1Samuelis mirė, visi izraeli tai susirinko, apraudojo jį ir palaidojo jo namuose Ramoje. Dovydas pakilo ir nuėjo į Parano dykumą.
1[Ny nahafatesan'i Samoela, ary ny amin'i Nabala sy Abigaila] Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin'ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.
2Maone gyveno vyras, kuris turėjo nuosavybę Karmelyje. Jis buvo labai turtingas: turėjo tris tūkstančius avių ir tūkstantį ožkų. Kartą jis kirpo avis Karmelyje.
2Ary nisy lehilahy tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy.
3Jo vardas buvo Nabalas, o jo žmonosAbigailė. Moteris buvo išmintinga ir graži, bet jos vyras šiurkštus ir blogo elgesio; jis buvo iš Kalebo namų.
3Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran'ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin'izay ataony; ary isan'ny taranak'i Kaleba izy.
4Dovydas išgirdo dykumoje, kad Nabalas kerpa avis.
4Ary ren'i Davida tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny.
5Jis pasiuntė dešimt jaunuolių ir sakė jiems: “Eikite į Karmelį pas Nabalą ir pasveikinkite jį mano vardu.
5Dia naniraka zatovo folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary mankanesa any amin'i Nabala, ka miarahabà azy amin'ny anarako.
6Sakykite jam: ‘Ramybė tebūna tau, ramybė tavo namams ir ramybė viskam, ką turi.
6Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin'ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin'izay anananao rehetra.
7Sužinojau, kad kerpamos tavo avys. Tavo piemenys buvo su mumis. Mes jiems nieko blogo nepadarėme ir jiems nieko netrūko, kol jie buvo Karmelyje.
7Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin'ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.
8Paklausk savo jaunuolių, ir jie tau patvirtins. Teatranda šitie jaunuoliai malonę tavo akyse, nes atėjome gerą dieną. Todėl prašau, duok, ką ras tavo ranka, savo tarnams ir savo sūnui Dovydui’ ”.
8Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin'izay azon'ny tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.
9Dovydo jaunuoliai atėję kalbėjo Nabalui visus tuos žodžius Dovydo vardu ir laukė atsakymo.
9Ary rehefa tonga ny zatovon'i Davida, dia niteny tamin'i Nabala tamin'ny anaran'i Davida araka izany teny rehetra Izany izy, ka dia nipetraka.
10Nabalas atsakė Dovydo tarnams: “Kas yra Dovydas? Kas yra Jesės sūnus? Šiandien yra daug pabėgusių nuo savo valdovų tarnų.
10Fa Nabala namaly ny mpanompon'i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak'i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin'ny tompony.
11Argi aš atiduosiu duoną, vandenį ir mėsą, kurią prirengiau kirpėjams, žmonėms, apie kuriuos nežinau, iš kur jie?”
11Koa halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an'ny mpanety ondriko, ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory?
12Dovydo jaunuoliai grįžo atgal ir papasakojo jam viską, ką buvo girdėję.
12Dia nihodina ny zatovon'i Davida ka nankany amin'izay nalehany; ary dia nody tany aminy indray izy ka nanambara izany teny rehetra izany taminy.
13Dovydas tarė savo vyrams: “Kiekvienas prisijuoskite kardą”. Visi apsiginklavo ir maždaug keturi šimtai vyrų sekė Dovydą, o du šimtai pasiliko prie daiktų.
13Ary hoy Davida tamin'ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin'ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an'i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin'ny entana.
14Tuo metu vienas Nabalo tarnų pranešė Nabalo žmonai Abigailei: “Dovydas atsiuntė iš dykumos pasiuntinius mūsų šeimininko pasveikinti, o tas juos išplūdo.
14Ary Abigaila, vadin'i Nabala, dia nilazan'ny anankiray tamin'ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin'ireny izy.
15Tie vyrai buvo mums labai geri. Jie mums nepadarė jokios skriaudos, mes nieko nepasigedome per visą laiką, kurį praleidome drauge su jais.
15Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin'izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.
16Jie buvo mums siena naktį ir dieną, kai bandą ganėme netoli jų.
