1Dovydas pasitraukė į En Gedžio tvirtoves.
1[Ny tsy netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly, na dia azony tao an-johy aza] Ary Davida niakatra niala teo ka nitoetra tao amin'ny batery fiarovana tany En-jedy.
2Kai Saulius, nugalėjęs filistinus, sugrįžo, jam buvo pranešta, kad Dovydas yra En Gedžio dykumoje.
2Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr'i En-jedy.
3Saulius, paėmęs tris tūkstančius rinktinių vyrų iš viso Izraelio, išėjo ieškoti Dovydo ir jo vyrų laukinių ožkų gyvenamose uolose.
3Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an'i Davida sy ny olony tany amin'ny vatolampin'ny osi-dia.
4Atėjęs prie šalikelės avidžių, kur buvo ola, Saulius į ją įėjo atlikti reikalo. Dovydas ir jo vyrai sėdėjo olos gilumoje.
4Ary tonga teo amin'ny valan'ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin'ny zohy.
5Dovydo vyrai sakė jam: “Štai diena, apie kurią Viešpats tau kalbėjo: ‘Aš atiduosiu tavo priešą į tavo rankas, kad pasielgtum su juo, kaip tau patinka’ ”. Prislinkęs Dovydas nupjovė Sauliaus apsiausto skverną.
5Ary hoy ny olon'i Davida taminy: Izao no andro nolazain'i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin'ny kapôtin'i Saoly.
6Dovydo širdis smarkiai plakė, nes jis nupjovė Sauliaus skverną.
6Nefa nony efa vita izany, dia namely an'i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin'ny kapôtin'i Saoly,
7Jis tarė savo vyrams: “Apsaugok, Viešpatie, kad taip padaryčiau savo valdovui, Viešpaties pateptajam, pakeldamas prieš jį savo ranką, nes jis yra Viešpaties pateptasis”.
7ka hoy izy tamin'ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin'ny tompoko izay voahosotr'i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr'i Jehovah izy.
8Dovydas sulaikė savo vyrus šiais žodžiais ir neleido jiems pakilti prieš Saulių. O Saulius, išėjęs iš olos, ėjo savo keliu.
8Dia nampijanona ny mpanompony tamin'izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an'i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin'izay nalehany.
9Dovydas taip pat pakilo iš paskos ir, išlindęs iš olos, šaukė Sauliui: “Karaliau, mano valdove!” Sauliui atsigręžus, Dovydas nusilenkė veidu iki žemės.
9Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an'i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin'ny tany Davida ka niankohoka.
10Dovydas tarė Sauliui: “Kodėl klausai žmonių kalbų, kad Dovydas nori tau pikta?
10Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan'olona hoe: Indro, Davida mitady hanisy ratsy anao?
11Tu pats šiandien matei, kad Viešpats buvo atidavęs tave į mano rankas oloje; mane ragino tave nužudyti, bet aš pasigailėjau tavęs, sakydamas: ‘Nepakelsiu rankos prieš savo valdovą, nes jis yra Viešpaties pateptasis’.
11Indro, hitan'ny masonao androany ny nanoloran'i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho, fa voahosotr'i Jehovah izy.
12Pažvelk, mano tėve, į savo apsiausto skverną mano rankoje. Iš to, kad aš, atpjaudamas tavo apsiausto skverną, tavęs nenužudžiau, suprask ir žinok, kad manyje nėra nieko pikto ir aš nesu tau nusidėjęs. Bet tu ieškai mano gyvybės, kad ją atimtum.
12Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin'ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin'ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin'ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
13Viešpats tebūna teisėjas tarp mudviejų ir Viešpats tegul atkeršija tau už mane, bet mano ranka nepakils prieš tave.
13Jehovah no hitsara ahy sy ianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy mba haninona anao.
14Kaip sena patarlė sako: ‘Iš nedorėlių ateina nedorybės’, bet mano ranka nepakils prieš tave.
14Araka ny lazain'ny ohabolan'ny ntaolo hoe: Avy amin'ny ratsy fanahy no ivoahan'ny ratsy, nefa ny tanako tsy haninona anao.
15Prieš ką išėjo Izraelio karalius? Ką tu persekioji? Pastipusį šunį. Blusą.
15Hitady an'iza no nivoahan'ny mpanjakan'ny Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty; parasy iray.
16Viešpats tebūna teisėjas ir tedaro sprendimą tarp manęs ir tavęs. Tegul mato ir gina mano bylą, ir išgelbsti mane nuo tavo rankos”.
16Aoka Jehovah no ho mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka hanafaka ahy amin'ny tananao.
17Kai Dovydas baigė kalbėti, Saulius tarė: “Ar tai tavo balsas, mano sūnau Dovydai?” Ir Saulius pakėlė savo balsą ir verkė.
17Ary nony vita izany teny nataon'i Davida tamin'i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
18Ir jis sakė Dovydui: “Tu esi teisesnis už mane, tu man atlyginai geru, o aš tau atsilyginau piktu.
18ary hoy izy tamin'i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao.
19Šiandien tu parodei, kaip elgiesi su manimi, nes Viešpats buvo atidavęs mane į tavo rankas, tačiau tu manęs nenužudei.
19Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr'i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao.
20Kas, suradęs savo priešą, paleidžia jį sveiką? Viešpats teatlygina tau geru už tai, ką tu šiandien man padarei.
20Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian'i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.
21Dabar tikrai žinau, kad tu tapsi karaliumi ir kad Izraelio karalystė bus įtvirtinta tavo rankose.
21Ary, indro, ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan'ny Isiraely ho tafatoetra tsara eo an-tananao.
22Dabar prisiek man Viešpačiu, kad neišnaikinsi mano palikuonių ir neišnaikinsi mano vardo iš mano tėvo namų”.
22Koa mianiàna amiko amin'i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin'ny mpianakavin'ny raiko ny anarako.Ary Davida dia nianiana tamin'i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin'ny batery fiarovana.
23Dovydas prisiekė Sauliui. Po to Saulius sugrįžo į savo namus, o Dovydas ir jo vyrai pasitraukė į tvirtovę.
23Ary Davida dia nianiana tamin'i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin'ny batery fiarovana.