Lithuanian

Malagasy

2 Chronicles

5

1Taip buvo pabaigti visi darbai, kuriuos Saliamonas padarė dėl Viešpaties namų, ir Saliamonas atgabeno tai, ką jo tėvas Dovydas buvo pašventinęs: auksą, sidabrą bei indus, ir sudėjo Dievo namų sandėliuose.
1Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin'i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra.
2Saliamonas sušaukė Izraelio vyresniuosius, giminių vadus ir izraelitų šeimų galvas į Jeruzalę, kad atgabentų Viešpaties Sandoros skrynią iš Dovydo miesto, Siono.
2[Ny nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany dia novorin'i Solomona ny loholon'ny Isiraely sy ny lehiben'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakavian'ny Zanak'isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy any Ziona, Tanànan'i Davida.
3Todėl visi Izraelio vyrai susirinko pas karalių į šventę, kuri vyko septintąjį mėnesį.
3Dia nivory ho any amin'ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro firavoravoana tamin'ny volana fahafito.
4Atėjo visi Izraelio vyresnieji, ir levitai paėmė skrynią.
4Ary tonga koa ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,
5Jie nešė skrynią, Susitikimo palapinę ir visus šventus indus, kurie buvo palapinėje, kunigai ir levitai nešė juos.
5dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.
6Karalius Saliamonas ir visas Izraelis, susirinkęs pas jį priešais Sandoros skrynią, aukojo tiek avių ir galvijų, kad jų nebuvo įmanoma suskaičiuoti.
6Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
7Kunigai įnešė Viešpaties Sandoros skrynią į Šventų švenčiausiąją po cherubų sparnais.
7Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima;
8Cherubų sparnai buvo išskleisti virš skrynios ir dengė ją bei kartis.
8fa nivelatra tambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
9Kartys buvo tokios ilgos, kad jų galai buvo matomi priešais Švenčiausiąją, tačiau iš lauko jų nesimatė. Taip ten yra iki šios dienos.
9Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin'ny fiara eo anoloan'ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.
10Skrynioje buvo tik dvi plokštės, kurias Mozė įdėjo Horebe, kai Viešpats padarė sandorą su izraelitais, jiems išėjus iš Egipto.
10Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon'i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin'i Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'isiraely, tamin'ny nivoahany avy tany Egypta.
11Kunigams išėjus iš šventyklos, nes visi ten buvę kunigai buvo pasišventinę, nepaisant jų tarnavimo eilės,
11Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),
12levitai giesmininkai Asafas, Hemanas, Jedutūnas, jų sūnūs ir broliai, vilkėdami plonos drobės rūbus, su cimbolais, psalteriais ir arfomis stovėjo į rytus nuo aukuro ir prie jų šimtas dvidešimt kunigų su trimitais.
12ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan'ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra;
13Trimitininkai ir giedotojai buvo kaip vienas, šlovindami ir dėkodami Viešpačiui vienu balsu. Kai jie pakėlė savo balsus su trimitais, cimbolais ir kitais muzikos instrumentais, šlovindami Viešpatį ir sakydami: “Jis yra geras ir Jo gailestingumas amžinas”, debesis pripildė Viešpaties namus
13ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon'i Jehovah;ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon'Andriamanitra.
14taip, kad kunigai negalėjo tarnauti dėl debesies, nes Viešpaties šlovė pripildė Dievo namus.
14ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon'Andriamanitra.