Lithuanian

Malagasy

2 Kings

15

1Dvidešimt septintaisiais Izraelio karaliaus Jeroboamo metais Jude pradėjo karaliauti karaliaus Amacijo sūnus Azarija.
1[Ny nanjakan'i Azaria tamin'ny Joda, ary ny nanjakan'i Zakaria sy Saloma sy Menahema sy Pekahia ary Peka tamin'ny Isiraely] Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Azaria, zanak'i Amazia, mpanjakan'ny Joda.
2Pradėdamas valdyti, jis buvo šešiolikos metų ir penkiasdešimt dvejus metus karaliavo Jeruzalėje. Jo motina buvo vardu Jecholija, iš Jeruzalės.
2Enina ambin'ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
3Jis darė tai, kas teisinga Viešpaties akyse, kaip ir jo tėvas Amacijas.
3Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy;
4Tik aukštumos nebuvo panaikintos, žmonės vis dar aukojo ir smilkė aukštumose.
4kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
5Viešpats ištiko karalių raupsais. Iki mirties jis gyveno atskiruose namuose, o jo sūnus Jotamas valdė jo namus ir teisė krašto žmones.
5Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin'ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka.
6Visi kiti Azarijos darbai surašyti Judo karalių metraščių knygoje.
6Ary ny tantaran'i Azaria sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
7Azarija užmigo prie savo tėvų ir buvo palaidotas prie savo tėvų Dovydo mieste; jo sūnus Jotamas karaliavo jo vietoje.
7Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin'ny razany, ka nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.
8Trisdešimt aštuntaisiais Judo karaliaus Azarijos metais Jeroboamo sūnus Zacharija šešis mėnesius karaliavo Izraelyje, Samarijoje.
8Tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zakaria, zanak'i Jeroboama, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy.
9Jis darė pikta Viešpaties akyse kaip jo tėvai ir neatsitraukė nuo nuodėmių Nebato sūnaus Jeroboamo, kuris įtraukė Izraelį į nuodėmę.
9Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny razany izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely.
10Jabešo sūnus Šalumas surengė sąmokslą, užpuolė žmonių akivaizdoje Zachariją, nužudė jį ir karaliavo jo vietoje.
10Ary Saloma, zanak'i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan'ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
11Visi kiti Zacharijos darbai surašyti Izraelio karalių metraščių knygoje.
11Ary ny tantaran'i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
12Toks buvo Viešpaties žodis, kurį Jis kalbėjo Jehuvui: “Iki ketvirtosios kartos tavo sūnūs sėdės Izraelio soste”. Ir taip įvyko.
12Izany no ilay tenin'i Jehovah nolazainy tamin'i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin'ny zafindohalika dia hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany.
13Jabešo sūnus Šalumas pradėjo karaliauti Izraelyje trisdešimt devintaisiais Judo karaliaus Uzijo metais ir karaliavo Samarijoje vieną mėnesį.
13Ary Saloma, zanak'i Jabesy, dia vao nanjaka tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy.
14Gadžio sūnus Menahemas, išėjęs iš Tircos, atėjo į Samariją; jis, užpuolęs Jabešo sūnų Šalumą, nužudė jį ir karaliavo jo vietoje.
14Fa Menahema, zanak'i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an'i Saloma, zanak'i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
15Visi kiti Šalumo darbai ir jo surengtas sąmokslas yra aprašyta Izraelio karalių metraščių knygoje.
15Ary ny tantaran'i Saloma sisa mbamin'ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
16Menahemas sunaikino Tifsacho miestą ir visą kraštą nuo Tircos; gyventojus išžudė, nes jie neatidarė jam miesto vartų, o nėščias moteris perskrodė.
16Tamin'izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an'i Tifsa mbamin'izay rehetra tao hatramin'ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany.
17Trisdešimt devintaisiais Judo karaliaus Azarijos metais Izraelyje pradėjo karaliauti Gadžio sūnus Menahemas ir karaliavo Samarijoje dešimt metų.
17Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Menahema, zanak'i Gady, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy.
18Jis darė pikta Viešpaties akyse ir neatsitraukė nuo nuodėmių Nebato sūnaus Jeroboamo, kuris įtraukė Izraelį į nuodėmę.
18Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tamin'ny androny rehetra dia tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
19Asirijos karalius Pulas užpuolė kraštą. Menahemas davė jam tūkstantį talentų sidabro, kad jo ranka būtų su juo ir padėtų įsitvirtinti valdžioje.
19Ary Pola, mpanjakan'i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an'i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan'i Menahema.
