Lithuanian

Malagasy

2 Kings

18

1Trečiaisiais Elos sūnaus Ozėjo, Izraelio karaliaus, metais pradėjo karaliauti Judo karaliaus Ahazo sūnus Ezekijas.
1[Ny niandohan'ny nanjakan'i Hezekia, sy ny naharavan'ny fanjakan'ny Isiraely] Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Hezekia, zanak'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda.
2Pradėdamas karaliauti, jis buvo dvidešimt penkerių metų ir valdė Jeruzalėje dvidešimt devynerius metus. Jo motina buvo vardu Abija, Zacharijos duktė.
2Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin'i Zakaria.
3Jis darė tai, kas teisinga Viešpaties akyse, kaip ir jo tėvas Dovydas.
3Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy.
4Ezekijas panaikino aukštumas, sudaužė atvaizdus, iškirto giraites, į gabalus sudaužė varinę gyvatę, kurią padarė Mozė. Nes iki to laiko izraelitai dar tebesmilkė jai ir vadino ją Nehuštanu.
4Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny Zanak'Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana.[Nehostana = Ilay varahina]
5Ezekijas pasitikėjo Viešpačiu, Izraelio Dievu. Tokio karaliaus Jude nebuvo nei iki jo, nei po jo.
5Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'izay rehetra mpanjakan'ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany
6Jis glaudėsi prie Viešpaties ir nepaliovė sekti Jį bei vykdė įsakymus, kuriuos Viešpats davė Mozei.
6Fa nifikitra tamin'i Jehovah izy ka tsy niala tamin'ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
7Viešpats buvo su juo, ir visur, kur jis ėjo, jam sekėsi. Jis sukilo prieš Asirijos karalių ir netarnavo jam.
7Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin'izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin'ny mpanjakan'i Asyria izy ka tsy nanompo azy.[Na: hita ho hendry]
8Ezekijas nugalėjo filistinus iki Gazos ir jos apylinkių, nuo sargybų bokštų iki sutvirtintų miestų.
8Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
9Ketvirtaisiais karaliaus Ezekijo metais, kurie buvo septintieji Izraelio karaliaus Ozėjo, Elos sūnaus, metai, Asirijos karalius Šalmaneseras atėjo prieš Samariją ir ją apgulė.
9Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, izany) no niakaran'i Salmanesera mpanjakan'i Asyria, hamely an'i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
10Trečiųjų metų pabaigoje ją paėmė. Tai įvyko šeštaisiais Ezekijo ir devintaisiais Izraelio karaliaus Ozėjo metais.
10Ary nony tapitra ny telo taona, dia afak'ireo ny tanàna; dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan'i Hosea, mpanjakan'ny Isiraely, no nahafahana an'i Samaria.
11Asirijos karalius išvedė izraelitus į Asiriją ir juos apgyvendino Halache, Habore prie Gozano upės ir medų miestuose,
11Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron'i Habora, onin'i Gozana, ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana,
12nes jie nepakluso Viešpaties, savo Dievo, balsui ir sulaužė Jo sandorą; jie neklausė ir nevykdė, ką Viešpaties tarnas Mozė buvo įsakęs.
12Satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy.
13Keturioliktais karaliaus Ezekijo metais Asirijos karalius Senheribas puolė visus sutvirtintus Judo miestus ir juos paėmė.
13[Ny niadian'i Sankeriba tamin'i Hezekia] Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
14Tada Judo karalius Ezekijas siuntė pas Asirijos karalių į Lachišą, sakydamas: “Nusikaltau, pasitrauk nuo manęs. Ko reikalausi, padarysiu”. Asirijos karalius uždėjo Judo karaliui Ezekijui tris šimtus talentų sidabro ir trisdešimt talento aukso duoklę.
14Ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan'i Asyria nampandoa an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo.
15Ezekijas atidavė visą sidabrą, kurį surado Viešpaties namuose ir karaliaus rūmų ižde.
15Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka.
16Ezekijas nuplėšė auksą nuo Viešpaties šventyklos durų ir staktų, kurias jis buvo padengęs, ir atidavė Asirijos karaliui.
16Tamin'izany andro izany no nanendahan'i Hezekia ny volamena tamin'ny varavaran'ny tempolin'i Jehovah sy tamin'ny tolana, dia ilay efa napetak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; ary dia nomeny ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany.
17Asirijos karalius siuntė iš Lachišo Tartaną, Rabsarį ir Rabšakę su didele kariuomene prieš Jeruzalę. Jie atėjo į Jeruzalę ir sustojo prie aukštutinio vandentiekio tvenkinio, vėlėjo lauke.
17Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an'i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.
18Jie pašaukė karalių. Išėjo pas juos rūmų viršininkas Eljakimas, Hilkijo sūnus, raštininkas Šebna ir metraštininkas Joahas, Asafo sūnus.
18Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana.
19Rabšakė jiems tarė: “Taip sakykite Ezekijui: ‘Taip sako didysis karalius, Asirijos karalius: ‘Kuo remiasi tavo pasitikėjimas?
19Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona izato itokianao?
20Tu kalbi tuščius žodžius, o karui reikalingas patarimas ir jėga. Kuo pasitiki, kad sukilai prieš mane?
20Hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
21Ar ketini atsiremti į Egiptą, šitą sulūžusią nendrę? Pasirėmus į ją, ji įsminga į ranką ir ją perduria. Toks yra faraonas, Egipto karalius, visiems, kurie juo pasitiki.
21Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.
22O jei sakysite: ‘Mes pasitikime Viešpačiu, savo Dievu’, tai ar ne Jo aukštumas ir aukurus pašalino Ezekijas ir paliepė Judui bei Jeruzalei: ‘Jūs garbinsite prie šito aukuro Jeruzalėje’?
22Ary raha hoy ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
23Taigi dabar lenktyniauk su mano valdovu, Asirijos karaliumi; aš tau duosiu du tūkstančius žirgų, jei tu surinksi tiek raitelių ant jų joti.
23Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
24Ar gali pasipriešinti silpniausiam mano valdovo tarnų būriui, nors ir pasitiki Egipto vežimais ir raiteliais?
24Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
25Ar aš be Viešpaties ėjau į šitą vietą, kad ją sunaikinčiau? Viešpats man pasakė: ‘Eik ir sunaikink tą kraštą’ ”.
25Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy.
26Tuomet Hilkijo sūnus Eljakimas, Joahas ir Šebna tarė Rabšakei: “Kalbėk su savo tarnais aramėjiškai, mes suprantame; nekalbėk su mumis žydiškai, girdint žmonėms ant sienų”.
26Dia hoy Eliakima, zanak'i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny mànda.[Heb. Aramiana]
27Bet Rabšakė atsakė: “Ar mano valdovas siuntė mane tik pas tavo valdovą ir tave kalbėti šituos žodžius? Ar ne pas vyrus, kurie sėdi ant sienos, kad valgytų su jumis savo išmatas bei gertų savo šlapimą?”
27Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan'ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo? [Heb. ny tainy][Heb. ny amaniny]
28Rabšakė atsistojo ir garsiai šaukė žydiškai: “Klausykite didžiojo karaliaus, Asirijos karaliaus, žodžių!
28Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria:
29Taip sako karalius: ‘Nesiduokite Ezekijo suvedžiojami, nes jis neišgelbės jūsų iš mano rankos!
29Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety ho fitahin'i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin'ny tanako izy tsy akory.
30Teneįtikina jūsų Ezekijas pasitikėti Viešpačiu, sakydamas: ‘Viešpats tikrai mus išgelbės ir neatiduos šito miesto į Asirijos karaliaus rankas’.
30Ary aza mety hampahatokin'i Hezetia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
31Neklausykite Ezekijo, nes taip sako Asirijos karalius: ‘Padarykite su manimi sutartį ir išeikite pas mane. Kiekvienas valgysite nuo savo vynmedžio, nuo savo figmedžio ir gersite vandenį iš savo šulinio,
31Aza mihaino an'i Hezekia; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
32kol aš ateisiu ir išvesiu jus į žemę, panašią į jūsų žemę, pilną javų, vyno, duonos, vynuogių, alyvmedžių ir medaus, kad galėtumėte gyventi ir nemirti. Neklausykite Ezekijo, kai jis jus įtikinėja, sakydamas: ‘Viešpats mus išgelbės’.
32mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza mihaino an'i Hezekia, raha izy manome vohony anareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika.
33Argi kuris nors iš tautų dievų išgelbėjo savo kraštą iš Asirijos karaliaus rankos?
33Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena?
34Kur yra Hamato ir Arpado dievai? Kur Sefarvaimo, Henos ir Ivos dievai? Ar jie išgelbėjo Samariją iš mano rankos?
34Aiza moa ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr'i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo andriamaniny?
35Kuris iš dievų išgelbėjo savo kraštą iš mano rankos, kad Viešpats išgelbėtų Jeruzalę iš mano rankos?’ ”
35Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra amin'ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tanako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?
36Žmonės tylėjo ir neatsakė jam nė žodžio, nes toks buvo karaliaus įsakymas: “Neatsakykite jam”.
36Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.Ary Eliakima, zanak'i Hilkia izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
37Rūmų viršininkas Hilkijo sūnus Eljakimas, raštininkas Šebna ir Asafo sūnus Joahas, metraštininkas, atėjo pas Ezekiją perplėštais drabužiais ir jam perdavė Rabšakės žodžius.
37Ary Eliakima, zanak'i Hilkia izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.