešpats atsakė Dovydui: “Eik, sumušk filistinus ir išgelbėk Keilą”.
2Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin'i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.
3Dovydo vyrai jam tarė: “Štai mes bijome jau čia, Judo žemėje. Kaip mes eisime į Keilą prieš filistinų kariuomenę?”
3Ary hoy ny olon'i Davida taminy: He! atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin'ny miaramilan'ny Filistina?
4Dovydas dar kartą klausė Viešpatį. Viešpats jam atsakė: “Kelkis ir eik į Keilą; Aš atiduosiu filistinus į tavo rankas”.
4Dia nanontany tamin'i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
5Dovydas ir jo vyrai, nuėję į Keilą, kariavo su filistinais, nuvarė jų galvijus ir smarkiai juos sumušė. Taip Dovydas išgelbėjo Keilos gyventojus.
5Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin'ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin'i Davida ny mponina tao Keila.
6Ahimelecho sūnus Abjataras, bėgdamas pas Dovydą į Keilą, atsinešė ir efodą.
6Ary raha nandositra nankany amin'i Davida tany Keila Abiatara, zanak'i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.
7Sauliui buvo pranešta, kad Dovydas atėjo į Keilą. Saulius tarė: “Dievas jį atidavė į mano rankas; jis pats užsidarė įeidamas į miestą su vartais ir užkaiščiais”.
7Ary nambara tamin'i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin'ny tanàna misy vavahady mihidy.
8Saulius sušaukė visus vyrus žygiui į Keilą prieš Dovydą ir jo vyrus.
8Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an'i Davida sy ny olony.
9Dovydas sužinojo, kad Saulius slapčia rengia jam pikta, ir tarė kunigui Abjatarui: “Atnešk efodą”.
9Ary fantatr'i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin'i Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.
10Dovydas meldėsi: “Viešpatie, Izraelio Dieve, tavo tarnas išgirdo, kad Saulius rengiasi ateiti į Keilą ir sunaikinti miestą dėl manęs.
10Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren'ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankatỳ Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko.
11Ar Keilos gyventojai išduos mane į jo rankas? Ar Saulius ateis, kaip tavo tarnas girdėjo? Viešpatie, Izraelio Dieve, meldžiu, pasakyk savo tarnui”. Viešpats atsakė: “Jis ateis”.
11Ka moa ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va Saoly toy ny efa ren'ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, ambarao amin'ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.
12Dovydas klausė: “Ar Keilos vyrai išduos mane ir mano vyrus Sauliui?” Viešpats atsakė: “Išduos”.
12Dia hoy Davida: Ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan'i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy.
13Tada Dovydas ir jo vyrai, kurių buvo apie šešis šimtus, išėję iš Keilos, ėjo, kur galėjo eiti. Kai Sauliui buvo pranešta, kad Dovydas pabėgo iš Keilos, jis atšaukė savo žygį.
13Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin'izay azony naleha. Ary nolazaina tamin'i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
14Dovydas apsistojo dykumos tvirtovėse ir pasiliko kalne Zifo dykumoje. Saulius visą laiką jo ieškojo, tačiau Dievas neatidavė jo į Sauliaus rankas.
14Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin'ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin'ny tany havoana tany an-efitr'i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan'andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.
15Dovydas matė, kad Saulius išėjo ieškoti jo gyvybės, ir Dovydas buvo Zifo tyruose, miške.
15[Ny nitoeran'i Davida tany an-efitr'i Zifa sy Maona, ary ny hevitra nataon'ny Zifita hahazoan'i Saoly azy] Ary hitan'i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr'i Zifa tany anaty ala.
16Sauliaus sūnus Jehonatanas atėjo pas Dovydą į mišką ir sustiprino jo ranką Dieve.
16Ary Jonatana, zanak'i Saoly, niainga, dia nankany amin'i Davida tany an'ala ka nampahery ny tànany tamin'Andriamanitra.
17Ir jis tarė jam: “Nebijok, mano tėvas Saulius tavęs neras. Tu tapsi Izraelio karaliumi, o aš būsiu šalia tavęs. Mano tėvas Saulius tai žino”.
17Ary hoy izy tamin'i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan'i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin'ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr'i Saoly raiko koa izany.
18Juodu Viešpaties akivaizdoje padarė sandorą. Dovydas pasiliko miške, o Jehonatanas sugrįžo į savo namus.
18Ary nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an'ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.
19Zifiečiai nuėjo pas Saulių į Gibėją ir pranešė: “Dovydas slapstosi pas mus kalnų tvirtovėse, miškuose ir Hachilos kalvose, į pietus nuo Jesimono.
19Ary niakatra nankany amin'i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin'ny batery fiarovana any an'ala, any amin'ny havoana Hakila, izay atsimon'ny efitra, va Davida?
20Taigi dabar, karaliau, ateik, kaip tavo siela to trokšta, o mūsų darbas bus atiduoti jį į karaliaus rankas”.
20Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian'ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan'ny mpanjaka izy.
21Saulius tarė: “Viešpats telaimina jus, kad manęs pasigailėjote.
21Ary hoy Saoly: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.
22Eikite, viską paruoškite ir sužinokite vietą, kur jis yra ir kas jį ten matė; man pranešta, kad jis esąs labai gudrus.
22Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.
23Išžvalgykite ir sužinokite visas slėptuves, kuriose jis slapstosi; tada sugrįžkite pas mane su tikromis žiniomis ir aš eisiu su jumis. Jei jis tebėra krašte, aš surasiu jį visuose Judo tūkstančiuose”.
23Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin'ny tany izy, dia hotadiaviko eran'ny arivon'i Joda rehetra.
24Jie nuėjo į Zifą pirma Sauliaus. Dovydas ir jo vyrai buvo Maono dykumoje, lygumoje į pietus nuo Jesimono.
24Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an'i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin'ny efitr'i Maona, tamin'ny tani-hay atsimon'ny efitra.[Heb. Arabà]
25Saulius ir jo vyrai išėjo jo ieškoti. Dovydui apie tai buvo pranešta, todėl jis pasitraukė į Maono dykumą prie uolos. Saulius, tai išgirdęs, vijosi Dovydą į Maono dykumą.
25Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin'i Davida izany, ka dia nidina tany amin'ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr'i Maona. Ary nony ren'i Saoly izany, dia nanenjika an'i Davida tany an-efitr'i Maona izy.
26Saulius ėjo viena kalno puse, o Dovydas su savo vyrais­kita. Dovydas skubiai traukėsi nuo Sauliaus, nes Saulius su savo vyrais supo Dovydą ir jo vyrus, norėdami juos sugauti.
26Ary Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin'ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an'i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an'i Davida sy ny olony hisambotra azy.
27Tačiau pas Saulių atėjo pasiuntinys su pranešimu: “Skubiai sugrįžk, nes filistinai užpuolė kraštą”.
27Dia nisy iraka tonga tao amin'i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.Dia niverina Saoly tamin'ny nanenjehany an'i Davida ary nandeha niady tamin'ny Filistina; ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota.[Sela-hamalekota = Harambato fandosirana]
28Saulius liovėsi vijęs Dovydą, sugrįžo ir kariavo su filistinais. Todėl ta vieta pavadinta Perskyrimo uola.
28Dia niverina Saoly tamin'ny nanenjehany an'i Davida ary nandeha niady tamin'ny Filistina; ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota.[Sela-hamalekota = Harambato fandosirana]