1Dvyliktaisiais Judo karaliaus Ahazo metais Izraelyje ir Samarijoje pradėjo karaliauti Elos sūnus Ozėjas ir karaliavo devynerius metus.
1[Ny nanjakan'i Hosea, sy ny naharavan'ny fanjakan'ny Isiraely, ary ny fototry ny nahatonga izany] Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, tamin'ny Isiraely tao Samaria; ary nanjaka Sivy taona izy.
2Jis darė pikta Viešpaties akyse, bet ne taip, kaip Izraelio karaliai, buvę prieš jį.
2Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely teo alohany.
3Asirijos karalius Šalmaneseras kariavo prieš jį, ir Ozėjas, tapęs jo tarnu, mokėjo jam duoklę.
3Niakatra hanafika azy Salmanesera, mpanjakan'i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa hetra ho azy Hosea.[Heb. fanomezana]
4Asirijos karalius pastebėjo, kad Ozėjas rengia sąmokslą, nes pasiuntė pasiuntinius pas Egipto karalių Soją ir nesumokėjo duoklės kaip ankstesniais metais. Todėl Asirijos karalius suėmė jį ir uždarė į kalėjimą.
4Ary ny mpanjakan'i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin'i So, mpanjakan'i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an'ny mpanjakan'i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan'i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.
5Asirijos karalius užėmė visą kraštą, pasiekė Samariją ir laikė ją apgulęs trejus metus.
5Dia niakatra ny mpanjakan'i Asyria ka nanenika ny tany; ary niakatra tany Samaria izy ka nanao fahirano azy telo taona.
6Devintaisiais Ozėjo metais Asirijos karalius paėmė Samariją ir išvedė izraelitus į Asiriją, juos apgyvendino Halache, Habore prie Gozano upės ir medų miestuose.
6Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Hosea no nahafahan'ny mpanjakan'i Asyria an'i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron'i Habora (dia ny onin'i Gozana izany) ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana.
7Taip įvyko dėl to, kad izraelitai nusidėjo Viešpačiui, savo Dievui, kuris juos išvedė iš Egipto žemės ir faraono priespaudos, ir garbino svetimus dievus.
7Ary ny nahatongavan'izany dia noho ny nanotan'ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho afaka tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy
8Jie elgėsi pagal papročius pagonių, kuriuos Viešpats išvarė prieš izraelitams užimant kraštą, ir pagal Izraelio karalių įvestus papročius.
8ka nandeha araka ny fanaon'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely sy araka ny didy izay nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely.
9Izraelitai slapta darė tai, kas nebuvo teisinga Viešpaties, jų Dievo, akyse. Jie pasidarė aukštumas visuose savo miestuose, pradedant sargybų bokštais ir baigiant sutvirtintais miestais.
9Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an'i Jehovah Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin'ny tanànany rehetra, dia hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
10Jie pasistatė atvaizdus ir pasidarė alkus kiekvienoje kalvoje ir po kiekvienu žaliuojančiu medžiu.
10Ary nanangana tsangam-bato-tsampy sy Aseraha ho azy teny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy;
11Ten jie smilkė aukštumose kaip pagonys, kuriuos Viešpats išvarė priešais juos, ir darė nedorybes, sukeldami Viešpaties pyktį.
11ary nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo rehetra izy, tahaka ny nataon'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloany, sady nanao zavatra ratsy ka nampahatezitra an'i Jehovah.
12Jie tarnavo stabams, apie kuriuos Viešpats buvo jiems pasakęs: “Nedarykite tokių”.
12Fa nanompo sampy, izay nandraran'i Jehovah azy hoe: Aza manao izany zavatra izany ianareo.
13Viešpats įspėjo Izraelį ir Judą per savo pranašus ir regėtojus, sakydamas: “Nusisukite nuo savo piktų kelių ir laikykitės mano įsakymų bei nuostatų pagal įsakymą, kurį daviau jūsų tėvams ir siunčiau per savo tarnus pranašus”.
13Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain'i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin'ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
14Tačiau jie neklausė, bet sukietino savo sprandus, kaip ir jų tėvai, kurie netikėjo Viešpačiu, savo Dievu.
14Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an'i Jehovah Andriamaniny.