20Menahemas visus pasiturinčius gyventojus apdėjo mokesčiais, kiekvieną po penkiasdešimt šekelių sidabro, kad galėtų sumokėti Asirijos karaliui. Taip Asirijos karalius apsisuko ir pasitraukė iš krašto.
20Ary nampandoavin'i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin'ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan'i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan'i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin'ny tany.
21Visi kiti Menahemo darbai surašyti Izraelio karalių metraščių knygoje.
21Ary ny tantaran'i Menahema sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
22Menahemas užmigo prie savo tėvų, ir jo sūnus Pekachija karaliavo jo vietoje.
22Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy.
23Penkiasdešimtaisiais Judo karaliaus Azarijos metais Izraelio karaliumi Samarijoje tapo Menahemo sūnus Pekachija ir karaliavo dvejus metus.
23Tamin'ny taona fahadimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Pekahia, zanak'i Menahema, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy.
24Jis darė pikta Viešpaties akyse ir nepasitraukė nuo nuodėmių Nebato sūnaus Jeroboamo, kuris įtraukė Izraelį į nuodėmę.
24Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
25Prieš jį surengė sąmokslą Remalijo sūnus Pekachas, jo karo vadas. Jis susitarė su Argobu, Arjė bei penkiasdešimt gileadiečių ir nužudė jį Samarijoje, karaliaus rūmuose. Ir jis karaliavo jo vietoje.
25Ary Peka, zanak'i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an'i Pekahia mbamin'i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin'ny trano-avo amin'ny lapa, ary teo amin'Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin'ny taranak'i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy.
26Visi kiti Pekachijos darbai surašyti Izraelio karalių metraščių knygoje.
26Ary ny tantaran'i Pekahia sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
27Penkiasdešimt antraisiais Judo karaliaus Azarijos metais Izraelyje ir Samarijoje pradėjo karaliauti Remalijo sūnus Pekachas ir karaliavo dvidešimt metų.
27Tamin'ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy.
28Pekachas darė pikta Viešpaties akyse ir neatsitraukė nuo nuodėmių Nebato sūnaus Jeroboamo, kuris įtraukė Izraelį į nuodėmę.
28Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.
29Izraelio karaliaus Pekacho dienomis Asirijos karalius Tiglat Pileseras įsiveržė ir paėmė Ijoną, Abel Bet Maaką, Janoachą, Kedešą, Hasorą, Gileadą, Galilėją ir visą Naftalio kraštą, o žmones išsivedė į Asiriją.
29Tamin'ny andron'i Peka, mpanjakan'ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, ka nahafaka an'Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin'ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy.
30Elos sūnus Ozėjas surengė sąmokslą prieš Remalijo sūnų Pekachą, nužudė jį ir karaliavo jo vietoje dvidešimtaisiais Uzijo sūnaus Jotamo metais.
30Ary Hosea, zanak'i Elaha, nikomy tamin'i Peta, Zanak'i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia.
31Visi kiti Pekacho darbai surašyti Izraelio karalių metraščių knygoje.
31Ary ny tantaran'i Peka sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
32Antraisiais Remalijo sūnaus Pekacho, Izraelio karaliaus, metais pradėjo karaliauti Judo karaliaus Uzijo sūnus Jotamas.
32[Ny nanjakan'i Jotama tamin'ny Joda] Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda.
33Jis pradėjo karaliauti dvidešimt penkerių metų ir karaliavo Jeruzalėje šešiolika metų. Jo motina buvo Cadoko duktė Jeruša.
33Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka.
34Jis darė tai, kas teisinga Viešpaties akyse, kaip ir jo tėvas Uzijas.
34Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon'i Ozia rainy no nataony.
35Tačiau aukštumos nebuvo panaikintos, žmonės vis dar smilkė ir aukojo aukštumose. Jis pastatė aukštutinius Viešpaties namų vartus.
35Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah.
36Visi kiti Jotamo darbai yra surašyti Judo karalių metraščių knygoje.
36Ary ny tantaran'i Jotama sisa mbamin'Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
37Tomis dienomis Viešpats pradėjo siųsti prieš Judą Sirijos karalių Reciną ir Remalijo sūnų Pekachą.
37Tamin'izany andro Izany no vao nampandehanan'i Jehovah an'i Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, hanafika an'i Joda.Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
38Jotamas užmigo prie savo tėvų ir buvo palaidotas prie savo tėvų savo tėvo Dovydo mieste; jo sūnus Ahazas pradėjo karaliauti jo vietoje.
38Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.