16Izy no mandanay andro aman'alina tamin'ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.
17Taigi dabar pagalvok ir nuspręsk, ką darysi. Nelaimė tikrai gresia mūsų šeimininkui ir visai jo šeimynai. Jis yra Belialo vaikas, su kuriuo neįmanoma kalbėti”.
17Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan'ny tompontsika mbamin'ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
18Abigailė skubiai paėmė du šimtus duonos kepalų, dvi odines vyno, penkias paruoštas avis, penkis saikus skrudintų grūdų, šimtą džiovintų vynuogių kekių, du šimtus figų pyragaičių ir sukrovė ant asilų.
18Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran'ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin'ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan'aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin'ny boriky izany.[Na: siny hoditra][Heb. sea]
19Ji įsakė savo tarnams: “Eikite pirma manęs, o aš eisiu paskui jus”. Savo vyrui Nabalui ji nieko nesakė.
19Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.
20Jodama ant asilo kalno pašlaite, ji sutiko Dovydą ir jo vyrus, ateinančius priešais.
20Ary tamin'izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin'ny takon'ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.
21Dovydas buvo pasakęs: “Veltui saugojau dykumoje visa, kas Nabalui priklauso taip, kad jis nieko nepasigedo. Jis man atsilygino piktu už gera.
21Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.
22Tegul Dievas tai ir dar daugiau padaro su Dovydo priešais, jei iki ryto palikčiau gyvą bent vieną jo vyrų”.
22Mba hataon'Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon'i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan'ny andro.
23Abigailė, pamačiusi Dovydą, skubiai nulipo nuo asilo, parpuolė prieš Dovydą ir nusilenkė iki žemės.
23Ary Abigaila, raha nahita an'i Davida, dia niala faingana tamin'ny boriky ary niankohoka teo anatrehan'i Davida ka nitsaoka azy.
24Parpuolusi prie jo kojų, kalbėjo: “Valdove, ant manęs tebūna kaltė. Meldžiu, leisk savo tarnaitei kalbėti ir išklausyk ją.
24Dia niankohoka tamin'ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin'ny ankizivavinao.
25Mano valdove, prašau nekreipti dėmesio į tą Belialo žmogų Nabalą, nes koks jo vardas, toks ir jis pats. Nabalas jo vardas ir jis pilnas kvailumo. Aš, tavo tarnaitė, nemačiau savo valdovo jaunuolių, kuriuos buvai atsiuntęs.
25Masìna ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny anarany ihany no toeny; Nabala no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.[Nabala = Adala]
26Dabar, mano valdove, kaip Viešpats gyvas ir gyva tavo siela, Viešpats sulaikė tave, kad nenusikalstum, praliedamas kraują ir keršydamas savo ranka. Tavo priešai, kurie siekia pikto mano valdovui, tegul tampa kaip Nabalas.
26Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an'i Nabala.
27Štai dovanos, kurias tavo tarnaitė atgabeno savo valdovui, atiduok jas jaunuoliams, kurie seka mano valdovą.
27Ary izao saotra nentin'ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko.
28Atleisk savo tarnaitei nusikaltimą. Viešpats tikrai pastatys mano valdovui tvirtus namus, nes tu kovoji Viešpaties kovas ir tavyje nerasta blogio per visas tavo dienas.
28Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan'ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin'i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin'ny andro rehetra iainanao.
29O jei kas tave persekiotų ir tavo gyvybės ieškotų, tai Viešpats, tavo Dievas, saugos tave, o tavo priešų sielas Jis nusvies kaip mėtykle.
29Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin'ny fehin'aina ao amin'i Jehovah Andriamanitra ny fanahin'ny tompoko, fa ny fanahin'ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin'ny foitran'antsamotady.
30Kai Viešpats įvykdys visa, ką Jis tau pažadėjo, ir tave padarys Izraelio valdovu,
30Ary amin'izany, raha Jehovah mahavita amin'ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely,
31tai nereikės mano valdovui liūdėti ir jo širdis nesigrauš, kad be reikalo praliejai kraują, norėdamas pats atkeršyti. Kai Viešpats padarys gera mano valdovui, atsimink savo tarnaitę”.
