Lithuanian

Malagasy

1 Samuel

26

1Zifiečiai, atėję į Gibėją, pranešė Sauliui, kad Dovydas slapstosi Hachilos kalvose, prie Jesimono.
1[Ny nilazan'ny Zifita tamin'i Saoly fanindroany izay hahazoany an'i Davida, sy ny tsy netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly] Ary ny Zifita tonga tao amin'i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?
2Saulius su trimis tūkstančiais Izraelio rinktinių vyrų ėjo į Zifo dykumą ieškoti Dovydo.
2Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr'i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely hanaraka azy hitady an'i Davida any an-efitr'i Zifa.
3Jis pasistatė stovyklą Hachilos kalvoje, prie Jesimono. Dovydas buvo dykumoje ir matė, kad Saulius ėjo į dykumą jo ieškoti.
3Ary nitoby tao amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.
4Tada Dovydas išsiuntė žvalgus ir sužinojo, kad Saulius tikrai atėjo.
4Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.
5Dovydas atėjo į tą vietą, kurioje Saulius buvo pasistatęs stovyklą. Dovydas matė vietą, kur atsigulė Saulius ir Nero sūnus Abneras, jo kariuomenės vadas. Sauliaus palapinė buvo stovyklos viduryje, o kariai miegojo aplinkui.
5Dia niainga Davida ka tonga teo amin'ny nitobian'i Saoly; ary hitan'i Davida izay nandrian'i Saoly sy Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin'ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
6Dovydas tarė hetitui Ahimelechui ir Cerujos sūnui Abišajui, Joabo broliui: “Kas eis su manimi į Sauliaus stovyklą?” Abišajis atsakė: “Aš eisiu”.
6Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin'i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.
7Dovydas ir Abišajis, naktį nuėję tarp žmonių, rado Saulių miegantį palapinėje, o jo ietis buvo įsmeigta į žemę galvūgalyje. Abneras ir kariai gulėjo aplink jį.
7Ary tonga tao amin'ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin'ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin'ny tany teo anilan'ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
8Abišajis tarė Dovydui: “Dievas šiandien atidavė tavo priešą į tavo rankas. Leisk man jį vienu smūgiu prismeigti ietimi prie žemės”.
8Ary hoy Abisay tamin'i Davida: Efa voahidin'Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin'ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
9Dovydas atsakė Abišajui: “Nežudyk jo! Kas pakeltų ranką prieš Viešpaties pateptąjį ir liktų nekaltas?
9Fa hoy Davida tamin'i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin'ny voahosotr'i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
10Kaip Viešpats gyvas, Viešpats jį ištiks, ir ateis jo diena mirti, arba jis žus kare!
10Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin'ny ady izy, ka any no hahafaty azy.
11Apsaugok, Viešpatie, kad pakelčiau savo ranką prieš Viešpaties pateptąjį! Dabar imk jo galvūgalyje įsmeigtą ietį bei vandens ąsotį ir eikime”.
11Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan'ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.
12Dovydas paėmė ietį ir vandens ąsotį nuo Sauliaus galvūgalio, ir jie išėjo. Niekas nematė, nežinojo ir nepabudo; jie visi miegojo, nes Viešpats siuntė jiems gilų miegą.
12Dia nalain'i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan'ny lohan'i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon'i Jehovah renoky ny torimaso izy.
13Dovydas perėjo į kitą pusę ir atsistojo kalno viršūnėje iš tolo, kad tarp jų būtų didelis atstumas.
13Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan'izy roa tonta);
14Jis šaukė žmonėms bei Nero sūnui Abnerui: “Argi neatsiliepsi, Abnerai?” Abneras atsiliepė: “Kas tu esi, kad šauki karaliui?”
14ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak'i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan'ny mpanjaka?
15Dovydas atsakė Abnerui: “Tu esi galingas vyras. Kas tau lygus Izraelyje? Kodėl nesaugojai karaliaus, savo valdovo? Vienas žmogus buvo atėjęs karaliaus, tavo valdovo, nužudyti.
15Ary hoy Davida tamin'i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin'ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin'ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao.
16Negerai padarėte. Kaip Viešpats gyvas, jūs verti mirties, nes jūs nesaugojote savo valdovo, Viešpaties pateptojo. Kur dingo karaliaus ietis ir vandens ąsotis, kurie buvo jo galvūgalyje?”
16Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr'i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon'ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan'ny lohany?
17Saulius, atpažinęs Dovydo balsą, tarė: “Ar tai tavo balsas, Dovydai, mano sūnau?” Dovydas atsakė: “Taip, mano valdove karaliau.
17Ary fantatr'i Saoly ny feon'i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko.
18Kodėl, mano valdove, persekioji savo tarną? Ką aš padariau? Kuo nusikaltau?
18Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin'ny tanako?
19Mano valdove karaliau, prašau, išklausyk savo tarno. Jei Viešpats tave sukurstė prieš mane, tepriima Jis auką, o jei žmonės­tegul jie būna prakeikti Viešpaties akivaizdoje, nes jie išvarė mane, kad neturėčiau dalies Viešpatyje, sakydami: ‘Eik ir tarnauk svetimiems dievams’.
19Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin'ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak'olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin'ny lova nomen'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa.
20Tenebūna pralietas mano kraujas Viešpaties akivaizdoje, nes Izraelio karalius išėjo ieškoti blusos kaip žmogus, kuris medžioja kurapką kalnuose”.
20Koa aza avela ho latsaka amin'ny tany lavitra an'i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan'ny Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra.
21Saulius atsakė: “Aš nusidėjau. Sugrįžk, mano sūnau Dovydai, aš tau nieko blogo nedarysiu, nes mano siela buvo brangi tavo akyse šiandien. Aš kvailai elgiausi ir labai klydau”.
21Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra.
22Dovydas atsakė: “Štai tavo ietis, karaliau! Tegul vienas iš tavo jaunuolių ateina ir ją paima.
22Ary Davida namaly hoe: Indro ny lefon'ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka azy.
23Viešpats atlygins kiekvienam už jo teisumą ir ištikimybę. Viešpats buvo atidavęs tave šiandien į mano rankas, bet aš nepakėliau rankos prieš Viešpaties pateptąjį.
23Ny lehilahy izay nanoloran'i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho.
24Ir štai, kaip šiandien buvo vertinga tavo gyvybė mano akyse, taip vertinga tegul būna ir mano gyvybė Viešpaties akyse; tegul Jis išlaisvina mane iš visų bėdų”.
24Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan'i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin'ny fahoriana rehetra.Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.
25Saulius atsakė Dovydui: “Būk palaimintas, mano sūnau Dovydai! Tu daug padarysi ir pasieksi”. Po to Dovydas nuėjo savo keliu, o Saulius sugrįžo į savo vietą.
25Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.