1Tuomet Saliamonas tarė: “Viešpats kalbėjo, kad nori gyventi tirštoje tamsoje.
1Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy.
2Bet aš pastačiau Tau namus, vietą, kur Tu gyventum per amžius”.
2Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
3Karalius atsisukęs palaimino visus susirinkusius izraelitus, o visi izraelitai tuo metu stovėjo.
3Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),
4Jis sakė: “Palaimintas Viešpats, Izraelio Dievas, kuris įvykdė, ką pažadėjo mano tėvui Dovydui, sakydamas:
4ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
5‘Nuo tos dienos, kai išvedžiau savo tautą iš Egipto, neišsirinkau kito miesto tarp visų Izraelio giminių statyti namams, kur būtų mano vardas, ir jokio kito vyro, kuris būtų mano tautos Izraelio valdovu,
5Hatramin'ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran'ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko;
6bet Aš išsirinkau Jeruzalę, kad mano vardas būtų joje, ir Dovydą, kad valdytų mano tautą Izraelį’.
6fa nifidy an'i Jerosalema Aho hitoeran'ny anarako, ary nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
7Mano tėvas Dovydas norėjo pastatyti namus Viešpaties, Izraelio Dievo, vardui,
7Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
8tačiau Viešpats kalbėjo mano tėvui Dovydui: ‘Gerai, kad tu norėjai pastatyti namus mano vardui,
8Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
9tačiau ne tu juos pastatysi, bet tavo sūnus, kuris tau gims, pastatys namus mano vardui’.
9Kanefa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako.
10Viešpats išpildė savo žodį, kurį kalbėjo. Aš užėmiau savo tėvo Dovydo vietą ir atsisėdau Izraelio soste, kaip Viešpats žadėjo, ir pastačiau namus Viešpaties, Izraelio Dievo, vardui.
10Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
11Ten padėjau Sandoros skrynią, kurioje yra Viešpaties Sandora, padaryta su izraelitais”.
11Ary napetrako tao ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny Zanak'isiraely.
12Saliamonas atsistojo priešais Viešpaties aukurą Izraelio akivaizdoje ir iškėlė rankas.
12Ary Solomona nitsangana teo anoloan'ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany
13Saliamonas buvo padirbdinęs varinį paaukštinimą, penkių uolekčių ilgio bei tiek pat uolekčių pločio ir trijų uolekčių aukščio ir jį pastatęs kiemo viduryje. Užlipęs ant jo, jis atsiklaupė izraelitų akivaizdoje ir, iškėlęs rankas,
13fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan'ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin'io izy ka nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra
14sakė: “Viešpatie, Izraelio Dieve, nei danguje, nei žemėje nėra dievo, kuris būtų lygus Tau, kuris laikytųsi sandoros ir būtų gailestingas savo tarnams, kurie visa širdimi pasitiki Tavimi.
14ka nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,
15Tu ištesėjai savo tarnui Dovydui, mano tėvui, duotą pažadą. Tu kalbėjai savo lūpomis ir įvykdei tai savo rankomis šiandien.
15sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain'ny vavanao izany, dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
16Dabar, Viešpatie, Izraelio Dieve, įvykdyk tai, ką pažadėjai savo tarnui Dovydui, mano tėvui, sakydamas: ‘Tu nepritrūksi vyro Izraelio soste mano akivaizdoje, jei tavo sūnūs vaikščios pagal mano įstatymą, kaip tu vaikščiojai’.
16Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany ka mankatò ny lalàko tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
17Viešpatie, Izraelio Dieve, įvykdyk savo pažadą, kurį davei savo tarnui Dovydui.
17Koa ankehitriny, ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona amina aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida mpanomponao.
18Bet argi Dievas iš tiesų gyvens su žmonėmis žemėje? Dangus ir dangų dangūs nepajėgia Tavęs sutalpinti, tuo labiau šitie namai, kuriuos pastačiau.
18Andriamanitra va dia honina amin'ny olona etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
19Atsižvelk į savo tarno maldą ir prašymą, Viešpatie, mano Dieve, išklausyk šauksmą ir maldą, kuria Tavo tarnas meldžiasi Tavo akivaizdoje.
19Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao,
20Dieną ir naktį tebūna atviros Tavo akys tiems namams ir tai vietai, apie kurią sakei, kad joje bus Tavo vardas. Išklausyk savo tarno maldą, kai jis melsis šioje vietoje.
20mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako, hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
21Išgirsk savo tarno ir savo tautos maldavimus, kai jie melsis šitoje vietoje. Išgirsk danguje, kur Tu gyveni, ir atleisk.
21Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa, ka mamelà heloka.
22Jei kas nusidės savo artimui ir ateis į šituos namus prie Tavo aukuro prisiekti,
22Raha misy olona manota amin'ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan'ny alitaranao amin'ity trano ity izy,
23išgirsk danguje ir teisk savo tarnus: nubausk kaltąjį pagal jo nusikaltimą ir išteisink teisųjį, atlygindamas jam pagal jo teisumą.
23dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hamaly ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
24Jei Tavo tauta Izraelis bus nugalėta priešų dėl to, kad jie Tau nusikalto, ir jei jie atgailaus, išpažins Tavo vardą, melsis ir maldaus Tavęs šiuose namuose,
24Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona eto anatrehanao amin'ity trano ity izy,
25tai išgirsk danguje, atleisk savo tautai Izraeliui nuodėmę ir sugrąžink juos į žemę, kurią davei jiems ir jų tėvams.
25dia mihainoa any an-danitra, Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio amin'ny tany nomenao azy sy ny razany izy.
26Jei dangus bus uždarytas ir nebus lietaus dėl to, kad jie Tau nusidėjo, ir jei jie melsis šitoje vietoje, išpažins Tavo vardą ir nusigręš nuo savo nuodėmės, už kurią juos baudi,
26Raha mihantona ny andro, ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan'ny olona taminao, ary mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin'ny fahotany, satria ampahorinao,
27išgirsk danguje ir atleisk savo tarnų, Izraelio tautos, nuodėmę; pamokyk juos eiti geru keliu ir duok lietaus kraštui, kurį davei jiems paveldėti.
27dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.
28Jei badas siaus krašte, kils maras, jei sausra, pelėsiai ir skėriai naikins derlių, jei priešai apsups žmones miestuose, užeis vargai ir ligos
28Raha misy mosary amin'ny tany, na areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin'ny taniny, dia ao amin'ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
29ir jei atskiras žmogus ar visa tauta, pajutę vargą, melsis ištiesę rankas šitų namų link,
29izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy,
30išgirsk danguje, atleisk jiems ir atlygink kiekvienam pagal jo kelius, kaip Tu matai jo širdyje, nes tik Tu pažįsti kiekvieno žmogaus širdį,
30dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ka omeo ny olona araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona,)
31kad jie Tavęs bijotų ir vaikščiotų Tavo keliais, kol gyvens žemėje, kurią davei mūsų tėvams.
31mba hatahorany Anao sy handehanany amin'ny lalanao amin'izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.
32Jei svetimšalis, neizraelitas, ateis iš tolimo krašto dėl Tavo didingo vardo, Tavo galingos ir ištiestos rankos ir jei jis atėjęs melsis šiuose namuose,
32Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
33išgirsk jį danguje ir įvykdyk, ko jis Tavęs prašys, kad visos žemės tautos pažintų Tavo vardą ir bijotų Tavęs kaip Tavo tauta Izraelis, ir patirtų, jog šitie namai, kuriuos pastačiau, vadinami Tavo vardu.
33dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano nataoko ity.
34Jei Tavo tauta išeis kariauti su priešais, kur Tu juos pasiųsi, ir melsis atsigręžę į šį miestą, kurį Tu išsirinkai, ir šituos namus, kuriuos pastačiau Tavo vardui,
34Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalony ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka aminao manandrify ity tanana izay nofidinao ity sy ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao izy,
35išgirsk danguje jų maldą ir prašymą ir apgink jų teises.
35dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
36Jei jie Tau nusidės,juk nėra žmogaus, kuris nenusidėtų,ir Tu, užsirūstinęs ant jų, atiduosi juos priešui, kuris paims juos nelaisvėn ir išves į tolimą šalį,
36Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan'ny fahavalony, ka dia entin'ny mpamabo ho babo any amin'ny tany na ho lavitra na ho akaiky izy,
37ir jei jie, ten būdami, supras, atsivers ir Tavęs maldaus, sakydami: ‘Mes nusidėjome, elgėmės neteisingai ir padarėme piktadarystę’,
37ary mahatsiaro any amin'ny tany nitondrana azy ho babo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy,
38ir gręšis į Tave visa širdimi bei visa siela priešų šalyje, į kurią jie buvo išvesti, ir melsis atsigręžę į šalį, kurią davei jų tėvams, į miestą, kurį išsirinkai, ir šituos namus, kuriuos pastačiau Tavo vardui,
38ka dia miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy ao amin'ny tany nitondrana azy ho babo ary mivavaka manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao,
39tai išklausyk danguje jų maldas bei maldavimus, apgink jų teises ir atleisk savo tautai, kuri Tau nusidėjo.
39dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonanao ka omeo rariny izy; ary mamelà ny olonao izay efa nanota taminao.
40Mano Dieve, meldžiu, kad Tavo akys ir ausys būtų atviros maldai šioje vietoje.
40Ankehitriny, ry Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hihiratra ny masonao, an aoka ny sofinao hihaino ny vavaka atao amin'ity fitoerana ity.
41Viešpatie Dieve, būk šitoje vietoje su savo galybės skrynia. Viešpatie Dieve, tegu Tavo kunigai būna apsirengę išgelbėjimu ir Tavo šventieji tesidžiaugia Tavo gerumu.
41Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin'ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô. ary aoka ny olonao masina hifaly amin'ny soa.Ry Jehovah Andriamanitra ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an'i Davida mpanomponao.
42Viešpatie Dieve, nenusisuk nuo savo pateptojo, atsimink gailestingumą savo tarnui Dovydui”.
42Ry Jehovah Andriamanitra ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an'i Davida mpanomponao.