31dia tsy ho alahelo na ho nenina amin'ny fon'ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana ianao, na namaly ho an'ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian'i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.[Heb. fahatafintohinana]
32Dovydas atsakė Abigailei: “Palaimintas Viešpats, Izraelio Dievas, kuris šiandien atsiuntė tave manęs pasitikti.
32Ary hoy Davida tamin'i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
33Palaimintas tavo patarimas ir palaiminta tu, nes šiandien mane sulaikei nuo kraujo praliejimo ir sukliudei man pačiam už save atkeršyti.
33Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenako.
34Tikrai, kaip gyvas Viešpats, Izraelio Dievas, kuris man neleido tavęs nuskriausti, jei nebūtum paskubėjusi manęs pasitikti, iki ryto aušros nebūtų likę Nabalui nė vieno vyro”.
34Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin'i Nabala ambara-pahazavan'ny andro.
35Dovydas priėmė iš jos viską, ką ji jam atgabeno, ir tarė: “Eik rami į savo namus. Aš paklausiau tavo balso ir tavęs nepaniekinau”.
35Ka dia noraisin'i Davida teny an-tànany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako ianao.
36Abigailė sugrįžo pas Nabalą. Jis tuo metu buvo iškėlęs namuose karališką puotą. Nabalas buvo linksmas ir labai girtas, todėl ji jam nieko nesakė iki ryto.
36Ary Abigaila dia tonga tao amin'i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan'ny mpanjaka, ary faly ny fon'i Nabala tamin'izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran'ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan'ny andro.
37Rytą, Nabalui išsiblaivius, jo žmona jam viską papasakojo. Tuomet jo širdis apmirė jame ir jis sustingo kaip akmuo.
37Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan'i Nabala, dia nambaran'ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.
38Praėjus maždaug dešimčiai dienų, Viešpats ištiko Nabalą, ir jis mirė.
38Ary nony afaka hafoloana, dia nasian'i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.
39Dovydas, išgirdęs, kad Nabalas mirė, tarė: “Palaimintas Viešpats, kuris įvykdė teismą Nabalui už man padarytą įžeidimą ir apsaugojo mane nuo pikto. Viešpats sugrąžino Nabalo nusikaltimą ant jo galvos”. Ir Dovydas pasiuntė pasiuntinius ir kalbėjo Abigailei, kad nori ją vesti.
39Ary nony ren'i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin'i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon'i Nabala dia nampodin'i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin'i Abigaila hila azy ho vady.
40Dovydo tarnai, nuėję pas Abigailę į Karmelį, jai kalbėjo: “Dovydas mus atsiuntė pas tave pasakyti, kad jis nori tave vesti”.
40Ary nony tonga tany amin'i Abigaila teo Karmela ny mpanompon'i Davida, dia hoy izy: Davida naniraka anay hankatỳ aminao hila anao ho vadiny.
41Ji nusilenkė iki žemės ir tarė: “Štai tavo tarnaitė, kad tarnautų ir plautų savo valdovo tarnų kojas”.
41Dia nitsangana izy ary niankohoka tamin'ny tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny ankizivavinao ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'itompokolahy.
42Abigailė skubiai pasiruošė, užsėdo ant asilo ir su penkiomis tarnaitėmis sekė paskui Dovydo pasiuntinius ir tapo jo žmona.
42Ary Abigaila nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny irak'i Davida izy, ka dia novadiny.
43Dovydas dar vedė Ahinoamą iš Jezreelio, ir jos abi buvo jo žmonos.
43Ary Davida efa nanambady an'i Ahinoama avy any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy roa vavy.Fa Saoly efa nanome an'i Mikala, zananivavy, vadin'i Davida, ho vadin'i Palty, zanak'i Laisy, avy any Galima.
44Saulius atidavė savo dukterį Mikalę, Dovydo žmoną, Laišo sūnui Palčiui iš Galimo.
44Fa Saoly efa nanome an'i Mikala, zananivavy, vadin'i Davida, ho vadin'i Palty, zanak'i Laisy, avy any Galima.