15Jie atmetė Jo nuostatus ir sandorą, kurią Jis buvo padaręs su jų tėvais, ir Jo įspėjimus, kuriais juos įspėdavo. Jie sekė tuštybe ir patys tapo tušti, nuėjo paskui aplinkines tautas, ko Viešpats buvo įsakęs nedaryti.
15Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin'ny razany mbamin'ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran'i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
16Jie paliko visus Viešpaties, savo Dievo, įsakymus ir pasidarė nulietus veršius ir alkus, garbino dangaus kareiviją ir tarnavo Baalui.
16Ary nahafoy ny didin'i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an'ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ary nanompo an'i Bala.
17Jie leido savo sūnus bei dukteris per ugnį, žyniavo ir kerėjo, ir parsidavė daryti pikta Viešpaties akyse, sukeldami Jo pyktį.
17Ary nampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahatezitra Azy.
18Todėl Viešpats labai užsirūstino ant Izraelio ir pašalino juos iš savo akivaizdos. Nieko neliko, išskyrus Judo giminę.
18Koa dia tezitra indrindra tamin'ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.
19Taip pat ir Judas nesilaikė Viešpaties, savo Dievo, įsakymų, bet elgėsi pagal Izraelyje priimtus papročius.
19Ary ny Joda koa aza tsy mba nitandrina ny didin'i Jehovah Andriamaniny, fa nandeha araka izay rehetra nataon'ny Isiraely koa.
20Viešpats atmetė visus Izraelio palikuonis ir bausdamas atidavė juos į plėšikų rankas, kol jie buvo pašalinti iš Jo akivaizdos.
20Dia narian'i Jehovah ny taranak'Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan'ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
21Jis atplėšė Izraelį nuo Dovydo namų, ir jie paskelbė savo karaliumi Nebato sūnų Jeroboamą. Jeroboamas nukreipė Izraelį nuo Viešpaties ir juos įtraukė į didelę nuodėmę.
21Fa nendahany niala tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely; ary ny olona nampanjaka an'i Jeroboama, zanak'i Nebata; ary Jeroboama dia nampiala ny Isiraely tsy hanaraka an'i Jehovah ka nampanota azy indrindra.
22Izraelitai vaikščiojo visose Jeroboamo nuodėmėse ir nepaliko jų,
22Ary ny Zanak'Isiraely nandeha tamin'ny fahotana rehetra nataon'i Jeroboama, fa tsy niala tamin'izany izy
23kol Viešpats atstūmė Izraelį nuo savęs, kaip kalbėjo per savo tarnus pranašus. Taip Izraelis buvo perkeltas iš savo žemės į Asiriją, kur jie pasiliko iki šios dienos.
23Mandra-panaisotr'i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala tamin'ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka androany.
24Asirijos karalius atkėlė į Samarijos miestus izraelitų vieton žmonių iš Babilono, Kuto, Avos, Hamato ir Sefarvaimo. Jie įsikūrė Samarijoje ir gyveno jos miestuose.
24[Ny nametrahana olona hafa firenena tao amin'ny tany Samaria, sy ny amin'ny fivavahan'ireny] Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin'ny tanànan'i Samaria nisolo ny Zanak'Isiraely; dia nahazo an'i Samaria ireny ka nitoetra teny amin'ny tanànany.
25Ten apsigyvenę, jie nebijojo Viešpaties, todėl Viešpats siuntė tarp jų liūtų, kurie juos žudė.
25Ary raha vao nonina tao ireny, dia tsy natahotra an'i Jehovah; ary Jehovah kosa nampandeha ny liona hamely azy, ka nahafatesan'ireny izy.
26Asirijos karaliui buvo pranešta: “Tautos, kurias atkėlei į Samarijos miestus, nežino apie to krašto Dievą, todėl Jis siuntė liūtų, kurie žudo juos, kadangi jie nežino tos šalies Dievo”.
26Dia hoy ny olona tamin'ny mpanjakan'i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin'ny tanànan'i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan'ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon'ny Andriamanitry ny tany.
27Asirijos karalius įsakė: “Nusiųskite ten vieną jų kunigą, kurį atvedėte iš ten, kad jis nuvykęs ten apsigyventų ir juos pamokytų apie to krašto Dievą”.
27Ary ny mpanjakan'i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin'ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any izy.
28Vienas kunigas iš tų, kurie buvo išvesti iš Samarijos, sugrįžęs apsigyveno Betelyje ir mokė juos, kaip reikia bijoti Viešpaties.
28Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin'izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an'i Jehovah.
29Tačiau kiekviena tauta pasidarė savo dievus ir pasistatė juos samariečių aukštumų namuose, kiekviena tauta tame mieste, kur ji gyveno.
29Kanefa ny isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo, izay nataon'ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao tao amin'ny tanàna nitoerany avy.
30Babiloniečiai garbino Sukot Benotą, Kuto žmonėsNergalą, Hamato žmonėsAšimą,
30Koa ny olona avy any Babylona dia nanao an'i Sokota-benota; ary ny olona avy any Kota nanao an'i Nergala; ary ny olona avy any Hamata nanao an'i Asima;
31aviečiaiNibhazą ir Tartaką, o Sefarvaimo žmonės degindavo savo vaikus Sefarvaimo dievams Adramelechui ir Anamelechui.
31ary ny Avita nanao an'i Nibaza sy Tartaka; ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin'ny afo ho an'i Adrameleka Anameleka, andriamanitr'i Sefarvaima.
32Tačiau jie bijojo ir Viešpaties. Aukštumų kunigais jie paskyrė prasčiausius iš savųjų, kurie aukodavo už juos aukštumų namuose.
32Dia natahotra an'i Jehovah ny olona, ary izay avy tamin'ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho mpisorona amin'ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka.
33Jie bijojo Viešpaties ir tarnavo savo dievams, kaip buvo pratę savame krašte.
33Jehovah dia natahorany ihany, kanefa mbola nanompo ny andriamaniny avy koa izy araka ny fanaon'ny firenena izay efa nangalana azy avy.
34Iki šios dienos jie laikosi savo senų įpročių. Jie nebijo Viešpaties ir nevykdo Jo nuostatų ir potvarkių, įstatymų ir įsakymų, kuriuos Viešpats davė sūnums Jokūbo, kurį Jis pavadino Izraeliu.
34Mandraka androany dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an'i Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian'i Jehovah ny taranak'i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
35Viešpats padarė su jais sandorą ir jiems įsakė: “Nebijokite kitų dievų, nesilenkite prieš juos, netarnaukite ir neaukokite jiems.
35Sady nanaovany fanekena sy nodidiany hoe: Aza matahotra izay andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na namono zavatra hatao fanaritra ho azy;
36Bet bijokite Viešpaties, kuris jus išvedė iš Egipto šalies savo galinga jėga ir ištiesta ranka; Jį garbinkite ir Jam aukokite.
36Fa Jehovah, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny sandry nahinjitra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra hatao fanatitra;
37Nuostatus ir potvarkius, įstatymus ir įsakymus, kuriuos jums surašiau, saugokite ir vykdykite per amžius, ir nebijokite kitų dievų.
37Ary ny didy sy ny fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao mandrakariva; ary aza matahotra izay andriamani-kafa;
38Nepamirškite sandoros, kurią padariau su jumis, ir nebijokite kitų dievų.
38Ary ny fanekena izay nataoko taminareo dia aza hadinoinareo; ary aza matahotra izay andriamani-kafa ianareo;
39Viešpaties, savo Dievo, bijokite, ir Jis išgelbės jus iš visų jūsų priešų”.
39Fa Jehovah Andriamanitrareo no aoka hatahoranareo; dia Izy no hamonjy anareo amin'ny tanan'ny fahavalonareo rehetra.
40Tačiau jie neklausė, bet elgėsi pagal savo įpročius.
40Nefa tsy nety nihaino izy, fa nanao tahaka ny fanaony taloha ihany.Ka dia natahotra an'i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin'ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon'ny razany ihany no nataon'ireny mandraka androany.
41Tos tautos bijojo Viešpaties, bet tarnavo ir savo drožtiems atvaizdams. Taip darė jų vaikai ir vaikų vaikai, taip jie tebedaro iki šios dienos.
41Ka dia natahotra an'i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin'ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon'ny razany ihany no nataon'ireny mandraka androany.