1Antraisiais Izraelio karaliaus Jehoašo, Jehoachazo sūnaus, metais Jehoašo sūnus Amacijas karaliavo Jude.
1[Ny nanjakan'i Amazia tamin'ny Joda] Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda.
2Pradėdamas karaliauti, jis buvo dvidešimt penkerių metų amžiaus ir karaliavo Jeruzalėje dvidešimt devynerius metus. Jo motina buvo vardu Jehoadina, iš Jeruzalės.
2Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
3Amacijas darė tai, kas teisinga Viešpaties akyse, tačiau ne taip, kaip jo tėvas Dovydas. Jis visur elgėsi taip, kaip jo tėvas Jehoašas.
3Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon'i Joasy rainy ihany no nataony.
4Aukštumos nebuvo panaikintos, ir žmonės vis dar aukojo ir smilkė jose.
4Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
5Kai karalystė įsitvirtino jo rankose, jis nužudė tuos tarnus, kurie nužudė jo tėvą karalių.
5Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
6Tačiau jų vaikų jis nenužudė, laikydamasis to, kas parašyta Mozės įstatymo knygoje, kur Viešpats sako: “Nežudykite tėvų už vaikus, nė vaikų už tėvus, bet kiekvienas turi mirti už savo nuodėmę”.
6Fa ny zanak'ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny olona.
7Jis nugalėjo Druskos slėnyje edomitus, nukaudamas jų dešimt tūkstančių, ir užkariavo Selą. Jis ją pavadino Jokteeliu, ir taip ji vadinama iki šios dienos.
7Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin'ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an'i Sela tamin'ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.
8Tuomet Amacijas siuntė pasiuntinius pas Jehuvo sūnaus Jehoachazo sūnų Jehoasą, Izraelio karalių, ir sakė jam: “Išeik, kad susitiktume veidas į veidą”.
8Tamin'izany Amazia dia naniraka olona tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
9Izraelio karalius Jehoašas siuntė Judo karaliui Amacijui tokį atsakymą: “Libane auganti usnis siuntė pas Libano kedrą, sakydama: ‘Leisk savo dukterį už mano sūnaus’. Bet Libano laukinis žvėris prabėgdamas sutrypė usnį.
9Fa Joasy mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
10Tu nugalėjai edomitus, todėl pasididžiavo tavo širdis. Džiaukis tuo ir pasilik namie. Kodėl nori prisišaukti nelaimę ir žūti kartu su Judu?”
10Efa namely an'i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
11Amacijas nepaklausė, todėl Izraelio karalius Jehoasas atėjo. Jis ir Judo karalius Amacijas susitiko veidas į veidą Bet Šemeše, kuris priklauso Judui.
11Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda.
12Izraelis nugalėjo Judą, ir jo vyrai pabėgo į savo palapines.
12Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.
13Judo karalių Amaciją, Ahazijo sūnaus Jehoašo sūnų, Izraelio karalius Jehoašas paėmė į nelaisvę Bet Šemeše; tada atėjo į Jeruzalę ir nugriovė Jeruzalės sieną nuo Efraimo vartų iki Kampo vartų, keturis šimtus uolekčių.
13Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'i Joasy, zanak'i Ahazia, nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
14Jis pasiėmė visą auksą, sidabrą, visus indus, rastus Viešpaties namuose ir karaliaus namų ižde, bei įkaitus ir sugrįžo į Samariją.
14Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy.
15Visi kiti Jehoašo darbai, jo galia ir jo kova su Judo karaliumi Amaciju yra aprašyti Izraelio karalių metraščių knygoje.
15Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'ny heriny sy ny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
16Jehoašas užmigo prie savo tėvų ir buvo palaidotas Samarijoje prie Izraelio karalių, o jo sūnus Jeroboamas karaliavo jo vietoje.
16Ary Joasy lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
17Jehoašo sūnus Amacijas, Judo karalius, mirus Jehoachazo sūnui Jehoašui, Izraelio karaliui, dar gyveno penkiolika metų.
17Ary ny andro niainan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahada, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.
18Visi kiti Amacijo darbai surašyti Judo karalių metraščių knygoje.
18Ary ny tantaran'i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
19Jeruzalėje prieš jį kilo sąmokslas, ir Amacijas pabėgo į Lachišą. Bet jie pasiuntė į Lachišą ir jį ten nužudė.
19Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany.
20Jo kūną pargabeno ant žirgų Jeruzalėn ir palaidojo prie jo tėvų Dovydo mieste.
20Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy.
21Tada visi Judo žmonės ėmė Azariją, kuriam buvo šešiolika metų, ir padarė savo karaliumi vietoje jo tėvo Amacijo.
21Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Azaria, izay vao enina ambin'ny folo taona tamin'izay, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.
22Jis sutvirtino Elatą ir sugrąžino jį Judui po to, kai karalius užmigo prie savo tėvų.
22Izy no hanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka.
23Jeroboamas, Izraelio karaliaus Jehoašo sūnus, pradėjo karaliauti Samarijoje penkioliktaisiais Judo karaliaus Amacijo, Jehoašo sūnaus, metais. Jis valdė keturiasdešimt vienerius metus.
23[Ny nanjakan'i Jeroboama II tamin'ny Isiraely sy ny nampodiany ny voninahitry ny fanjakana ho tahaka ny teo] Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.
24Jis darė pikta Viešpaties akyse ir neatsitraukė nuo nuodėmių Nebato sūnaus Jeroboamo, kuris įtraukė Izraelį į nuodėmę.
24Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely.
25Jis atstatė Izraelio ribas nuo Hamato iki lygumos jūros pagal Viešpaties, Izraelio Dievo, žodį, kurį Jis paskelbė per savo tarną pranašą Joną, Amitajo sūnų, iš Get Hefero.
25Izy no nampody ny sisin-tanin'ny Isiraely ka azony hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny ranomasin'ny tani-hay, araka ny tenin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak'i Amitahy, mpaminany tany Gata-hefera.[Heb. Arabà]
26Viešpats matė didelį Izraelio vargą, kad nebeliko nei vergų, nei laisvųjų ir kad nebuvo nė vieno, kas padėtų Izraeliui.
26Fa efa hitan'i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian'ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory.
27Viešpats nesakė, kad išnaikins Izraelio vardą nuo žemės paviršiaus, bet Jis išgelbėjo juos per Jehoašo sūnų Jeroboamą.
27Fa tsy mba nolazain'i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anaran'ny Isiraely; fa ny tànan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, no nentiny namonjy azy.
28Visi kiti Jeroboamo darbai, jo galia, kovos, kaip jis sugrąžino Izraeliui Damaską ir Hamatą, yra aprašyta Izraelio karalių metraščių knygoje.
28Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa mbamin'izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an'i Damaskosy sy Hamata, izay an'ny Joda fahiny, ho an'ny Isiraely, tsy efa voasoratra ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.
29Jeroboamas užmigo prie savo tėvų, Izraelio karalių, ir jo sūnus Zacharija karaliavo jo vietoje.
29Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy.